Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Tia Rariny

Ilay Tia Rariny

Manatòna An’Andriamanitra

Ilay Tia Rariny

Hebreo 10:26-31

EFA niharan’ny tsy rariny ve ianao na nisy nampijaly, nefa toa afa-maina foana ilay olona, ary tsy mba manenina akory? Tena mafy ny miaritra zavatra toy izany, indrindra raha olona nantenainao ho tia sy hikarakara anao no nahavita ilay izy. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny zavatra toy ireny?’ * Tadidio fa halan’i Jehovah Andriamanitra ny tsy rariny. Manome toky antsika ny Baiboly fa hofaiziny izay manao ratsy nefa tsy mety miova. Andeha hodinihintsika ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 10:26-31.

Hoy i Paoly: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony.” (Andininy 26) Ireo minia manota àry no tena mendrika hofaizina. Nahoana? Voalohany, tsy indray mandeha ihany izy no manao fahadisoana, ary tsy hoe sendra resin’ny fakam-panahy. Izany mantsy indraindray no mahazo antsika rehetra, satria tsy lavorary isika. Efa zatra manota kosa ilay olona. Faharoa, manao fanahy iniana izy. Ny hanao ratsy no masaka ao an-tsainy. Fahatelo, fantany tsara ny zavatra tsy tian’Andriamanitra, satria mahalala “marina tsara” ny fitsipiny izy.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireny olona ratsy fanahy tsy mety miova ireny? Hoy i Paoly: “Tsy misy sorona noho ny ota intsony.” Manota isika satria tsy lavorary. Nomen’Andriamanitra ho sorona ho antsika àry i Kristy, mba hamonjena antsika amin’ny ota. (1 Jaona 2:1, 2) Tsy miraharaha an’io fanomezana sarobidy io anefa ireo mpanao ratsy tsy mety miova. Ahoana àry no fahitan’Andriamanitra azy ireo? ‘Manitsaka ny Zanany’ izy ireo, ary mihevitra fa ‘tsy dia manao ahoana ny rany.’ (Andininy 29) Hita amin’ny ataony fa manao tsinontsinona an’i Jesosy izy. “Tsy dia manao ahoana” koa ny ran’i Jesosy aminy, fa toy ny an’ny olombelona tsy lavorary ihany. Tsy handray soa avy amin’ny soron’i Kristy ny olona tsy mahay mankasitraka toy izany.

Inona no hanjo azy ireny? Nampanantena ilay Andriamanitra tia rariny hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly.” (Andininy 30) Tsy ho afa-maina àry izay minia tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Tokony hitadidy izany ny olona tia mampijaly ny hafa. Matetika izy ireo no mizaka ny vokatry ny ataony. (Galatianina 6:7) Ary ahoana raha mbola afa-maina izy izao? Tsy ho ela dia hanaisotra ny tsy rariny eto an-tany Andriamanitra, ka tsy maintsy hitsara azy. (Ohabolana 2:21, 22) Nampitandrina i Paoly hoe: “Zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.”—Andininy 31.

Tsy milefitra amin’ireo minia manota àry i Jehovah Andriamanitra. Mampahery izany, indrindra raha misy olona mampijaly antsika nefa tsy mety miova. Afaka matoky tanteraka isika fa hamaly ny ratsy ataony Andriamanitra, satria halany ny tsy rariny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 106-114, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.