Azo Itokisana ve ny Filazantsara?
Azo Itokisana ve ny Filazantsara?
“Tokony horaisina ho angano noforomporonin’ny Kristianina voalohany ny Filazantsara, ankehitriny.”—Burton Mack, mpampianatra momba ny famoaboasana ny Testamenta Vaovao.
TOA an’io mpampianatra io, dia manam-pahaizana maro no misalasala raha azo itokisana ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, izany hoe ireo fitantaran’ny Baiboly momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Nahoana no heverin’ny sasany ho angano ny Filazantsara? Mahatonga anao hisalasala momba ny fahamarinan’ny Filazantsara ve ny hevitr’izy ireo? Andeha hodinihintsika izany.
Nipoitra ny fisalasalana
Tsy dia nisy nisalasala hoe azo itokisana sa tsia ny Filazantsara, tao anatin’ireo 1 700 taona Taorian’i Kristy. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-19 vao tena nisy manam-pahaizana maro nihevitra hoe noforonin’olombelona ny Filazantsara, fa tsy avy amin’Andriamanitra. Manizingizina izy ireo fa tsy azo itokisana ny Filazantsara, satria tsy nanatri-maso ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy, hono, ireo nanoratra azy. Milaza koa izy ireo fa matoa mitovitovy ireo Filazantsara telo voalohany, dia satria ny ankabeazan’ny zavatra nosoratan’ny iray ihany no nadikan’ny iray. Lavin’ireo mpanao tsikera koa ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Misy milaza mihitsy aza hoe tsy tena nisy i Jesosy!
Milaza koa izy ireny fa ny Filazantsaran’i Marka no tsy maintsy ho nosoratana voalohany, satria toa tsy misy fanazavana firy omeny, ankoatra an’izay efa voalazan’i Matio sy Lioka. Mihevitra koa ireo mpanao tsikera fa ny bokin’i Marka no nampiasain’i Matio sy Lioka mba hanaovana ny Filazantsarany, ary nijery loharanon-kevitra fanampiny izy roa lahy. Nilaza anefa ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe A. Klijn, fa “mpanangona tantara notsimponina tetsy sy teroa sisa no niheverana an’ireo mpanoratra Filazantsara”, noho io tombantombana be mpanaraka io. Mahatonga an’ireo mpanoratra Filazantsara ho toy ny mpisandoka asa soratr’olona sy mpanao angano izany fiheverana izany, sady mahatonga ny olona tsy hino fa avy tamin’ny fanahy masina ny Baiboly.—2 Timoty 3:16.
Mpisandoka asa soratr’olona ve ireo mpanoratra Filazantsara?
Mitovitovy ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara telo voalohany. Porofo ve izany fa izay nosoratan’ny iray ihany no nadikan’ny iray? Tsia! Fa nahoana? Efa nampanantena ny mpianany i Jesosy fa ‘hampahatsiaro azy ireo izay rehetra nolazainy taminy’ ny fanahy masina. (Jaona 14:26) Tsy mahagaga àry raha nisy zavatra mitovy tsaroan’ireo mpanoratra Filazantsara ka noraketiny an-tsoratra. Marina fa mety ho namaky sy niresaka ny zavatra nosoratan’ny mpanoratra Baiboly hafa ny mpanoratra Baiboly sasany. Azo inoana anefa fa nanao fikarohana lalina izy ireo, fa tsy hoe nisandoka asa soratr’olona. (2 Petera 3:15) Hoy koa Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Nampitaina am-bava ireo zava-nitranga ara-tantara, ka tsy mahagaga raha nitovy ny fomba nilazana an’ireo teny mendrika hotsarovana nolazain’i Jesosy.”
Nilaza i Lioka fa vavolombelona maro no afaka manaporofo ny zavatra nosoratany, ary ‘efa nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamarininy.’ (Lioka ) Toy ny mpisandoka asa soratr’olona na mpanao angano àry ve izy? Tsia! Hoy i William Ramsay, mpikaroka ny any ambanin’ny tany, rehefa avy nandalina ny asa soratr’i Lioka: ‘Mpanoratra tantara tena mahay i Lioka. Azo itokisana mantsy izay voalazany sady hainy tsara ny fomba fanoratra an’ireo zava-nitranga ara-tantara. Tokony hampidirina ho isan’ireo mpanoratra tantara tena sangany izy.’ 1:1-4
Hita avy amin’ny tenin’ireo Rain’ny Eglizy tany am-boalohany fa ny apostoly Matio no voalohany nanoratra Filazantsara. Hoy, ohatra, i Origène, teolojianina tamin’ny taonjato fahatelo: “Nosoratan’i Matio ilay voalohany. Mpamory hetra izy taloha fa lasa apostolin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana. Nataony ho an’ireo Jiosy niova ho Kristianina izy io, ary nosoratany tamin’ny teny hebreo.” Tsy nila nisandoka ny asa soratr’i Marka i Matio, satria vavolombelona nahita maso izy sady apostoly, fa i Marka kosa tsy toy izany. Ahoana kosa ilay filazana hoe ny Filazantsaran’i Marka ihany no nadikan’i Matio sy Lioka? Tena nisy loharanon-kevitra fanampiny nampiasain’izy roa lahy ve?
Ny Filazantsaran’i Marka ve no nosoratana voalohany?
Miaiky Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly, fa tsy miorina amin’ny “porofo mitombina sy maharesy lahatra” ny filazana hoe ny Filazantsaran’i Marka no nosoratana voalohany, ary io no nampiasain’i Matio sy Lioka. Manam-pahaizana maro anefa no mihevitra fa talohan’ny Matio sy ny Lioka no nanoratan’i Marka ny Filazantsarany, satria tsy misy fanazavana firy
omeny ankoatra an’izay efa ao amin’ireo Filazantsara hafa. Nanizingizina, ohatra, i Johannes Kuhn, manam-pahaizana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19, fa ny Filazantsaran’i Marka no tsy maintsy nosoratana voalohany. Raha tsy izany, hoy izy, dia “voatery hieritreritra zavatra toy izao isika: Notetitetehin’i Marka ho ampahany madinika ireo horonam-bokin’i Matio sy Lioka. Nafangarony tao anaty vilany ireny, ka izany fifangaroana izany no nanaovany ny Filazantsarany.”Tsy mahagaga raha ny Filazantsaran’i Marka no mirakitra fanazavana kely indrindra, satria izy io no fohy indrindra. Tsy porofo anefa izany fa izy io no nosoratana voalohany. Tsy mitombina tsotra izao ny hoe tsy manome fanazavana hafa ankoatra an’izay voalazan’i Matio sy Lioka i Marka. Velombelona sy haingana be ny fitantaran’i Marka ny fanompoan’i Jesosy. Maherin’ny 180 ireo andalan-teny sy tsipiriany mahaliana omeny, izay tsy hita ao amin’ny Matio sy Lioka. Miavaka àry ny fitantarany ny fiainan’i Jesosy.—Jereo ny efajoro, pejy 13.
Ahoana ny amin’ilay loharanon-kevitra fanampiny?
Ahoana ny amin’ilay lazaina fa loharanon-kevitra fanampiny nampiasain’i Matio sy Lioka? Hoy i James Robinson, mpampianatra momba ny fivavahana: “Io loharanon-kevitra fanampiny io no asa soratra kristianina sarobidy indrindra eo am-pelatanantsika.” Mba mahagaga ihany izany teny izany satria tsy misy io loharanon-kevitra io ankehitriny, ary tsy misy afaka manaporofo ny fisiany! Mahagaga koa fa nanjavona tanteraka izy io, nefa milaza ireo manam-pahaizana fa maromaro tamin’izy io no nampiasaina. Ankoatra izany, dia tsy nampiasa teny avy tao mihitsy ireo Rain’ny Eglizy.
Eritrereto ange e! Heverina fa nisy ilay loharanon-kevitra fanampiny, ary izy io no heverina ho porofo fa ny Filazantsaran’i Marka no nosoratana voalohany. Tsy tombantombana daholo ve izany rehetra izany? Momba izany, dia fahendrena ny mitadidy ity ohabolana ity: “Ny kely saina mino ny teny rehetra reny, fa ny mahira-tsaina kosa mitady porofo.”—Ohabolana 14:15, Ny Baiboly Anglisy Vaovao.
Marina sy azo itokisana ny Filazantsara
Mahatonga olona maro tsy handinika an’ireo fitantarana marina momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, ny tombantombana sy ny hevitra tsy mitombina aroson’ny mpitsikera. Mazava avy amin’ny Filazantsara fa tsy noheverin’ny Kristianina voalohany ho angano ny tantara momba ny fiainan’i Jesosy, ny fanompoany, ny nahafatesany, ary ny nitsanganany tamin’ny maty. An-jatony ny vavolombelona nanamarina azy ireny. Fantatry ny Kristianina voalohany fa tsy misy dikany ny maha Kristianina azy, raha tsy tena nisy ny fanompoan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Nahoana anefa izy ireo no vonona hiatrika fanenjehana sy fahafatesana mba hanarahana an’i Jesosy?—1 Korintianina 15:3-8, 17, 19; 2 Timoty 2:2.
Iadian-kevitra ny hoe ny Filazantsaran’i Marka ve no nosoratana voalohany, ary nahoana no tsy hita izay nanjavonan’ilay loharanon-kevitra fanampiny. Niresaka momba izany adihevitra izany i George Buchanan, mpampianatra teolojia, ka nilaza hoe: “Mifantoka loatra amin’ny tombantombana momba ny niavian’ireo Filazantsara ny olona, ka ny Filazantsara mihitsy no lasa tsy ianaran’ny mpianatra Baiboly.” Izany indrindra no nahatonga ny apostoly Paoly hanoro hevitra an’i Timoty mba tsy “hihaino tantara tsy marina na handinika tetirazana tsy mitondra na ho aiza na ho aiza. Miteraka fanontaniana ilana fikarohana izany, fa tsy fanomezana zavatra avy amin’Andriamanitra, dia zavatra manatanjaka finoana.”—1 Timoty 1:4.
Azo itokisana ny Filazantsara sady fitantarana marina avy amin’ny vavolombelona nahita maso, ary nanaovana fikarohana lalina. Fitantarana maro mahaliana no omeny antsika momba ny fiainan’i Jesosy Kristy. Toa an’i Timoty fahiny, dia tsara koa ny hanarahantsika izao tenin’i Paoly izao: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.” Manana antony marim-pototra isika hanekena, fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra”, anisan’izany ireo Filazantsara efatra.—2 Timoty 3:14-17.
[Efajoro, pejy 13]
Raha Tsy teo ny Filazantsaran’i Marka, dia Tsy ho Fantatsika Hoe...
nijery tamin-katezerana an’ireo olona nanodidina azy i Jesosy, sady nalahelo mafy noho ny hamafin’ny fon’ireo (Marka 3:5)
nomena anarana hoe Boanerjesy i Jaona sy Jakoba (Marka 3:17)
nandany ny fananany rehetra ilay vehivavy nandeha ra (Marka 5:26)
nitahiry lolompo natahotra noho ny amin’i Jaona ka niaro azy (Marka 6:19, 20)
nasain’i Jesosy hiala sasatra kely ny mpianany (Marka 6:31)
nanasa tanana hatreo amin’ny kiho ny Fariseo (Marka 7:2-4)
nitrotro an’ireo zaza i Jesosy (Marka 10:16)
tia an’ilay manam-pahefana tanora i Jesosy (Marka 10:21)
nanontany an’i Jesosy mitokana i Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea (Marka 13:3)
navelan’ny tovolahy iray ny akanjony ka nandositra nitanjaka izy (Marka 14:51, 52)
Tsy hita afa-tsy ao amin’ny bokin’i Marka ny iray amin’ireo fanoharan’i Jesosy sy ny roa amin’ireo fahagagana nataony.—Marka 4:26-29; 7:32-37; 8:22-26.
Mbola misy tsipiriany maro tsy hita afa-tsy ao amin’ny Filazantsaran’i Marka. Hitombo ny fankasitrahantsika azy io, raha manokana fotoana hisaintsainana lalina ny hasarobidin’ireny tsipiriany rehetra ireny isika.