Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Mahalala ny Hoavy?

Iza no Mahalala ny Hoavy?

Iza no Mahalala ny Hoavy?

“Izaho no Andriamanitra ..., dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.”—Isaia 46:9, 10.

MISAFOTOFOTO be ny fiainana ankehitriny, ka mamakafaka ny tantara sy ny zava-misy ny mpandinika ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-tsosialy, mba hilazana izay hitranga amin’ny hoavy. Te hahalala mafy ny hoaviny koa ny olona sasany, ka mankany amin’ny mpanandro na mpisikidy. Diso fanantenana anefa izy ireny matetika. Tsy azo fantarina tokoa ve ny hoavin’ity tontolo ity, sy ny an’ny fianakaviantsika, ary ny antsika manokana? Tsy misy afaka mahalala ny hoavy tokoa ve?

Afaka milaza mialoha ny hoavy i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, araka ilay teny nampilazainy an’i Isaia mpaminany etsy ambony. Nolazain’Andriamanitra mialoha tamin’ny alalan’i Isaia, ny hampodiana ny Israelita fahiny avy tamin’ny fahababoana tany Babylona, sy ny hanorenan’izy ireo indray an’i Jerosalema sy ny tempoly. Nisy tsipiriany ve io faminaniana io? Marina ny nolazain’i Isaia, 200 taona mialoha, hoe Kyrosy no anaran’ilay handresy an’i Babylona. Tsy diso koa ny teniny momba ny tetika hampiasain’i Kyrosy, dia ny hampivily lalana ny Reniranon’i Eofrata izay niaro an’ilay tanàna. Efa voalazan’i Isaia hatramin’ny hoe havela hidanadana eo anoloan’i Kyrosy ny varavarana lehibe kopa-droa eo amin’ny mandan’ny tanàna, ary vao mainka hanamora ny fandreseny izany.—Isaia 44:24–45:7.

Tsy mahavita mamantatra ny hoavy toa an’Andriamanitra ny olona. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Tsy fantatrao izay havoaky ny andro tsirairay, ka aza mirehareha ny amin’ny ampitso.” (Ohabolana 27:1) Mbola marina foana izany! Na ny hoavin’ny tenany aza mantsy tsy fantatry ny olona. Tsy mba toy izany kosa Andriamanitra, fa tsy misy miafina aminy ny tsipiriany momba ny zava-drehetra noforoniny, anisan’izany ny maha izy ny olona sy ny faniriany. Mahavita mamantatra mialoha izay hataon’ny olona tsirairay na ny firenena manontolo Andriamanitra, raha te hanao izany. Tsy voafetra koa ny fahaizany ka vitany ny manova ny zava-mitranga mba hiafara araka izay itiavany azy. Rehefa lazainy mialoha amin’ny alalan’ny mpaminaniny izay hitranga, dia izy mihitsy no “manatanteraka ny tenin’ny mpanompony” sy “manatontosa an-tsakany sy an-davany ny hafatra ambaran’izay irahiny.” (Isaia 44:26) I Jehovah Andriamanitra irery ihany no tena mahavita an’izany.

Velona 700 taona talohan’i Jesosy i Isaia, nefa nilaza faminaniana momba ny Mesia, izay tanteraka tamin’i Jesosy. Tamin’ny taonjato faha-18 vao tena nokianin’ireo mpitsikera Baiboly ny bokin’i Isaia. Tsy tena faminaniana, hono, ny zavatra voalaza ao momba ny Mesia, fa efa nitranga ireny zavatra ireny vao nosoratana, ary olona tatỳ aoriana no nanoratra azy. Marina ve izany? Tamin’ny 1947, dia nisy dika mitovin’ny bokin’i Isaia hita niaraka tamin’ny horonam-boky tranainy hafa, tao amin’ny lava-bato iray teo akaikin’ny Ranomasina Maty. Milaza ny manam-pahaizana fa io dika mitovy io, dia vita zato taona mahery talohan’ny nahaterahan’ilay Mesia nambara mialoha, na Kristy. Nahavita nilaza ny hoavy tokoa ny Baiboly!

Tsy ny hakingan-tsain’i Isaia sy ny mpanoratra Baiboly hafa no nahavitan’izy ireo nilaza ny hoavy. ‘Avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’izy ireo, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ (2 Petera 1:21) Hifantoka amin’ny faminaniana sasany nolazain’i Isaia momba ny fiainan’i Jesosy isika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka. Hodinihintsika avy eo ny zavatra nolazain’i Jesosy sy ny mpianany fa hitranga amin’ny androntsika sy amin’ny hoavy.