Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana Momba ny Hoavy Tsy ho Ela

Faminaniana Momba ny Hoavy Tsy ho Ela

Faminaniana Momba ny Hoavy Tsy ho Ela

HOY ny apostoly Petera momba ny hoavin’ny olombelona sy ny tany: “Misy anefa lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny [fampanantenan’Andriamanitra].” (2 Petera 3:13) Hita ao amin’ny bokin’i Isaia ny faminaniana voalohany momba ny fampanantenana “lanitra vaovao sy tany vaovao.” (Isaia 65:17; 66:22) Matoa i Petera nanonona indray azy io, dia nisy lafiny mbola tsy tanteraka ilay izy, tamin’ny androny.

Tatỳ aoriana, tamin’ny taona 96 tany ho any, dia nampifandray an’io “tany vaovao” io tamin’ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Apokalypsy, izay nosoratan’ny apostoly Jaona. (Apokalypsy 21:1-4) Eo am-pahatanterahana izao ny zavatra nolazain’i Jesosy sy ny apostoly Paoly fa hitranga eto an-tany, aloha kelin’ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Afaka manantena àry isika fa tsy ho ela dia hitondra tontolo vaovao ilay Fanjakana. Hanao ahoana izany tontolo vaovao izany? Miresaka momba izany ny bokin’i Isaia.

Fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao

Fiadanana eran-tany sy fivavahana tokana. “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.”—Isaia 2:2-4.

Hihavana ny olona sy ny biby. “Hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia, hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny biby nohatavezina, ka ankizilahikely no hitarika azy ireo. Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa, ary hiara-matoritory ny zanany. Na ny liona aza hihina-mololo toy ny omby. ... Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:6-9.

Sakafo be dia be ho an’ny rehetra. “Hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah Tompon’ny tafika eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasambe misy hanim-pito loha, fanasambe misy divay efa naotrika ela, eny, fanasambe misy hanim-pito loha sady feno tsoka, sy divay efa naotrika ela ka notantavanina.”—Isaia 25:6.

Tsy hisy fahafatesana intsony. “Hofoanan[’Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra, ary hesoriny ny fahafaham-barakan’ny olony any amin’ny tany rehetra, fa i Jehovah no efa niteny.”—Isaia 25:8.

Hatsangana ny maty. “Ho velona indray ireo maty ... ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin’ny vovo-tany ... Hateraky ny tany indray ireo nodimandry.”—Isaia 26:19, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Mpitsara manao ny rariny ny Mesia. “Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.”—Isaia 11:3, 4.

Ho sitrana ny jamba sy ny marenina. “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.”—Isaia 35:5.

Hamokatra ny tany karakaina. “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona. Eny, hamony tokoa izany, ary tena ho faly ka hiravoravo sy hihoby.”—Isaia 35:1, 2.

Tany vaovao. “Hamorona lanitra vaovao [fitondram-panjakana vaovao any an-danitra] sy tany vaovao [fiaraha-monina vaovao manao ny marina] aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha. Koa miravoravoa sy mifalia mandrakizay noho ny amin’izay hoforoniko. ... Hanao trano ny olona [ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra] ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko, ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko. Tsy ho very maina ny fisasarany, ary tsy hiteraka zaza hiharan’ny loza tampoka izy. Fa taranaka tahin’i Jehovah izy ireo sy ny taranany. Koa mbola tsy miantso izy ireo dia efa hamaly aho, ary mbola eo am-pitenenana izy dia efa henoko.” “ ‘Fa maharitra eo anatrehako ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay foroniko, ary toy izany koa no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo’, hoy i Jehovah.”—Isaia 65:17-25; 66:22.

Milaza hoavy mahatalanjona

Tsy ny bokin’i Isaia ihany no milaza hoavy mahatalanjona ao amin’ny Baiboly. Misy faminaniana maro koa ao milaza ny zava-mahatalanjona hataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakany tarihin’i Kristy. * Te hiaina ao amin’izany paradisa izany ve ianao? Azonao atao izany. Fantaro izay ampianarin’ny Baiboly mahakasika ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy, sy ny tokony hataonao mba hahazoana izany. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 76-85, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 8]

Hihavana amin’ny biby sy amin’izy samy izy ny olombelona

[Sary, pejy 9]

Ho velona indray ny maty

[Sary, pejy 10]

Ho lasa Paradisa ny tany manontolo