Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana no nanomboka tamin’ny hariva ny fitandremana ny Sabata?

Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany, rehefa nanome azy ireo ny lalàna momba ny Andro Fandrakofam-pahotana izy: ‘Aza manao asa na inona na inona amin’io andro io. Sabata fitsaharana tanteraka izany ho anareo. Hitandrina ny sabatanareo ianareo, manomboka amin’ny takariva iray ka hatramin’ny takariva iray.’ (Levitikosy 23:28, 32) Hita avy amin’izany fa nanomboka taorian’ny filentehan’ny masoandro ny andro tsirairay, teo amin’ny Jiosy fahiny, ary nifarana taorian’ny filentehan’ny masoandro ny ampitson’iny.

Efa izany foana no fomba nanisan’Andriamanitra ny andro tsirairay. Hoy izy momba ny andro voalohany namoronany ny zava-drehetra: “Nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.” Nanomboka isaky ny “hariva” koa ireo “andro” famoronana nanaraka.—Genesisy 1:5, 8, 13, 19, 23, 31.

Tsy ny Jiosy ihany no nampiasa io fomba fanisana andro io, fa ny mponina tany Atena sy Fenisia ary Afrika Avaratra koa. Hafa kosa ny an’ny Babylonianina. Nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ny andro tsirairay tamin’izy ireo. Ny an’ny Ejipsianina sy ny Romanina indray nanomboka tamin’ny misasakalina ka hatramin’ny misasakalina manaraka, ary izany no arahin’ny firenena maro ankehitriny. Mbola manomboka amin’ny takariva foana kosa ny Jiosy no mitandrina ny Sabatany.

Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “lalana indray sabata”?

Nody tany Jerosalema ny mpianatr’i Jesosy, rehefa avy nahita ny niakarany tany an-danitra teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Nandeha “lalana indray sabata” izy ireo tamin’izany. (Asan’ny Apostoly 1:12) Nahavita 30 kilaometatra eo ho eo isan’andro ny mpandeha an-tongotra. Tsy lavitra an’i Jerosalema anefa ny Tendrombohitra Oliva. Inona àry no tiana holazaina amin’ny hoe “lalana indray sabata”?

Tsy nahazo nanao ny raharaha fanaony andavanandro ny Israelita isaky ny Sabata. Tsy nahazo nandrehitra afo akory aza izy ireo. (Eksodosy 20:10; 35:2, 3) Hoy i Jehovah: “Samia mipetraka any amin’ny fonenany avy, ary aoka tsy hisy hivoaka avy ao amin’izay misy azy amin’ny andro fahafito.” (Eksodosy 16:29) Afaka niala sasatra sy nifantoka kokoa tamin’ny fivavahana àry ny Israelita tamin’io andro io.

Diso nanara-dalàna loatra anefa ny mpitondra fivavahana jiosy, ka tsy afa-po tamin’ny Lalàna efa nomen’i Jehovah. Noferan’izy ireo ny halaviran-dalana azo naleha tamin’ny Sabata, anisan’izany ny lalana naleha rehefa handeha hivavaka. Somary noteren’izy ireo hanaraka an’io lalàna io mihitsy aza ny olona. Hoy ny rakipahalalana iray momba ny Baiboly sy ny fivavahana: ‘Tena mafy ny lalàna momba ny Sabata. Noferana ny halaviran-dalana azon’ny Israelita naleha. Nantsoina hoe lalana indray sabata ilay izy.’ Roa arivo hakiho io halaviran-dalana io, izany hoe iray kilaometatra eo ho eo.

[Sary, pejy 11]

Jerosalema tazana avy eny amin’ny tendrombohitra oliva