Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Fahalalana ny Marina Momba ny Afobe?

Inona no Vokatry ny Fahalalana ny Marina Momba ny Afobe?

Inona no Vokatry ny Fahalalana ny Marina Momba ny Afobe?

TSY mampianatra ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny toetrany ireo milaza fa toerana fampijalijaliana ny afobe. Marina fa milaza ny Baiboly hoe handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (2 Tesalonianina 1:6-9) Mety ho tezitra ara-drariny tokoa izy indraindray, nefa tsy izany no tena toetrany.

Tsy Andriamanitra tia mampijaly na mpamaly faty i Jehovah. Nilaza mihitsy izy hoe: “Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy?” (Ezekiela 18:23, Prot.) Raha ny hahafatesan’ny ratsy fanahy aza tsy sitrak’Andriamanitra, hahafaly azy ve ny hahita azy ireo hijalijaly mandrakizay?

Ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra. (1 Jaona 4:8) Eny, “tsara fo amin’ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.” (Salamo 145:9, Kat.) Tian’Andriamanitra koa raha tia azy amin’ny fontsika manontolo isika.—Matio 22:35-38.

Tahotra ny afobe sa fitiavana an’Andriamanitra?

Manjary mihorohoro ny olona rehefa mieritreritra an’Andriamanitra, noho ilay fampianarana momba ny afobe. Rehefa mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra anefa isika, dia lasa tia azy sy manana tahotra mahasoa. “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankatò izany.” (Salamo 111:10, Prot.) Tsy tahotra feno horohoro akory izany, fa tahotra feno fanajana an’ilay Mpamorona. Mahatonga antsika hitandrina tsara izany sao tsy hahazo sitraka aminy.

Diniho ny nanjo an’i Kathleen, 32 taona, izay mpidoroka zava-mahadomelina taloha. Nibahana teo amin’ny fiainany ny famonjena lanonana. Nahery setra sy naloto fitondran-tena koa izy, ary nankahala ny tenany. Hoy izy: “Mijery ny zanako vavikely herintaona aho sady mieritreritra hoe: ‘Mafy ny manjo an’ity zaza ity noho ny ataoko. Marina raha tsy hosazina any amin’ny afobe aho!’ ” Mba niezaka niala tamin’ny zava-mahadomelina ihany i Kathleen, fa tsy nahavita. Hoy izy: “Te ho tsara toetra aho, saingy feno faharatsiana ny fiainako sy ny manodidina ahy, ka toa tsy hitako izay antony hiovana.”

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Kathleen, tatỳ aoriana. Hoy izy: “Nanjary fantatro hoe tsy misy izany afobe mirehitra izany. Mazava tsara ny porofo omen’ny Soratra Masina. Tsy nihorohoro intsony aho rehefa nahalala fa tsy hodorana any amin’ny afobe.” Nianarany koa fa mampanantena Andriamanitra hoe hanafoana ny faharatsiana sy hanome fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny olombelona. (Salamo 37:10, 11, 29; Lioka 23:43) Hoy izy: “Manana fanantenana azo antoka aho izao, dia ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa!”

Ho afaka amin’ny zava-mahadomelina ve i Kathleen, rehefa tsy matahotra ny hodorana any amin’ny afobe intsony? Hoy izy: “Rehefa te hidoroka zava-mahadomelina aho, dia mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra, ary mangataka ny fanampiany. Misaintsaina ny fiheveran’Andriamanitra an’io fahazaran-dratsy io aho, ary tsy te hampalahelo azy. Tena nanampy ahy izy.” (2 Korintianina 7:1) Io tahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra io no nanampy an’i Kathleen hiala tamin’ny fahazaran-dratsiny.

Aoka àry isika hiezaka ny ho tia an’Andriamanitra, sy hanana tahotra feno fanajana azy fa tsy tahotra ny hodorana any amin’ny afobe. Izany no hanampy antsika hanao ny sitrapony, izay hahasambatra antsika mandrakizay. Hoy ny mpanao salamo: “Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.”—Salamo 128:1, Prot.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

IZA NO HAFAHANA AVY ANY AMIN’NY AFOBE?

Samy adika hoe “helo”, na “afobe”, ilay teny grika hoe Geenna sy ilay hoe Haides, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Mampikorontana ny sain’ny olona izany. Midika hoe fandringanana tanteraka ny hoe Geenna, ao amin’ny Baiboly. Tsy hatsangana amin’ny maty intsony izay lasa any. Mbola hatsangana kosa ireo lasa any amin’ny Haides na Hadesy.

Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nanome toky an’ireo nihaino azy i Petera hoe: ‘Tsy najanona tao amin’ny helo’ na afobe izy. (Asan’ny Apostoly 2:27, 31, 32; Salamo 16:10, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, anglisy) Ilay teny grika hoe Haides no nadika hoe “helo” eo amin’io andininy io. Tsy nalefa tany amin’ny toerana nisy afo nidedadeda anefa i Jesosy. Fasana na Hadesy no dikan’ilay teny hoe “helo” eto. Tsy i Jesosy irery no afahan’Andriamanitra avy ao amin’ny Hadesy.

Hoy ny Baiboly momba ny fananganana ny maty: “Ny fahafatesana sy ny helo namoaka ny maty tao aminy.” (Apokalypsy 20:13, 14, MJ) Ny famoahana an’izay rehetra ao amin’ny “helo”, dia midika fa ho velona indray ireo olona mendrika ny hatsangana. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Hahafinaritra tokoa izany hoe hahita an’ireo olon-tiantsika efa nodimandry izany! Hanangana azy ireo i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana.