Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana Momba ny Androntsika

Faminaniana Momba ny Androntsika

Faminaniana Momba ny Androntsika

MILAZA ny Baiboly fa hitondra fiadanana sy fahasambarana mandrakizay eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Ireo zavatra hitranga aloha kelin’ny hahatongavan’io fanjakana io dia efa nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, tao amin’ilay faminaniana malaza teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Ireny zavatra ireny mitambatra no ho famantarana ho hitan’ny olona tso-po rehetra. Firy amin’ireto lafiny samihafa amin’ilay famantarana ireto no hitanao?

Ady Iraisam-pirenena. Nilaza mialoha i Jesosy hoe: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Matio 24:7) Tany vitsivitsy ihany no nisy ady, talohan’ny 1914. Tany maro eran’izao tontolo izao kosa no nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe I. Nanafaingana ny fanamboarana fitaovam-piadiana mahery vaika mbola tsy nisy hoatra izany ilay ady. Vao haingana tamin’izay no namoronana ny fiaramanidina, nefa efa nampiasaina sahady izy io mba handatsahana baomba tamin’ny olon-tsotra. Lasa be dia be tsy nisy hoatra izany ny isan’ny olona ripaka tamin’ny ady, vokatry ny famokarana fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohana. Tokotokony ho ny antsasaky ny miaramila 65 tapitrisa nalefa tany an’ady mantsy no maty na naratra. Vao mainka nitombo anefa izany fandripahana izany, rehefa nandeha ny fotoana, araka ny hita tamin’ny Ady Lehibe II. Milaza ny mpahay tantara iray, fa “tsy ho voaisa mihitsy” ny miaramila sy ny olon-tsotra maty tamin’io ady io. Ary mbola misy ady foana hatramin’izao.

Hanoanana miely patrana. Nilaza mialoha i Jesosy fa “hisy mosary.” (Matio 24:7) Hoy ny gazetiboky Siansa (anglisy), tamin’ny 2005: “Olona 845 tapitrisa eran-tany no tsy ampy sakafo mihitsy, na tsy manan-kohanina indraindray.” Araka ny tatitry ny Firenena Mikambana tamin’ny 2007, dia tany 33 no tsy manana sakafo ampy hamelomana ny mponina ao aminy. Nahoana izany no mitranga nefa mitombo be ny famokarana voa madinika eran-tany? Anisan’ny antony ny hoe, ampiasaina mba hahazoana solika ny tany tokony hamokarana sakafo, sy ny voa madinika tokony hohanina. ‘Mahavelona olona iray mandritra ny herintaona, ny voa madinika ahazoana solika ampy indray mandrotsaka ho an’ny fiara lehibe iray tsy mifidy lalana’, hoy ny gazety iray atsy Afrika Atsimo. Mihalafo koa ny sakafo any amin’ny tany mandroso, ka tsy maintsy misafidy ny olona maro hoe hividy sakafo sa hividy zavatra ilaina hafa, toy ny fanafody.

Horohoron-tany mahery vaika. “Hisy horohoron-tany lehibe”, hoy i Jesosy. (Lioka 21:11) Tsy diso ianao raha milaza fa maro kokoa noho ny hatramin’izay ny olona iharan-doza amin’ny horohoron-tany ankehitriny. “Nihamaro tampoka ny horohoron-tany eran-tany”, hoy i R. Chadha, karàna manam-pahaizana momba ny horohoron-tany, tamin’ny 2007. “Tsy misy mahalala ny anton’izany.” Vao mainka koa maro ny olona matin’ireny loza ireny, satria mitombo haingana be ny isan’ny mponina any amin’ireo faritra be horohoron-tany. Nisy horohoron-tany sy tsunami tany amin’ny faritry ny Oseana Indianina tamin’ny 2004, ka iny taona iny no “nisian’ny olona maro indrindra matin’ny horohoron-tany tao anatin’ny 500 taona latsaka kely”, hoy ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany.

Aretina tsy mety resy. Nilaza mialoha i Jesosy fa “hisy areti-mandringana.” (Lioka 21:11) Mitombo hatrany eran-tany ny olona voan’ny aretina efa nisy hatrizay na aretina vaovao, ary tsy ahitam-panafana ireny aretina ireny. Ny handresy tanteraka ny tazomoka no tanjon’ny firenena eran-tany. Voatery novana foana anefa ny fotoana hahatratrarana izany, satria tsy voafehin’ny olona ilay aretina hatramin’izao. An-tapitrisany koa ny olona matin’ny aretina efa nisy hatrizay, toy ny tioberkilaozy (BK). Eo koa anefa ny matin’ny SIDA sy ny aretina vaovao hafa. ‘Efa misy otrikaretina BK ny ampahatelon’ny mponina eran-tany’, araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Milaza koa io fikambanana io fa vao mainka mahatonga ny BK hiely patrana any amin’ny tany maro ny VIH. Olona iray isan-tsegondra no voan’ny BK, ary mihatsy andairam-panafody izy io. Milaza ny gazetiboky Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa tamin’ny 2007, dia nisy olona iray tany Eoropa voan’ny karazana BK “tsy andairan’ireo fanafody ananantsika ankehitriny.”

Fitondran-tena miharatsy. “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna”, hoy i Jesosy. (Matio 24:12) Ankoatra ny efa nolazain’i Jesosy mialoha, dia nilaza koa ny apostoly Paoly fa hiharatsy ny toetran’ny olona sy ny fitondran-tenany. Hoy izy momba ny “andro farany” tsy mora setraina, izay hitranga alohan’ny hamaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra an’ity tontolo ity: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Timoty 3:1-5) Tsy hitanao ve fa vao mainka ratsy toetra toy izany ny olona ankehitriny?

Tsy nolazain’i Jesosy sy Paoly daholo ny antony ara-tantara sy ara-tsosialy ary ara-politika mahatonga ireo zava-mitranga eran-tany ireo. Marina anefa ny faminanian’izy ireo, raha jerena ny zava-misy sy ny toetran’ny olona ankehitriny. Ahoana ny amin’ny hoavy? Nahavita nilaza ny fahatongavan’ny Mesia ny faminanian’i Isaia. Lazaina ao koa anefa ny amin’ireo fiovana tsara hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Sary, pejy 6]

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena”

[Sary, pejy 7]

“Hisy areti-mandringana”

[Sary nahazoan-dalana]

© WHO/P. Virot