Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampisaraka Mpivady ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mampisaraka Mpivady ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mampisaraka Mpivady ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

‘TANDREMO fa misaraka ange ny mpivady raha vao miova finoana ny iray e!’ Maro no miteny an’izany. Misy milaza an’io, ohatra, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy na vehivavy manambady. Marina foana ve anefa ny tenin’izy ireo?

Taitra be ny olona sasany raha vao fantany fa lasa tia fivavahana ny vadiny, na niala tamin’ny fivavahany taloha. Mety hiady saina àry izy, ho diso fanantenana, na ho tezitra mihitsy aza.

Ny vehivavy matetika no tia miova finoana. Raha mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny vadinao, inona no mety ho vokany eo amin’ny tokantranonareo? Ary raha ianao ilay vehivavy mianatra Baiboly, inona no azonao atao mba tsy hiady saina loatra ny vadinao hoe hisaraka ianareo?

Milaza ny heviny ny lehilahy iray

Efa 12 taona nanambadiana i Mark, any Aostralia, rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Hoy i Mark: “Nahafinaritra ny fiainanay talohan’izay. Sambatra ny tokantranonay. Tsara be koa ny asako sady tiako. Tapa-kevitra tampoka anefa ny vadiko hoe hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nieritreritra àry aho hoe hiova tanteraka ny fiainako. Efa natahotahotra ihany aho, tamin’izy vao nianatra Baiboly. Vao mainka anefa aho natahotra, tamin’izy nilaza hoe hatao batisa any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Niady saina i Mark sao hampisaraka azy roa io fivavahana vaovao arahin’ny vadiny io. Nieritreritra àry izy hoe aleo tsy havela hianatra Baiboly sy hifanerasera amin’ny Vavolombelona intsony ilay vadiny. Tsy tonga dia notanterahiny anefa izany, fa niandry kely aloha izy. Inona no vokany?

Hoy i Mark: “Vao mainka nifankatia izahay, ary mbola toy izany foana hatramin’izao, na dia efa 15 taona aza izy no Vavolombelon’i Jehovah.” Inona no nahatonga izany? Hoy ihany i Mark: “Hitako hoe manaraka ny torohevitry ny Baiboly ny vadiko. Miezaka manaja ahy foana, ohatra, izy.”

Torohevitra avy amin’ny vehivavy lasa Vavolombelon’i Jehovah

Vehivavy manambady ve ianao, ary mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Inona no azonao atao mba tsy hiady saina loatra ny vadinao? Diniho ny tenin’ireto vehivavy any amin’ny tany samihafa ireto.

Hoy i Sakiko, any Japon: “Efa 31 taona izay no nanambadiako ary telo ny zanako. Efa 22 taona aho no Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mora foana ny miara-miaina amin’ny vady tsy Vavolombelona. Miezaka mafy anefa aho manaraka ity torohevitry ny Baiboly ity: ‘Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.’ (Jakoba 1:19) Miezaka ho tsara fanahy aminy koa aho, ary ataoko izay tiany raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay izy. Lasa sambatra àry ny tokantranonay.”

Hoy indray i Nadezhda, any Rosia: “Efa 28 taona izao no nanambadiako, ary efa 16 taona aho no Vavolombelona. Tsy neken’ny saiko mihitsy taloha hoe ny vadiko no tokony ho loham-pianakaviana. Tia nanapa-kevitra irery aho. Hitako anefa fa lasa sambatra ny tokantranonay, rehefa nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly aho. (1 Korintianina 11:3) Mora kokoa tamiko tatỳ aoriana ny nanaiky ny tenin’ny vadiko, ary voamariny izany.”

Hoy i Marli, any Brezila: “Efa 21 taona izay no nanambadiako ary roa ny zanako. Efa 16 taona aho no Vavolombelona. Nianarako fa tsy tian’i Jehovah Andriamanitra hisaraka mihitsy ny mpivady. Miezaka manao tsara ny andraikitro àry aho. Tandremako koa ny zavatra lazaiko. Tiako ho faly mantsy i Jehovah sy ny vadiko.”

Hoy i Larisa, any Rosia: “Efa 19 taona aho no Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro fa tena nila niova aho. Niezaka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly àry aho, ka hitan’ny vadiko fa nihatsara ny toetrako. Lasa hitany koa fa ankasitrahako ny zavatra ataony mba hahasambatra kokoa ny tokantranonay. Nampifamaly anay foana taloha ny fomba fitaizana ny zanakay. Efa milamina anefa izany izao. Avelany hoentiko mivory ny ankizy. Hitany mantsy fa mahasoa azy ireo ny zavatra ampianarina any.”

Hoy i Valquíria, any Brezila: “Efa 19 taona izao no nanambadiako ary iray ny zanako. Efa 13 taona aho no Vavolombelon’i Jehovah. Tsy navelan’ny vadiko hitory aho tamin’ny voalohany. Niezaka nanazava taminy moramora anefa aho hoe tsy tokony hampatahotra azy ilay izy. Nataoko koa izay hahitany fa nanatsara ny toetrako ny Baiboly. Nazava taminy àry tatỳ aoriana fa tena zava-dehibe amiko ny mitory. Manampy ahy foana izy izao rehefa hivory aho na hitory. Ateriny amin’ny fiara mihitsy aza aho rehefa mampianatra Baiboly any ambanivohitra, ary andrasany mandra-pahavitan’ilay izy.”

Mahasoa ny Baiboly

Mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny vadinao? Aza matahotra fa tsy hampisaraka anareo izany. Mpivady maro eran-tany no mahita fa mahasoa ny tokantrano ny Baiboly.

Niaiky toy izao ny lehilahy iray tsy Vavolombelona: “Nalahelo aho tamin’ny voalohany, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Mafy tamiko ilay izy nefa soa ihany aho fa nandefitra. Sambatra kokoa mantsy izao ny tokantranonay.” Hoy koa ny lehilahy iray: “Tena hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy nampirafy mihitsy mantsy ny vadiko. Tsy miovaova hevitra koa izy, ary mankatò foana izay ampianarin’ny Baiboly. Tena nahasoa ny tokantranonay ny fivavahany. Mifandefitra izahay. Ataonay an-tsaina koa hoe toy ny lamban’akoho ny fanambadiana, ka faty no hisarahana.”

[Efajoro/Sary, pejy 13]

Ahoana no Fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanambadiana?

Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Ankatoaviny àry izay lazain’izy io momba ny fanambadiana. Diniho ny valiny omen’ny Baiboly amin’ireto fanontaniana ireto:

Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah mampirisika ny mpivavaka ao aminy hisaraka amin’ny vadiny, raha tsy Vavolombelona izy io? Tsia. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy.” (1 Korintianina 7:12, 13) Mankatò izany didy izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azon’ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah atao ve ny tsy miraharaha ny zavatra angatahin’ny vadiny, raha tsy mitovy finoana aminy ilay lehilahy? Tsia. Hoy ny apostoly Petera: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”—1 Petera 3:1, 2.

Mampianatra ve ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy maintsy mankatò izay lazain’ny vadiny foana ny vehivavy? Tsia. Hoy ny apostoly Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) Tsy maintsy mankatò ny vadiny ny vehivavy kristianina, satria ny lehilahy no loham-pianakaviana. Misy fetrany ihany anefa ny fahefan’ny lehilahy. Mbola hatao ampamoaka eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy mantsy izy. Raha asain’ny vadiny manao zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra àry ny vehivavy kristianina, dia ‘Andriamanitra no tsy maintsy ankatoaviny’, fa tsy ilay vadiny.—Asan’ny Apostoly 5:29.

Mampianatra ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy azo atao mihitsy ny misara-panambadiana? Tsia. Hoy i Jesosy Kristy: “Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Matio 19:9) Afaka misaraka àry ny mpivady, raha nijangajanga ny iray. Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Mampianatra koa anefa izy ireo fa tsy misy antony hafa ankoatra an’io ahafahan’ny mpivady misaraka. Mampirisika ny mpivavaka ao aminy àry izy ireo mba hankatò ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:5, 6.