Nanampy Ahy tao Anatin’ny Sarotra ny Finoako
Nanampy Ahy tao Anatin’ny Sarotra ny Finoako
Notantarain’i Soledad Castillo
Efa imbetsaka aho no saika nanirery tanteraka teo amin’ny fiainako. Maty ny vady malalako, tamin’izaho 34 taona. Maty indray ny dadako rehefa afaka enim-bolana. Valo volana taorian’izay, dia nilazana aho fa voan’ny aretina tsy misy fanafany ilay zanako lahitokana.
SOLEDAD no anarako. “Manirery” no dikan’io anarako io, nefa mahagaga fa mbola tsy nanirery mihitsy aho. ‘Nitantana ahy’ tao anatin’ny sarotra mantsy i Jehovah Andriamanitra, ary ‘nanampy ahy tsy hatahotra.’ (Isaia 41:13) Tao anatin’ny sarotra aho nefa tafavoaka ihany. Aleo hotantaraiko hoe tamin’ny fomba ahoana, ary nahoana ireny olana ireny no nahatonga ahy ho akaiky an’i Jehovah.
Sambatra aho sady tsy dia nanana olana
Teraka tao Barcelone, eto Espaina aho, tamin’ny 3 Mey 1961. Izaho irery no naterak’i José sy Soledad, ray aman-dreniko. Nianatra Baiboly i Neny tamin’izaho sivy taona. Maro ny fanontaniana nanitikitika azy momba ny fivavahana, nefa tsy nanome fahafaham-po azy ny fiangonany. Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga anefa tao aminay, indray andro, ary novaliany avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontanian’i Neny. May erỳ i Neny hianatra Baiboly.
Tsy ela i Neny dia lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, ary toy izany koa i Dada, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Eliana no anaran’ilay Vavolombelona nampianatra Baiboly an’i Neny. Hitan’i Eliana fa tena tia ny Tenin’Andriamanitra aho. Mbola kely aho, nefa nilaza izy fa tokony hampianarina Baiboly mitokana aho. Nanampy ahy izy, ary i Neny koa nandrisika ahy, ka natao batisa aho tamin’izaho 13 taona.
Nivavaka matetika tamin’i Jehovah aho tamin’izaho mbola zatovo, indrindra rehefa handray fanapahan-kevitra. Tsy dia nanana olana aloha aho tamin’izany e! Nana-namana betsaka aho teo anivon’ny fiangonana, ary nifankatia be izahay telo mianaka. Nanambady an’i Felipe aho tamin’ny 1982. Vavolombelona koa izy, sady nitovy ny tanjonay teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Nobeazinay ho tia an’i Jehovah ny zanakay
Niteraka lahikely mahafatifaty izahay, dimy taona tatỳ aoriana. Nataonay hoe Saúl ny anarany. Faly erỳ izahay mivady nanan-janaka. Nanantena izahay fa ho salama sy ho mato-tsaina ary ho tia an’Andriamanitra izy. Nanokana fotoana betsaka niarahana taminy izahay mivady, ka niresaka taminy momba an’i Jehovah, niara-nisakafo, nitondra azy nitsangantsangana, ary niara-nilalao taminy. Tian’i Saúl ny
nitory sy nampianatra Baiboly niaraka tamin’i Felipe. Mbola kely i Saúl dia efa nasainy nandray anjara teny am-pitoriana, ka nampianariny hanindry ireo bokotra ampanenoana eny am-bavahady sy hanolotra taratasy mivalona.Nisy vokany tsara teo amin’i Saúl ny fitaizanay sy ny fitiavanay azy. Niara-nitory taminay foana izy rehefa feno enin-taona. Tiany erỳ ny mihaino tantara ao amin’ny Baiboly, ary tsy andriny ny hanaovanay fianaram-pianakaviana. Taoriana kelin’ny nidirany nianatra, dia nanomboka nandray fanapahan-kevitra madinika izy, araka izay fahalalany ny Baiboly.
Niova tanteraka anefa ny fiainanay tamin’i Saúl fito taona. Narary havokavoka i Felipe, ary niady mafy tamin’ilay aretina nandritra ny herintaona latsaka kely. Tsy afa-niasa izy ary matetika no nandamaka teo am-pandriana. Maty i Felipe tamin’izy 36 taona.
Mbola mitomany aho isaky ny mahatsiaro an’iny fotoan-tsarotra iny. Hitako fa nikiky azy tsikelikely ilay aretina nefa tsy nisy azoko natao. Niezaka nampahery azy foana aho, na dia tsapako aza tao anatiko tao fa efa mihamirodana ilay fanantenako sy nofinofiko momba ny fiainanay mianakavy kely. Namaky boky sy gazety ara-baiboly taminy aho, ary nampahery anay izany rehefa tsy afaka nanatrika fivoriana kristianina izahay. Tena tsaroako banga ny fiainako rehefa maty izy.
Nanampy ahy anefa i Jehovah. Nangataka ny fanahiny foana aho. Nisaotra Azy aho satria sambatra izahay sy Felipe nandritra ny taona maro nivadianay, sady manantena hahita azy indray aho rehefa hatsangana ny maty. Niangavy an’Andriamanitra aho mba hanampy ahy ho faly rehefa mahatsiaro an’ireo fotoana niarahanay mivady. Nivavaka koa aho mba hahazo fahendrena hitaizako ny zanakay ho lasa tena Kristianina. Mangidy ny nahazo ahy, nefa tsapako fa nahazo fampiononana aho.
Tena nanohana ahy koa i Dada sy Neny, mbamin’ireo iray fiangonana taminay. Tsy maintsy izaho anefa no nampianatra Baiboly an’i Saúl sy nanoro lalana azy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanolotra asa birao ho ahy ilay mpampiasa ahy taloha, saingy naleoko nanao asa fanadiovana. Amin’izay dia hanam-potoana betsaka hiarahana amin’i Saúl aho, ary mba ho eo rehefa mirava avy mianatra izy.
Hoy ny Baiboly: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6) Nanampy ahy io andinin-teny io hahatakatra fa zava-dehibe ny hanazarana an’i Saúl ho tia an’i Jehovah. Nanome toky ahy koa io andininy io fa hitahy ny ezaka ataoko i Jehovah raha manao araka izay fara heriko aho mba hanampiana an’i Saúl hihevitra hoe sarobidy ny tari-dalan’i Jehovah. Marina fa nisy zavatra tsy maintsy nafoiko, kanefa tsy maintsy nanokana fotoana ho an-janako aho, ary izany no zava-dehibe tamiko, fa tsy ny vola aman-karena.
Maty i Dada tamin’i Saúl 14 taona. Voadona mafy i Saúl, satria nitamberina indray ny
alahelo rehetra tsapany tamin’ny rainy maty. Modely tsara i Dada satria tia an’i Jehovah. Nanapa-kevitra i Saúl taorian’izay fa tsy maintsy raisiny ho adidy ny fikarakarana ny reniny sy ny renibeny, satria izy irery no “lehilahy” tao amin’ny fianakaviana.Voan’ny kanseran’ny ra
Nasain’ny dokoteranay nentina tany amin’ny hopitaly i Saúl, valo volana taorian’ny nahafatesan’i Dada. Vizana be foana mantsy izy. Nilaza ny dokotera taorian’ny fitiliana maromaro natao fa voan’ny kanseran’ny ra i Saúl. *
Sasatry ny niditra hopitaly i Saúl nandritra ny roa taona sy tapany. Niady mafy tamin’ilay kansera izy sady tsy maintsy nanaraka fitsaboana simika. Netinety kely izy nandritra ny herintaona sy tapany, taorian’ny enim-bolana voalohany nitsaboana azy. Niverina indray anefa ilay kansera, ary nanaraka fitsaboana simika indray izy, ka reraka be. Tsaratsara kely izy avy eo, saingy vetivety ihany izany. Tsy ho zakany intsony ny fitsaboana simika fanintelony. Nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy, ary nilaza fa te hatao batisa mba ho Vavolombelon’i Jehovah. Maty anefa izy taoriana kelin’ny faha-17 taonany.
Mampirisika ny hanaovana fampidiran-dra ny dokotera, matetika, satria mahery be ny fitsaboana simika. Mazava ho azy fa tsy hanasitrana an’ilay aretina izany. Raha vao nampahafantarin’ny dokotera anay hoe voan’ny kanseran’ny ra i Saúl, dia tsy maintsy nohazavainay tsara fa tsy manaiky hampidiran-dra izahay, satria te hankatò ilay lalàn’i Jehovah hoe: ‘Fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:19, 20) Imbetsaka i Saúl no tsy maintsy nanazava irery tamin’ny dokotera fa fanapahan-keviny ilay izy. (Jereo ny efajoro, pejy 31.)
Niaiky ny dokotera tamin’ny farany fa efa matotra i Saúl, na dia mbola tsy ampy taona aza, sady mahalala tsara an’ilay aretiny. Nanaiky hanaja ny safidinay ireo dokotera ka fitsaboana tsy nampiasana ra no nataony tamin’i Saúl. Noterena an-kolaka hiova hevitra foana anefa izahay. Nirehareha erỳ aho nandre an’i Saúl nanazava ny heviny tamin’ireo dokotera. Hita mihitsy hoe akaiky an’i Jehovah izy.
Nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natrehinay tao Barcelone ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah, rehefa nilazana momba ny aretin’i Saúl izahay. Toy ny vatofantsika io boky sarobidy io taminay, satria nanampy anay hijoro tsara na dia tsy azo antoka sy nampanahy aza ny hoavy. Niara-namaky azy io izahay mianaka, tany amin’ny hopitaly. Matetika no nitamberina tao an-tsainay ny fanazavana tao rehefa nandia fotoan-tsarotra izahay tatỳ aoriana. Toy ny hoe nosoratana ho anay mihitsy ilay voalazan’ny Isaia 41:13, eo amin’ny sasin-tenin’ilay boky. Izao no lazain’io andinin-teny io: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”
Nanohina ny fon’ny hafa ny finoan’i Saúl
Matotra sy matanja-tsaina i Saúl, ka tena nahavariana an’ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy tao amin’ny Hopitaly Vall d’Hebrón. Tia azy daholo ny mpiasan’ny hopitaly nikarakara azy. Nanomboka tamin’izay, dia nanjary nitsabo ankizy Vavolombelona voan’ny kanseran’ny ra ilay dokotera lehiben’ny fitsaboana kansera, ary nohajainy tsara ireo ankizy ireo. Tadidin’io dokotera io fa nandray fanapahan-kevitra hentitra i Saúl mba hiarovana ny finoany, ary be herim-po izy na dia efa ho faty aza, sady falifaly foana. Nilaza ireo mpitsabo mpanampy
fa i Saúl no marary nahafinaritra an-dry zareo indrindra. Tsy mba mitaraina izy, hoy izy ireo, ary tia vazivazy foana na dia efa ho faty aza.Nilaza tamiko ny manam-pahaizana iray momba ny saina fa mora mikomy amin’ny dokotera sy ny ray aman-dreny ny ankizy maro rehefa akaiky hahafaty azy ny aretiny. Tsy mahazo aina sy kivy mantsy izy ireny. Tsikaritr’io manam-pahaizana io anefa fa hafa mihitsy i Saúl. Gaga izy fa tony sy tsy mba kivikivy i Saúl. Afaka nitory taminy izahay sy Saúl noho izany.
Tsaroako koa fa nanampy Vavolombelona iray teo anivon’ny fiangonanay i Saúl, na dia tsy nivantana aza no nanaovany izany. Ketraka mafy io anadahy io nandritra ny enin-taona teo ho eo, ary tsy nihatsara ilay izy na dia nitsabo tena aza izy. Imbetsaka izy no niambina an’i Saúl tany amin’ny hopitaly tamin’ny alina. Nolazain’io anadahy io tamiko fa tena nanohina ny fony ny toe-tsain’i Saúl, na dia teo aza ilay kansera nahazo azy. Hitany fa niezaka nampahery an’izay rehetra tonga nitsidika azy izy, na dia reraka be aza. Hoy ilay anadahy: “Nanome ahy herim-po hiadiana amin’ny hakiviana lalina ny ohatra navelan’i Saúl.”
Efa telo taona izay no nahafatesan’i Saúl. Mbola malahelo foana aho. Tsy matanjaka aho nefa omen’Andriamanitra “hery fanampiny.” (2 Korintianina 4:7) Nianarako fa mety hisy lafy tsarany na dia ny fotoan-tsarotra sy ny fahoriana mangidy aza. Nanampy ahy hihevitra izay hahasoa ny hafa ny nahafatesan’ny vadiko sy ny dadako ary ny zanako, sady nanampy ahy hahatsapa kokoa ny fahorian’ireo mijaly. Ambonin’izany rehetra izany, dia nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany. Tsy matahotra ny hoavy aho satria manampy ahy foana ilay Raiko any an-danitra. Mbola tantanany aho hatramin’izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 19 Tena ratsy io kanseran’ny ra nahazo an’i Saúl io satria potehiny ny liofotsy.
[Efajoro/Sary, pejy 31]
EFA MBA NOERITRERETINAO VE IZAO:
Mety ho efa renao hoe tsy manaiky hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa mba noeritreretinao ve ny antony?
Antony araka ny Soratra Masina ilay izy, ary matetika izany no adika vilana. Mihevitra ny olona indraindray fa lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsaboana rehetra, na tsy asiany vidiny ny ainy. Tsy marina anefa izany. Mitady izay fitsaboana tsara indrindra ho an’ny tenany sy ny fianakaviany ny Vavolombelon’i Jehovah. Izay fitsaboana tsy ampiasana ra anefa no tadiavin’izy ireo. Nahoana?
Lalàna nomen’Andriamanitra ny olombelona no mahatonga azy ireo hanao izany. Nomen’Andriamanitra alalana hihinan-kena i Noa sy ny fianakaviany, taoriana kelin’ny Safodrano. Tsy navelan’Andriamanitra hihinana ra anefa izy ireo. (Genesisy 9:3, 4) Taranak’i Noa ny olombelona rehetra ka mihatra amin’ny olona rehetra io didy io. Tsy nofoanana mihitsy io lalàna io. Nohamafisin’Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Israely io lalàna io, 800 taona mahery tatỳ aoriana. Nohazavainy fa masina ny ra, satria izy io no aina. (Levitikosy 17:14) Maherin’ny 1 500 taona taorian’izay, dia nandidy ny Kristianina rehetra ny apostoly mba ‘hifady ny ra.’—Asan’ny Apostoly 15:29.
Mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy mifady ra izy ireo raha ampidiran-dra. Fitsaboana tsy ampiasana ra ihany àry no ekeny. Matetika izany fankatoavany ny Soratra Masina izany no mahatonga azy hahazo fitsaboana tsara kokoa. Tsy mahagaga raha mangataka fitsaboana tsy ampiasana ra koa ny olona maro tsy Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 29]
Izahay telo mianaka
[Sary, pejy 29]
José sy Soledad, ray aman-dreniko
[Sary, pejy 30]
Saúl, iray volana talohan’ny nahafatesany