Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana Momba ny Mesia

Faminaniana Momba ny Mesia

Faminaniana Momba ny Mesia

EFA ela ny firenena jiosy no nanantena ny fahatongavan’ny Mesia, satria fantany izay nosoratan’i Isaia sy ny mpaminany hafa momba azy io. “Efa niandriandry” ny hisehoan’ny Mesia tsy ho ela ny Jiosy maro, tamin’ny andron’i Jesosy. (Lioka 3:15) Mahavariana fa mirakitra tsipiriany miavaka momba ny fiainan’ny Mesia ny faminanian’ny Baiboly. Tsy misy olona mahavita milaza mialoha ny zavatra toy izany, na mahavita manao izay hahatanteraka izany amin’i Jesosy.

Tsipiriany momba ny fahaterahan’ny Mesia. Nilaza mialoha i Isaia fa hateraky ny virjiny ny Mesia, na Kristy. Rehefa avy nilaza ny fahagagana momba ny nahaterahan’i Jesosy ny apostoly Matio, dia hoy izy: “Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka izay nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny hoe: ‘Ho bevohoka ny virjiny ka hiteraka zazalahy.’ ” (Matio 1:22, 23; Isaia 7:14) Efa nilaza koa i Isaia fa ho avy amin’ny taranak’i Davida i Kristy, ary notononiny mihitsy aza i Jese rain’i Davida. Avy tamin’ny taranak’i Davida tokoa i Jesosy. (Matio 1:6, 16; Lioka 3:23, 31, 32) Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy àry, dia hoy ny anjely Gabriela tamin’i Maria renin’i Jesosy: “Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.”—Lioka 1:32, 33; Isaia 11:1-5, 10; Romanina 15:12.

Tsipiriany momba ny fiainan’ny Mesia. Rehefa namaky tamin’ny feo avo ny faminanian’i Isaia i Jesosy, tao amin’ny synagogan’i Nazareta, dia novakiny koa ilay hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy.” Efa lehibe i Jesosy tamin’izay, ary nampihariny tamin’ny tenany io faminaniana io ka hoy izy: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lioka 4:17-21; Isaia 61:1, 2) Efa nolazain’i Isaia koa fa ho tsara fanahy izy sady tsy ho tia sehoseho rehefa manasitrana marary. Hoy i Matio: “Maro koa no nanaraka azy, ka nositraniny daholo. Norarany mafy anefa ireo tsy hilazalaza ny momba azy, mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: ... ‘Tsy hifanditra amin’olona izy, na hiantso mafy ... Tsy hotorotoroiny ny bararata folaka.’ ”—Matio 8:16, 17; 12:10-21; Isaia 42:1-4; 53:4, 5.

Tsipiriany momba ny fijalian’ny Mesia. Naminany i Isaia hoe tsy heken’ny ankamaroan’ny olona any Israely ny Mesia, fa ho “vato mahatafintohina” azy. (1 Petera 2:6-8; Isaia 8:14, 15) Ary na dia nanao fahagagana maro aza i Jesosy, “dia tsy ninoan’izy ireo, mba hahatanteraka ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: ‘Jehovah ô, iza no mba nino ny zavatra renay?’ ” (Jaona 12:37, 38; Isaia 53:1) Anisan’ny nahatonga ny Jiosy tsy hino an’i Jesosy, ilay hevi-diso nalaza hoe hanaisotra avy hatrany ny fitondrana Romanina ny Mesia, ka hamerina eto an-tany ny fanjakan’ny taranak’i Davida, izay fanjakana mahaleo tena. Rehefa nijaly sy maty àry i Jesosy, dia tsy nanaiky azy ho Mesia ny ankamaroan’ny Jiosy. Efa nilaza anefa i Isaia fa hijaly aloha ny Mesia vao ho lasa Mpanjaka.

Miteny toy izao ny Mesia araka ny faminanian’i Isaia: “Ny lamosiko natolotro tamin’ny mpikapoka ... Ny tarehiko tsy mba nafeniko rehefa nalam-baraka sy nororana aho.” Tantarain’i Matio toy izao àry izay nitranga rehefa notsaraina i Jesosy: “Nororan’ireo ny tarehiny, dia nasiany totohondry izy. Ny hafa namely tehamaina azy.” (Isaia 50:6; Matio 26:67) “Nanaiky hampahorina izy, nefa tsy niloa-bava akory”, hoy i Isaia. Koa rehefa nanontany an’i Jesosy momba ny fiampangan’ny Jiosy i Pilato, dia “tsy namaly azy izy na indraim-bava aza”, ka “gaga be ilay governora.”—Isaia 53:7; Matio 27:12-14; Asan’ny Apostoly 8:28, 32-35.

Tsipiriany momba ny fahafatesan’ny Mesia. Mbola tanteraka ihany ny faminanian’i Isaia, tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy sy taorian’izay koa. Efa nilaza i Isaia hoe: “Rehefa maty izy, dia hatao eo amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanankarena ny fasany.” (Isaia 53:9) Toa misy hevitra mifanohitra amin’izany teny izany, nefa ahoana no nahatanterahany? Nofantsihana teo afovoan’ny jiolahy roa i Jesosy tamin’izy maty. (Matio 27:38) Taorian’izay anefa, dia nandevina ny fatiny tao amin’ny fasana vao nolavahana ny mpanankarena iray, atao hoe Josefa avy any Arimatia. (Matio 27:57-60) Ary farany, dia nahatanteraka lafiny iray lehibe amin’ny faminanian’i Isaia ny fahafatesan’i Jesosy. Hoy mantsy i Isaia momba ny Mesia: ‘Ilay olo-marina mpanompoko no hanampy olona maro ho tonga olo-marina. Ary hozakainy ny fahadisoan’izy ireo.’ Ny fahafatesan’i Jesosy tokoa no nanomezana ny vidim-panavotana, ka azo nesorina tamin’ny olona tsy mivadika rehetra ny fangejan’ny ota.—Isaia 53:8, 11; Romanina 4:25.

Faminaniana tsy maintsy tanteraka

Naka teny avy tao amin’ny Soratra Masina ny apostoly sy i Jesosy, mba hanondroana hoe iza marina ny Mesia. Betsaka kokoa noho ny tany amin’ny boky hafa anefa ny teny nalain’izy ireo tao amin’ny faminanian’i Isaia. Na izany aza, dia tsy ny bokin’i Isaia ihany no milaza mialoha ny hoavy. Misy faminaniana maro koa ao amin’ny Soratra Hebreo miresaka momba an’i Jesosy, sy ny Fanjakany, ary ny zavatra tsara mbola hotanterahin’ilay Fanjakana amin’ny hoavy. * (Asan’ny Apostoly 28:23; Apokalypsy 19:10) Azo antoka ho tanteraka ve ireny faminaniana ireny? Hoy i Jesosy tamin’ireo Jiosy nihaino azy: “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany [izany hoe ny Soratra Hebreo] aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka. Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hahalevona ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray ao amin’ny Lalàna, mandra-pahatanterak’izay rehetra voasoratra ao.”—Matio 5:17, 18.

Nilaza i Jesosy fa manatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ireo zava-nitranga tamin’ny androny sy ireo mbola hitranga any aoriana. (Daniela 9:27; Matio 15:7-9; 24:15) I Jesosy sy ny mpianany koa dia nilaza zavatra mbola hitranga any aorian’ny androm-piainany, anisan’izany ireo zavatra maro hitantsika ankehitriny. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny momba izany sy ireo faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly, izay mbola ho tanteraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 200, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 4]

“Ny virjiny ... hiteraka zazalahy”

[Sary, pejy 5]

‘Ny tarehiko tsy nafeniko rehefa nalam-baraka aho’