Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy

Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Nampiaiky An’ireo Nihaino Azy i Jesosy

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY LIOKA 2:41-47.

Araka ny hevitrao, inona no mety ho noresahin’i Jesosy sy ireo mpampianatra, eo amin’ny andininy 46?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana no nahavita nifampiresaka tamin’ireo mpitondra fivavahana i Jesosy, na dia mbola kely aza? Satria fotsiny ve izy lavorary, sa mety ho nisy antony hafa koa?

․․․․․

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY LIOKA 2:48-52.

Araka ny hevitrao, nasiaka ve i Jesosy sa nanaja tsara, rehefa nanontany hoe: “Fa maninona no nitady ahy ianareo?”

․․․․․

Inona no porofo fa tsy naneso na nanao tsinontsinona ny ray aman-dreniny i Jesosy?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana no tsy mahagaga raha nitebiteby i Josefa sy Maria?

․․․․․

Na dia lavorary aza i Jesosy, nahoana izy no nila nankatò foana an’ireo ray aman-dreniny?

․․․․․

Mety hoe menatra ve i Jesosy rehefa notenenina teo imason’ny olona nanaja azy?

․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Fankatoavana.

․․․․․

Maha zava-dehibe ny mianatra Baiboly dieny mbola kely.

․․․․․

INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․