Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Momba ny Fanantenana ho An’ny Maty

Momba ny Fanantenana ho An’ny Maty

Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...

Momba ny Fanantenana ho An’ny Maty

Olona telo, fara fahakeliny, no natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. Midika izany fa mbola misy fanantenana ho an’ny maty. (Lioka 7:11-17; 8:49-56; Jaona 11:1-45) Mba hahalalana hoe inona no fanantenana ho azy ireo, dia mila fantarina aloha ny antony nahatonga ny fahafatesana.

Nahoana isika no marary sy maty?

Sitrana ny olona narary rehefa navelan’i Jesosy ny helony. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny lehilahy iray nalemy, izay nentina teo aminy: ‘ “Inona no mora kokoa: Ny milaza hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny milaza hoe: ‘Mitsangàna ka mandehana’? Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana eto an-tany hamela heloka ny Zanak’olona...”, dia hoy izy tamin’ilay nalemy: “Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary modia any an-tranonao.” ’ (Matio 9:2-6) Ny ota àry no mahatonga ny aretina sy ny fahafatesana. Nandova ota tamin’ilay lehilahy voalohany antsoina hoe Adama isika.—Lioka 3:38; Romanina 5:12.

Nahoana i Jesosy no maty?

Tsy nanota mihitsy i Jesosy, ka tsy mendrika ny ho faty. Maty nisolo antsika àry izy, mba hanonerana ny fahotantsika. Nilaza izy fa “halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” ny rany.—Matio 26:28.

Nilaza koa izy hoe: ‘Tsy tonga mba hotompoina ny Zanak’olona fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Manafaka ny olona amin’ny fahafatesana ny ran’i Jesosy, ka nantsoiny hoe “vidim-panavotana.” Hoy koa izy: ‘Tonga aho mba hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra.’ (Jaona 10:10) Mba hahazoantsika tsara ny fanantenana ho an’ny maty, dia tsy maintsy fantarintsika koa hoe manao ahoana ny olona rehefa maty.

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa maty i Lazarosy namany: ‘ “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any [Betania] aho hamoha azy.” Nihevitra ny mpianany fa fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazain’i Jesosy. Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: “Maty i Lazarosy.” ’ Nolazain’i Jesosy mazava àry fa toy ny olona matory ny maty, izany hoe tsy mahatsiaro tena.—Jaona 11:1-14.

Efa maty efatra andro i Lazarosy, tamin’izy natsangan’i Jesosy. Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe nitantara izay nitranga taminy nandritra ny fotoana nahafatesany i Lazarosy. Tsy nahatsiaro tena izy rehefa maty, ary tsy nahalala na inona na inona.—Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:17-44.

Inona no fanantenana ho an’ny maty?

Hatsangana ny maty, ary afaka manantena ny hiaina mandrakizay. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra io fanantenana io. Nilaza i Jesosy hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16; Apokalypsy 21:4, 5.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko faha-6 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.