Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Efa Nialona ve Ianao? Nialona An’i Josefa ny Rahalahiny

Efa Nialona ve Ianao? Nialona An’i Josefa ny Rahalahiny

ANDEHA hojerentsika ny atao hoe mialona. Nanjary tsy azoazonao ve ny olona iray, satria nisy nilaza fa mahafinaritra, tsara tarehy, na kinga saina izy?... a Izany no mety hitranga raha mialona ianao.

Mety hialona ny ankizy raha iangaran’ny ray aman-dreniny ny iray tam-po aminy. Misy tantara mampiseho izany ao amin’ny Baiboly. Niteraka olana lehibe ny fialonana, teo anivon’ny fianakaviana iray. Andeha hodinihintsika izay nitranga, sy ny lesona azontsika raisina.

Zanakalahin’i Jakoba faha-11 i Josefa. Nialona azy ny rahalahiny hafa reny. Fantatrao ve hoe nahoana?... Satria tian’i Jakoba kokoa izy, ka nomeny akanjo lava tsara tarehy mitsipitsipika. “Zanaky ny fahanterany” mantsy i Josefa, sady zanany voalohany tamin’i Rahely vady malalany.

Mitantara ny Baiboly fa ‘rehefa hitan’ny rahalahiny hoe i Josefa no tian-drainy indrindra, dia nankahala azy izy ireo.’ Nilaza tamin’ny fianakaviany i Josefa, indray andro, fa nanonofy, hono, izy hoe niankohoka teo anatrehany izy rehetra, anisan’izany ny rainy. Nanjary “nialona azy ny rahalahiny” noho izany, ary na ny rainy aza nibedy azy.—Genesisy 37:1-11.

Nirahin’i Jakoba hijery ny rahalahiny i Josefa, tatỳ aoriana, tamin’izy 17 taona. Niandry ny ondry aman’osy tany amin’ny toerana lavitra mantsy izy ireo, ka tian’i Jakoba ho fantatra hoe nanao ahoana. Fantatrao ve hoe inona no tian’ny rahalahin’i Josefa hatao taminy, rehefa nahita azy izy ireo?... Naniry hamono azy izy rehetra, afa-tsy i Robena sy Joda.

Rehefa nandalo ny mpivarotra ho any Ejipta, dia hoy i Joda: ‘Andao hamidintsika izy.’ Izany tokoa no nataon’izy ireo. Namono osy ry zareo, avy eo, ary natsobony tao amin’ny ran’izy io ny akanjon’i Josefa. Nasehon’izy ireo an-drainy ilay akanjo, ka hoy i Jakoba: “Tena notafihin’ny bibidia masiaka i Josefa!”—Genesisy 37:12-36.

Lasa tian’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Josefa, tatỳ aoriana. Nanonofy mantsy i Farao, ary nahavita nanazava ny hevitr’izany i Josefa, noho ny fanampian’Andriamanitra. Nahita ombivavy fito dongadonga narahin’ny ombivavy fito mahia i Farao, tao amin’ilay nofy. Nahita salohim-barimbazaha fito tsara sy salohim-barimbazaha fito maivam-boa koa izy. Nohazavain’i Josefa ny dikan’ireo nofy ireo. Hamokatra be mandritra ny fito taona ny tany, hoy izy, ary hisy mosary haharitra fito taona aorian’izay. Notendren’i Farao hiandraikitra ny fanangonam-bokatra nandritra ireo fito taona namokatra be àry i Josefa, mba hiomanana ho amin’ilay mosary.

Tsy nanan-kohanina ny fianakavian’i Josefa, izay nonina lavitra an’i Ejipta, rehefa tonga ny mosary. Nirahin’i Jakoba hitady sakafo tany Ejipta àry ny zokin’i Josefa folo mirahalahy. Tonga teo anatrehan’i Josefa izy ireo, nefa tsy nahafantatra azy. I Josefa koa tsy nampahafantatra ny tenany. Nitsapa an’ireo rahalahiny izy, ary hitany fa tena nanenina tamin’ny nataony izy ireo. Nampahafantatra ny tenany izy, avy eo, ka faly be izy rehetra ary nifamihina!—Genesisy toko 40 ka hatramin’ny 45.

Inona no ianarantsika momba ny fialonana, avy amin’io tantara io?... Mety hiteraka olana lehibe ny fialonana. Mety hahatonga ny olona iray haniry hamono ny rahalahiny mihitsy izany! Andeha hovakintsika ny Asan’ny Apostoly 5:17, 18 sy ny 7:54-59, mba hahitantsika izay nataon’ny olona tamin’ny mpianatr’i Jesosy noho ny fialonana... Hitanao ve hoe nahoana isika no tsy tokony hialona?...

Efa 110 taona i Josefa vao maty. Nanan-janaka sy zafikely ary zafiafy izy. Azontsika antoka fa nampianatra azy ireo foana i Josefa hoe tokony hifankatia izy ireo fa tsy hifampialona.—Genesisy 50:22, 23, 26.

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.