Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Hanahaka An’Andriamanitra Ianareo”

“Aoka Hanahaka An’Andriamanitra Ianareo”

Manatòna An’Andriamanitra

“Aoka Hanahaka An’Andriamanitra Ianareo”

Efesianina 4:32–5:2

MAMPALAHELO fa vitsy ankehitriny no tsara fanahy, mangoraka, mamela heloka, ary be fitiavana. Mihevitra koa ve ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny hanana an’ireo toetra ireo, na miezaka mafy aza ianao? Misy fahazaran-dratsy tsy mety resinao angamba, na zavatra mampalahelo niainanao. Mety hanamelo-tena àry ianao, ka hihevitra fa tsy afaka ny ho tsara toetra mihitsy. Fantatry ny Mpamorona anefa fa afaka manana toetra tsara isika, ary milaza izany ny Baiboly. Tsy mampahery ve izany?

Mampirisika ny tena Kristianina ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.” (Efesianina 5:1) Hita avy amin’ireo teny ireo fa tena matoky ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria noforoniny araka ny endriny ny olona, ka misy itovizana aminy. (Genesisy 1:26, 27) Midika izany fa nataony hanana toetra toy ny azy ny olona. * Rehefa mampirisika ny Kristianina àry ny Baiboly mba “hanahaka an’Andriamanitra”, dia toy ny hoe i Jehovah mihitsy no miteny aminy hoe: ‘Matoky anao aho. Fantatro fa tsy lavorary ianao, nefa afaka miezaka manahaka ahy ihany.’

Inona avy no toetran’Andriamanitra azontsika tahafina? Mamaly izany ny andinin-teny manodidina. Mariho fa natombok’i Paoly tamin’ny hoe “koa” ilay fampirisihana mba hanahaka an’Andriamanitra. Midika izany fa mifandray izy io sy ilay andininy eo alohany, izay miresaka momba ny hatsaram-panahy sy fangorahana ary famelan-keloka. (Efesianina 4:32; 5:1) Mampirisika ny Kristianina i Paoly avy eo mba tena haneho fitiavana ny hafa, ary tsy hitady valiny amin’izany. (Efesianina 5:2) Tianao àry ve ny ho tsara fanahy, hangoraka amin’ny fo manontolo, hamela heloka tanteraka, ary haneho fitiavana? I Jehovah Andriamanitra no modely tsara indrindra amin’izany.

Nahoana isika no tokony hanahaka azy? Tena tokony handrisika antsika ilay tenin’i Paoly hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.” Toy ny zanany tena tiany no fiheveran’i Jehovah ny mpanompony. Manohina ny fo tokoa izany! Miezaka erỳ ny ankizilahikely mba hitovy amin’ny dadany. Miezaka mafy koa àry ny tena Kristianina hanahaka an’ilay Rainy any an-danitra.

Tsy teren’i Jehovah hanahaka azy ny olombelona, fa nomeny safidy malalaka. Miankina aminao àry raha hanahaka azy ianao na tsia. (Deoteronomia 30:19, 20) Tadidio anefa fa azonao atao tsara ny maneho toetra toy ny an’Andriamanitra. Mazava ho azy fa tsy maintsy ianaranao aloha ny toetrany sy ny fitsipiny, izay voalazan’ny Baiboly. Tena miavaka tokoa ny toetrany, ka olona an-tapitrisany no efa miezaka manahaka azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Araka ny Kolosianina 3:9, 10, ny hoe natao araka ny endrik’Andriamanitra dia noforonina hanana toetra toy ny azy. Ireo maniry hampifaly azy àry dia tokony hitafy “ny toetra vaovao”, izay “havaozina araka ny endrik’Ilay [Andriamanitra] namorona azy.”