Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana i Adama no Nanota Nefa Lavorary?

Nahoana i Adama no Nanota Nefa Lavorary?

Manontany ny Mpamaky

Nahoana i Adama no Nanota Nefa Lavorary?

Noforonin’Andriamanitra hanan-tsafidy i Adama, ka afaka nifidy ny hanota. Tsy misy ifandraisany amin’ny maha lavorary azy izany. Andriamanitra ihany, raha ny marina, no lavorary tanteraka, na tonga lafatra. (Deoteronomia 32:3, 4; Salamo 18:30; Marka 10:18) Manam-petra ihany ny fahalavorarian’ny olona sy ny anjely ary ny zavatra hafa. Indro misy ohatra: Mety tsara andidiana hena ny antsy. Azo lazaina hoe tonga lafatra izy amin’io lafiny io. Tsy hety mihitsy anefa raha hihinanana lasopy izy io. Azo lazaina hoe lavorary na tonga lafatra àry ny zavatra iray, raha mahavita izay nikasana azy.

Inona no fikasan’Andriamanitra tamin’ny namoronany an’i Adama? Tiany hanana taranaka marani-tsaina sy manan-tsafidy i Adama. Raha tia an’Andriamanitra sy ny lalany ireo taranak’i Adama, dia hifidy ny hankatò ny didiny. Hita amin’izany fa tsy voajanahary ao amin’ny olombelona ny fankatoavana an’Andriamanitra. Izy ireo ihany no mifidy ny hankatò na tsia. (Deoteronomia 10:12, 13; 30:19, 20) Raha noforonina ho tsy maintsy mankatò i Adama, dia tsy azo lazaina ho manan-tsafidy. Inona no safidy nataony? Milaza ny Baiboly fa nanaraka izay nataon’ny vadiny izy, ka nifidy ny tsy hankatò ny lalàn’Andriamanitra mahakasika ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 2:17; 3:1-6.

Nisy tsininy àry ve i Adama, rehefa noforonin’Andriamanitra? Tsy nahay nanavaka ny mety sy ny tsy mety ve izy, ka lasa tsy nahay nandray fanapahan-kevitra tsara, na koa tsy afaka nanohitra fakam-panahy? Nanao ahoana tokoa moa ny fahitan’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra noforoniny teto an-tany, talohan’ny nanotan’i Adama? Hitany fa “tena tsara” izany. (Genesisy 1:31) Rehefa nanota àry i Adama, dia fahadisoany tanteraka izany, fa tsy hoe nisy tsy nety ny namoronana azy. (Genesisy 3:17-19) Ho nifidy ny hankatò an’Andriamanitra izy, raha tena tia azy sy tena tia ny tsara.

Tadidio koa fa olona lavorary toa an’i Adama i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Ny fanahy masina mantsy no nahatonga an’i Maria ho bevohoka azy. Afaka nanohitra fakam-panahy anefa izy. (Lioka 1:30, 31; 2:21; 3:23, 38) Nifidy ny tsy hivadika tamin-dRainy izy, na dia niatrika ny fitsapana mafy indrindra aza. Tompon’andraikitra àry i Adama, rehefa nifidy ny tsy hankatò ny didin’i Jehovah.

Nahoana i Adama no nifidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra? Nino ve izy fa ho tsara kokoa ny fiainany raha mihinana amin’ilay voankazo izy? Tsia. Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tsy voafitaka i Adama.’ (1 Timoty 2:14) Naleony kosa nanaraka ny sitrapon’ny vadiny, izay efa nifidy ny hihinana tamin’ilay voankazo voarara. Nahery kokoa noho ny faniriany hankatò ny Mpamorona ny faniriany hampifaly ny vadiny. Rehefa nomen’ny vadiny azy ilay voankazo, dia tokony ho nieritreritra kely i Adama hoe hanao ahoana ny fifandraisany amin’Andriamanitra raha mihinana an’iny izy. Tsy tena lalina ny fitiavany an’Andriamanitra, ka lasa nanaiky lembenana izy.

Efa nanota i Adama vao nanan-janaka, ka tsy lavorary daholo ny taranany. Manan-tsafidy toa an’i Adama anefa isika. Enga anie isika ka hifidy ny hisaintsaina sy hankasitraka ny hatsaram-pon’i Jehovah, ary hiezaka ny ho tena tia azy, satria izy ihany no mendrika ny hankatoavintsika sy hivavahantsika.—Salamo 63:6; Matio 22:36, 37.