Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ranomaso ao Anaty Siny Hoditra

Ranomaso ao Anaty Siny Hoditra

Ranomaso ao Anaty Siny Hoditra

NANDOSITRA ilay tovolahy vonton’alahelo sy ory, ary nirotsaka ny ranomasony. Niangavy an’i Jehovah Andriamaniny izy mba ho tsara fanahy aminy sy hangoraka azy. Hoy izy: “Ataovy ao anaty sininao [“siny hoditra”, fanamarihana ambany pejy] ny ranomasoko.” (Salamo 56:8) I Davida, izay lasa mpanjakan’ny Israely, io tovolahy io. Inona ilay siny hoditra noresahiny? Ahoana no anaovan’Andriamanitra ny ranomasontsika ao anatin’izy io?

Fantatr’i Davida tsara ny siny hoditra. Fasiana rano, menaka, divay, na dibera izy io. Mbola mampiasa siny hoditra ny mpifindrafindra monina any Sahara, toa an’ireo Touareg. Osy na ondry iray manontolo no nakana ilay hoditra. Mahalany rano be dia be ilay siny, arakaraka ny haben’ilay biby. Malaza ho mangatsiatsiaka foana ny rano ao anaty siny hoditra, na dia mafana be aza any an-tany efitra. Ampondra na rameva no mpitondra azy ireny taloha. Mety mbola hahita azy ireny mifatotra eo aloha amin’ny fiara tsy mataho-dalana ianao, ankehitriny!

Mahasoa antsika koa ilay teny mampihetsi-po nolazain’i Davida momba ny siny hoditra. Nahoana? Hazavain’ny Baiboly fa i Satana no mifehy an’ity tontolo ity, ary “tezitra mafy” izy izao. Misy loza mahatsiravina eto an-tany, noho izany. (Apokalypsy 12:12) Maro àry ankehitriny no ory sy miady saina ary mijaly toa an’i Davida, indrindra fa ireo miezaka hampifaly an’Andriamanitra. Izany ve no manjo anao? Misikina herim-po ireny olona ireny, ary miezaka foana ny tsy hivadika, na dia “manao izany amin-dranomaso” aza. (Salamo 126:6) Afaka matoky izy ireny fa hitan’ilay Rainy any an-danitra ny fitsapana manjo azy sy ny vokatr’izany eo amin’ny fihetseham-pony. Fantany tsara ny fahorian’ny mpanompony, ary be fangorahana izy ka tadidiny ny ranomason’izy ireo sy ny fahoriany. Toy ny hoe tehiriziny ao anaty siny hoditra ireny ranomaso ireny.