Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa Izy Ireo Ihany no ho Voavonjy?

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa Izy Ireo Ihany no ho Voavonjy?

Manontany ny Mpamaky

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa Izy Ireo Ihany no ho Voavonjy?

Mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa nahita ny fivavahana marina izy ireo. Ho niova finoana izy ireo raha tsy izany. Toa an’ireo mpivavaka any amin’ny fivavahana maro, dia manantena ny ho voavonjy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino anefa izy ireo fa tsy anjarany ny mitsara hoe iza no hovonjena. Andriamanitra no Mpitsara, ka izy no manapa-kevitra.—Isaia 33:22.

Ambaran’ny Baiboly fa raha te ho voavonjy isika, dia tsy ampy fotsiny ny maniry ho voavonjy, fa mila miara-miasa amin’ilay Mpamonjy koa. Aoka hatao hoe very any an-tany efitra ny mpitsangantsangana iray. Miezaka mafy mitady lalana izy. Ho faty ve izy sa tsia? Miankina amin’izay hataony izany rehefa tolorana fanampiana izy. Mety tsy hanaiky hampian’izay tonga hamonjy azy izy satria be hambo. Mety hanetry tena anefa izy, ka hanaiky hampiana ary ho voavonjy.

Toy izany koa fa ireo miara-miasa amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamonjy ny olombelona, no ho voavonjy. Fanomezan’Andriamanitra ny famonjena. Tsy ny rehetra anefa no ho voavonjy. Hoy i Jesosy, Zanak’Andriamanitra: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.”—Matio 7:21.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa izay maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy sy manaraka tsara ny fampianaran’i Jesosy ihany no hovonjen’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 4:10-12) Diniho ireto fepetra telo lehibe ireto, izay ambaran’ny Baiboly fa hahazoana famonjena:

1) Hoy i Jesosy tamin’ireo namany: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Nanolotra ny ainy ho an’ny hafa i Jesosy, ary asehon’izany ohatra navelany izany fa zava-dehibe ny fitiavana. Izay tia ny hafa dia manana ny toetra iray ilaina hahazoana famonjena.

2) Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao.” (Jaona 17:26) Fantatr’i Jesosy fa zava-dehibe tamin’i Jehovah Rainy io anarana io. Nivavaka i Jesosy mba “hohamasinina” ny anaran’ny Rainy. (Matio 6:9) Manamasina ny anaran’Andriamanitra ny olona iray, raha mahalala ilay anarana sy mihevitra azy io ho zava-dehibe sy masina. Toa an’i Jesosy, dia mila mampiasa ny anaran’Andriamanitra izay te ho voavonjy. Mila mampianatra ny hafa momba ny anaran’Andriamanitra sy ny toetrany koa izy ireo. (Matio 28:19, 20) Izay miantso ny anaran’Andriamanitra ihany no hovonjena.—Romanina 10:13.

3) Hoy i Jesosy tamin’i Pontio Pilato: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Vitsy ankehitriny no matoky ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ilay Fanjakana entin’i Jesosy. Zavatra naorin’olombelona kosa no itokisan’ny olona. Tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa ireo ho voavonjy, sady mampianatra ny hafa momba izay hataon’izy io mba hanafahana an’izay rehetra tsy mivadika.—Matio 4:17.

Hoy ny mpianatr’i Jesosy rehefa fantany ny fepetra sasany hahazoana famonjena: “Koa hisy ho voavonjy ve raha izany?” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.” (Lioka 18:18-30) Miezaka mafy hahafeno an’ireo fepetra ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa mafy koa izy ireo mba hanampiana ny hafa ho voavonjy.