Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

“Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

INONA no tokony hataon’ny ray, mba tsy hampahatezitra ny zanany? Tsy maintsy ekeny fa zava-dehibe ny andraikitry ny ray. Hoy ny gazety iray momba ny fahasalamana ara-tsaina: “Sarotra sy miavaka ny andraikitry ny ray, ary misy vokany lehibe eo amin’ny fivoaran’ny sain’ny ankizy sy ny fihetseham-pony.”

Inona no andraikitry ny ray? Mpanasazy no tena iheverana ny ray, ao amin’ny fianakaviana maro. Fanaon’ny renim-pianakaviana ny miteny toy izao rehefa maditra ny zanany: ‘Ho hitanao tsara izany rehefa tonga eo dadanao!’ Marina fa tokony ho hentitra ihany ny raim-pianakaviana, ka hananatra sy hanasazy ny zanany araka ny antonony raha tiany ho lasa olon-dehibe mahay miatrika ny fiainana izy ireo. Tsy izany ihany anefa no takina amin’ny ray mahay mitaiza.

Mampalahelo fa raim-pianakaviana maro no tsy mba nahita ohatra tsara hotahafina. Notezain-dreniny irery ny lehilahy sasany. Ao koa ireo notezain’ny ray masiaka be sy hentitra loatra, ka manao toy izany amin’ny zanany. Inona no azon’ny ray atao mba tsy hamerenany intsony an’izany fomba nitaizana azy izany, ka ho lasa ray mahay mitaiza kokoa?

Misy torohevitra tsara sy azo itokisana ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana ny ray hahay hitaiza ny zanany. Ao no misy ny torohevitra tsara indrindra ho an’ny fianakaviana. Tsy resa-be fotsiny ny toroheviny, ary tsy manimba antsika mihitsy ny tari-dalany. Hita avy amin’ny torohevitry ny Baiboly fa hendry i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra azy io sady Mpamorona ny fianakaviana. (Efesianina 3:14, 15) Raha raim-pianakaviana ianao, dia diniho izay lazain’ny Baiboly momba ny fitaizana. *

Ho salama ny zanakao, ary hilamina ny sainy sy ny fony, raha mahay mitaiza ianao. Tsy izay ihany anefa fa hifandray tsara amin’Andriamanitra koa izy. Raha manan-dray be fitiavana sy mifandray am-po aminy ny ankizy, dia ho mora kokoa aminy ny mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly mantsy fa toy ny Raintsika i Jehovah Mpamorona antsika. (Isaia 64:8) Misy zavatra enina ilain’ny ankizy avy amin’ny rainy. Hodinihintsika ny tsirairay amin’ireo, ary ho hitantsika fa ho afaka hanome ireo zavatra ilaina ireo ny raim-pianakaviana, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

1 Mila ny fitiavan-drainy ny ankizy

I Jehovah no Ray fakan-tahaka indrindra. Milaza ny fifandraisan’Andriamanitra amin’i Jesosy, Zanany lahimatoa ny Baiboly. Izao no voalaza ao: “Ny Ray tia ny Zanaka.” (Jaona 3:35; Kolosianina 1:15) Imbetsaka i Jehovah no nampiseho fa tiany sy nankasitrahany io Zanany io. Rehefa natao batisa i Jesosy, dia niteny avy tany an-danitra i Jehovah hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” (Lioka 3:22) Natoky tanteraka i Jesosy fa tia azy ny Rainy. Tsy nisalasala ny amin’izany mihitsy izy. Inona no azon’ny ray ianarana avy amin’ny modelin’Andriamanitra?

Aza misalasala mihitsy milaza amin’ny zanakao fa tia azy ianao. Hoy i Kelvin, manan-janaka dimy: “Nezahiko naseho foana tamin’ny zanako fa tiako izy ireo, tsy tamin’ny teny fotsiny, fa niahy azy ireo tsirairay koa aho. Mba nanolo tantin-jaza sy nampandro azy ireo koa aho.” Ilain’ny ankizy koa ny mahafantatra hoe mankasitraka azy ianao. Aza be fanakianana àry, na manitsy azy ireo foana. Aoka kosa ianao hazoto hidera azy. Manoro hevitra toy izao i Donizete, manan-janaka vavy 14 taona sy 16 taona: “Tokony hiezaka mafy ny ray mba hitady fomba hiderana ny zanany.” Hahatsiaro tena ho misy vidiny ny zanakao rehefa fantany fa mankasitraka azy ianao. Hanampy azy ireo hanatona kokoa an’Andriamanitra izany.

2 Mila ohatra tsara ny ankizy

Milaza ny Jaona 5:19, fa ‘izay hitan’i Jesosy ataon’ny Ray ihany no ataony.’ Mariho ilay hoe nahita izay ‘nataon’ny’ Rainy i Jesosy, ary nanao toy izany. Izany matetika no ataon’ny ankizy. Raha toa ny raim-pianakaviana ka manaja sy manisy vidiny ny vadiny, dia lasa manaja sy manisy vidiny ny vehivavy koa ny zanany lahy rehefa lehibe. Tsy eo amin’ny zanakalahy ihany no manan-kery ny ohatry ny ray. Mety hisy heriny eo amin’ny fiheveran’ny zanakavavy ny lehilahy koa ny ohatry ny rainy.

Sarotra amin’ny zanakao ve ny miala tsiny? Mbola zava-dehibe koa, amin’izay, ny ohatra tsara. Tsaroan’i Kelvin fa nanimba fakan-tsary tena lafo vidy ny zanany roa lahy, indray mandeha. Tena tezitra izy, ary nodoniny mafy ny latabatra ka nizara roa. Nanenina anefa izy avy eo, ka niala tsiny tamin’ny rehetra, anisan’izany ny vadiny, noho izy tsy nahatana ny hatezerany. Mino izy fa nisy vokany tsara teo amin’ny zanany ny fialan-tsiny nataony, satria tsy sarotra amin’izy ireo izao ny miala tsiny.

3 Mila rivo-piainana mahafinaritra ny ankizy

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Tsy mahagaga àry raha nahafaly an’i Jesosy ny niaraka tamin-dRainy. Asehon’ny Ohabolana 8:30 ny fifandraisana nisy teo aminy sy ny Rainy. Izao no voalaza ao: “Mpiasa tena mahay teo anilan[’ny Ray] aho ... Falifaly foana aho teo anatrehany.” Hita taratra amin’izany fa nifandray tsara izy mianaka!

Mila rivo-piainana falifaly ny zanakao. Hisy izany raha maka fotoana hiaraha-milalao amin’izy ireo ianao. Anisan’ny mampiraiki-po ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fiaraha-milalao. Manaiky izany i Felix, izay manan-janakalahy tanora. Hoy izy: “Manokana fotoana hiarahana miala voly amin’ny zanako lahy aho, satria tena ilaina amin’ny fifandraisanay izany. Miara-milalao izahay, miara-mifaly amin’ny namana, ary mitsidika toerana mahafinaritra. Nanamafy ny fifandraisanay mianakavy izany.”

4 Mila ampianarina momba an’Andriamanitra ny ankizy

Nampianarin’ny Rainy i Jesosy. Afaka nilaza àry izy hoe: “Izay efa reko tamin[’ny Ray] no lazaiko amin’izao tontolo izao.” (Jaona 8:26) Eo imason’Andriamanitra, dia ny raim-pianakaviana no tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny zanany momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana. Anisan’ny andraikiny ny mandentika ireo toro lalana marina ao am-pon’ny zanany. Tokony hatomboka izany dieny mbola kely ny ankizy. (2 Timoty 3:14, 15) Nanomboka namakian’i Felix tantara ao amin’ny Baiboly ny zanany lahy raha mbola kely. Nampiasainy ireo tantara misy tsipiriany mahaliana toy izay hita ao amin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Rehefa nihalehibe ilay zanany, dia boky ara-baiboly hafa nifanentana tamin’ny taonany no nofidin’i Felix.

Hoy i Donizete: “Tena tsy mora ny manao izay hahatonga ny fianaram-pianakaviana ho mahafinaritra. Tokony hasehon’ny ray aman-dreny fa tia zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo. Tonga dia voamariky ny ankizy mantsy raha tsy manao an’izay ampianariny ny ray aman-dreny.” Hoy i Carlos, manan-janaka telo lahy: “Nifamory izahay isan-kerinandro mba handinihana izay ilain’ny fianakavianay. Samy afaka nifidy izay hodinihina ny mpianakavy tsirairay.” Niezaka foana i Kelvin mba hiresaka momba an’Andriamanitra tamin’ny zanany, na taiza na taiza nisy azy ireo, ary na inona na inona nataony. Mampahatsiahy antsika an’izao tenin’i Mosesy izao izany: “Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:6, 7.

5 Mila fananarana sy famaizana ny ankizy

Mila fananarana sy famaizana ny ankizy mba ho lasa olon-dehibe mazoto miasa sy mahay mandray andraikitra. Misy ray aman-dreny mihevitra fa anisan’ny fanitsiana ny ankizy, ny fitondrana azy amin’ny fomba henjana sy ny fandrahonana azy ary ny fanesoana azy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tsy maintsy masiaka ny ray aman-dreny rehefa manitsy ny zanany. Tokony hanitsy amim-pitiavana toy ny ataon’i Jehovah kosa izy ireo. (Hebreo 12:4-11) Hoy ny Baiboly: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

Mety hilaina, indraindray, ny manasazy. Tokony ho takatr’ilay ankizy anefa ny antony anasaziana azy. Tsy tokony hahatonga azy hihevi-tena ho tsy tiana intsony, ny famaizan’ny ray aman-dreny. Tsy ankasitrahan’ny Baiboly ny kapoka mafy loatra, izay mety handratra ilay zaza. (Ohabolana 16:32) Hoy i Kelvin: “Rehefa misy raharaha lehibe tsy maintsy anitsiako ny zanako, dia iezahako hazavaina foana hoe tiako izy ireo matoa ahitsiko.”

6 Mila harovana ny ankizy

Mila harovana amin’ny fitaoman-dratsy sy amin’ny naman-dratsy ny ankizy. Mampalahelo fa misy “ratsy fanahy” tapa-kevitra ny hanararaotra ny ankizy tsy manan-tsiny, eto amin’ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1-5, 13) Ahoana no azonao iarovana ny zanakao? Manome an’izao torohevitra feno fahendrena izao ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Tsy maintsy mailo ianao, raha te hiaro ny zanakao amin’ny loza. Eritrereto mialoha ireo toe-javatra mety hiteraka olana, ary mandraisa fepetra mifanaraka amin’izany. Raha avelanao hampiasa Internet, ohatra, ny zanakao, dia aoka ho azonao antoka fa hainy ny miaro tena amin’ireo loza entin’izany. Mety ho tsara kokoa raha hatao eo amin’ny toerana talaky maso ny ordinatera, mba hahafahanao manara-maso an’izay mampiasa azy.

Ilain’ny raim-pianakaviana omanina sy ampiofanina ny zanany mba hiatrika ireo loza eto amin’ity tontolo mpanararaotra ankizy ity. Fantatry ny zanakao ve ny tokony hataony, rehefa tsy eo ianao, ka misy olona mitady hametaveta azy? * Tokony ho fantatry ny zanakao ny fomba mety sy tsy mety ampiasana ny filahiany sy ny fivaviany. Hoy ihany i Kelvin: “Tsy misy olon-kafa andrasako hanao izany fampiofanana izany, na dia ny mpampianatra aza. Amiko, dia andraikitro manokana ny mampianatra ny zanako momba ny firaisana sy ny loza entin’ireo mpametaveta ankizy.” Voaro tsara ny zanany rehetra mandra-pahalehibeny, ary sambatra am-panambadiana izy ireo izao.

Tadiavo ny fanampian’Andriamanitra

Ny fanomezana tsara indrindra azon’ny ray omena ny zanany, dia ny fanampiany azy ireo hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny ohatry ny ray. Hoy i Donizete: “Mila asehon’ny raim-pianakaviana fa tena sarobidy aminy ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tokony ho hita tsara izany, indrindra fa rehefa misy olana na fahasahiranana. Amin’ny fotoana toy ireny no ampisehoan’ny raim-pianakaviana fa tena matoky an’i Jehovah tokoa izy. Raha averimberina ao amin’ny vavaka iarahan’ny fianakaviana ny teny fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny hatsaran-toetrany, dia ho fantatry ny ankizy fa zava-dehibe ny manana an’Andriamanitra ho Namana.”

Inona àry no ilain’ny ray atao mba hanatontosany tsara ny andraikiny? Mila maka torohevitra any amin’i Jehovah Andriamanitra izy. Izy mantsy no tena mahafantatra ny fomba tokony hitaizana ny ankizy. Raha manaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra ianao rehefa mitaiza ny zanakao, dia ho hitanao tokoa ny fahamarinan’ny Ohabolana 22:6 hoe: “Na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Torohevitry ny Baiboly momba ny andraikitry ny ray no tena resahin’ity lahatsoratra ity. Mihatra amin’ny reny koa anefa ny ankamaroan’ireo toro lalana ireo.

^ feh. 18 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 25 Jereo ny Mifohaza! Oktobra 2007, pejy 3-11, manazava ny fomba iarovana ny zanaka amin’ny fametavetana. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io gazety io.

[Sary, pejy 19]

Tokony ho ohatra tsara ho an’ny zanany ny ray

[Sary, pejy 20]

Tokony hanome izay ilain’ny zanany eo amin’ny lafiny ara-panahy ny ray

[Sary, pejy 21]

Mila anarina amim-pitiavana ny ankizy