Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisandratra “ny Sambon’i Tarsisy” ary Nilentika

Nisandratra “ny Sambon’i Tarsisy” ary Nilentika

Nisandratra “ny Sambon’i Tarsisy” ary Nilentika

“Ireo sambon’i Tarsisy no nitanjozotra nitatitra ny entam-barotrao.” —EZEKIELA 27:25

ANISAN’NY nampanan-karena an’i Solomona Mpanjaka ny sambon’i Tarsisy. Ny mpanamboatra azy ireny no nampisy ny litera grika sy romanina. Nanorina ny tanànan’i Byblos koa izy ireo. Avy amin’ny hoe Byblos ny anaran’ilay boky misy heriny indrindra eo amin’ny fiainan’ny olombelona.

Iza no nanamboatra sy nitondra ny sambon’i Tarsisy? Nahoana izy ireny no antsoina hoe sambon’i Tarsisy? Nahoana ny tantarany sy ny mpanamboatra azy no manaporofo fa marina ny Baiboly?

Nanjakany i Mediterane

Ny Fenisianina no nanamboatra sambo atao hoe sambon’i Tarsisy. Efa tantsambo za-draharaha izy ireo, arivo taona teo ho eo Talohan’i Kristy. Tany kely amoron-tsiraka i Fenisia, ary tokotokony ho teo amin’izay misy an’i Liban ankehitriny no nisy azy. Firenena hafa no tao avaratra sy atsinanana ary atsimo. Ny Ranomasina Mediterane no teo andrefana, ka nitodi-doha tany izy ireo mba hikatsaka harena.

Nihamaro ny sambo nampiasain’ny Fenisianina teo amin’ny varotra. Nandroso ny teknolojia ary nihanahazo tombony izy ireo, ka nanamboatra sambo lehibe afaka manao dia lavitra. Nandalo tao Sipra sy Sardaigne ary tao amin’ireo Nosy Baléares ny Fenisianina rehefa niankandrefana. Nanaraka ny morontsirak’i Afrika Avaratra izy ireo mandra-pahatongany tany Espaina. (Jereo ny sarintany.)

Nanamboatra sambo 30 metatra mahery ny Fenisianina. Toa ireny sambo mpandeha any an-dranomasimbe ireny no nantsoina hoe “sambon’i Tarsisy.” Nahavita 4 000 kilaometatra izy ireny, avy tany Fenisia ka hatrany amin’ny faritra atsimon’i Espaina, izay inoana fa nisy an’i Tarsisy. *

Tsy nieritreritra ny hanjakazaka eran-tany ny Fenisianina, fa ny hangoron-karena fotsiny, ka nanokatra foibem-barotra tetsy sy teroa. Nanjary nanjakan’izy ireo i Mediterane, teo amin’ny raharaham-barotra.

Tsy nijanona tao Mediterane

Nitady tombony foana ny Fenisianina, ka sahy nankany amin’ny Ranomasina Atlantika. Nanaraka akaiky ny morontsiraka atsimon’i Espaina izy ireo, ka tonga teo amin’ny toerana iray atao hoe Tartessos. Nanorina tanàna nantsoiny hoe Gadir izy ireo, tokotokony ho tamin’ny taona 1100 T.K. Antsoina hoe Cadix izao io seranana any Espaina io, ary izy io no iray amin’ireo tanàn-dehibe voalohany tany Eoropa Andrefana.

Maro ny entana namidin’ny Fenisianina. Tao ny sira, divay, trondro maina, hazo sedera sy kesika, zavatra vita amin’ny metaly, fitaratra, lamba misy peta-kofehy, lamba rongony tena tsara, ary lamba volomparasy avy any Tyro. Inona kosa no harena azon’izy ireo avy any Espaina?

Ny faritra atsimon’i Espaina no tena be volafotsy sy metaly sarobidy hafa, any amin’ny faritr’i Mediterane. Hoy i Ezekiela mpaminany momba an’i Tyro, ilay seranana lehibe indrindra tany Fenisia: “Nanao raharaham-barotra tany Espaina ianao, ka naka volafotsy sy vy sy firapotsy ary firamainty ho takalon’ny entanao be dia be.”—Ezekiela 27:12, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny.

Be an’ireo metaly ireo eo akaikin’ny reniranon’i Guadalquivir, tsy lavitra an’i Cadix, ary hitan’ny Fenisianina io toerana io. Mbola itrandrahana an’ireo metaly ireo any ankehitriny, any amin’ny toerana antsoina hoe Río Tinto. Efa 3 000 taona teo ho eo izao ireny toeram-pitrandrahana ireny no namokatra metaly ambony karazana.

Nisy sambo nampitohy tsy tapaka an’i Espaina sy Fenisia, ka nilaza ny Fenisianina fa nanjakany ny volafotsin’i Espaina. Be dia be àry ny volafotsy notaterina nankany Fenisia, ary nisy koa aza tonga tany Israely, firenena teo akaikiny. Niombom-barotra i Hirama mpanjakan’i Fenisia sy Solomona mpanjakan’ny Israely. Noho izany, dia toy ny “tsinontsinona” ny volafotsy tamin’ny andron’i Solomona.—1 Mpanjaka 10:21. *

Nahazo tombony be ny Fenisianina. Toa lozabe anefa izy ireo. Voalaza fa nofitahiny ho any an-tsambo ny olona indraindray, ka mody nentiny nijery entana, nefa nataony andevo. Nivadihan’izy ireo koa ny Israelita mpiombom-barotra taminy, ka namidiny ho andevo. Naminany àry ny mpaminany hebreo fa horavana i Tyro, tanàna fenisianina. I Aleksandra Lehibe no nanatanteraka an’io faminaniana io, tamin’ny taona 332 T.K. (Joela 3:6; Amosa 1:9, 10) Vita hatreo ny tantaran’ny Fenisianina.

Lova navelan’ny Fenisianina

Nandrakitra an-tsoratra ny fifanarahana ara-barotra nataony ny Fenisianina, toy ny ataon’ny mpandraharaha mahay. Mitovy be amin’ny litera hebreo fahiny ny soratra nampiasain’izy ireo. Hitan’ny firenen-kafa fa nahasoa azy ny litera fenisianina, izay novana kely ka nahazoana an’ireo litera grika, ary io kosa no niavian’ny soratra romanina ampiasaintsika, dia ilay endri-tsoratra be mpampiasa indrindra eran-tany.

I Byblos dia lasa toerana fivarotana taratasy papyrus, izay razamben’ny taratasy ankehitriny. Nanoratana ny papyrus ka izany no nampisy ny boky. Avy amin’ny hoe Byblos ny anaran’ilay boky miely indrindra eran-tany, dia ny Baiboly. Hamafisin’ny tantaran’ny Fenisianina sy ny sambony fa tena marina ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nantsoina hoe “sambon’i Tarsisy” ny karazan-tsambo mpanao dia lavitra.

^ feh. 15 Niara-niasa ny andian-tsambon’i Hirama sy ny “andian-tsambon’i Tarsisy”, izay an’i Solomona. Tao Eziona-gebera angamba no foiben’ny asan’izy ireo. Nanao raharaham-barotra tany amin’ny Ranomasina Mena sy ny manodidina izy ireo.—1 Mpanjaka 10:22.

[Sarintany, pejy 27]

(Jereo ny gazety)

LALAN’NY FENISIANINA MPIVAROTRA

ESPAINA

TARTESSOS

Reniranon’i Guadalquivir

Gadir

Corse

Nosy Baléares

Sardaigne

Sisila

Kreta

Sipra

Byblos

Tyro

RANOMASINA MEDITERANE

Eziona-gebera

Ranomasina Mena

AFRIKA

[Sary, pejy 27]

Vola madinika misy sarina sambo fenisianina, nampiasaina tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra T.K.

[Sary, pejy 27]

Sisa tavela tamin’ny tanàna nonenan’ny Fenisianina, any Cadix, Espaina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Museo Naval, Madrid

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Vola: Museo Arqueológico Municipal. Puerto de Sta. María, Cádiz; tanàna rava: Yacimiento Arqueológico de Doña Blanca, Pto. de Sta. María, Cádiz, España