Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Saika Hamono Indray no Maty!

Ireo Saika Hamono Indray no Maty!

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora

Ireo Saika Hamono Indray no Maty!

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.—VAKIO NY DANIELA 6:1-28.

Olona nanao ahoana i Dariosy, araka ny hevitrao? Hoatran’ny ahoana ny paozipaoziny? Hoatran’ny ahoana ny feony rehefa miresaka izy? (Vakio indray ny andininy 14, 16, 18-20.)

․․․․․

Hoatran’ny ahoana ilay lavaka sy ireo liona?

․․․․․

Inona no mety ho nitranga rehefa nalefa tao an-davaky ny liona i Daniela, ka notampenana ilay lavaka ary nasiana tombo-kase?

․․․․․

FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Nahoana no nialona an’i Daniela ireo olo-manan-kajan’i Dariosy? (Vakio indray ny andininy 3.)

․․․․․

Nahoana no tsy niafina i Daniela rehefa nivavaka, na dia afaka nanao izany aza? (Vakio indray ny andininy 10, 11.)

Nahoana no tian’i Dariosy ilay lalàna momba ny vavaka nolazain’ireo olo-manan-kaja? (Vakio indray ny andininy 7.) ․․․․․

AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA NY...

Herim-po na dia misy fanenjehana aza.

․․․․․

Maha zava-dehibe ny vavaka.

․․․․․

Fiarovan’i Jehovah an’ireo mpanompony tsy mivadika.

․․․․․

INONA NO HEVI-DEHIBE HITANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․