Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Marina ny “Teny”?

Iza Marina ny “Teny”?

TSY maintsy dinihina io fanontaniana io rehefa mandika ny andininy voalohany amin’ny Filazantsaran’i Jaona ny mpandika teny. Izao no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Jaona 1:1: “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra.” Ny Baiboly sasany kosa mandika an’io tapany farany io amin’ny hoe ny Teny dia “manana ny toetran’Andriamanitra”, na dikan-teny mitovitovy amin’izany. (Fandikan-teny Vaovaon’ny Baiboly, nataon’i James Moffatt; Ny Baiboly Anglisy Vaovao) Baiboly maro anefa no mandika an’ilay tapany farany toy izao: “Ary ny [na “ilay”] Teny dia Andriamanitra.”—Fandikan-teny Protestanta; Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Porofoin’ny fitsipi-pitenenana grika sy ny teny manodidina an’io andininy io fa marina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary tsy ilay “Andriamanitra” voaresaka eo aloha kokoa amin’io andininy io ny “Teny.” Tsy misy mpanoritra tsy voafaritra anefa ny teny grika tamin’ny taonjato voalohany, hany ka mampisy adihevitra io andininy io. Tena mahaliana antsika àry ny Baiboly amin’ny fiteny iray nampiasaina tao anatin’ireo taonjato voalohandohany amin’ny androntsika.

Tsy inona akory io fiteny io fa ny sahidìka, izay fitenim-paritra kôpta tany am-boalohany. Nampiasaina tany Ejipta ny fiteny kôpta, tao anatin’ireo taonjato nanarakaraka avy hatrany ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), momba ireo Baiboly voalohany tamin’ny fiteny kôpta: “Tamin’ny taonjato fahatelo no nadika tamin’ny fiteny kôpta ny [Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo] sy ny [Soratra Grika Kristianina]. Nadika avy tamin’ny [soratra grika] tranainy lavitra noho ny ankamaroan’ny sora-tanana misy ankehitriny àry ny Baiboly kôpta.”

Misy antony roa mahatonga ny soratra kôpta sahidìka ho tena mahaliana. Voalohany, hita taratra ao amin’izy io ny fahazoan’ny olona ny Soratra Masina, talohan’ny nanekena ny Andriamanitra telo izay iray ho foto-pinoana, tamin’ny taonjato fahefatra. Faharoa, misy lafiny lehibe iray itovizan’ny fitsipi-pitenenana anglisy sy ny kôpta. Tamin’ny teny syriàka sy latinina ary kôpta no nandikana voalohany ny Soratra Grika Kristianina. Tsy manana mpanoritra tsy voafaritra ny teny syriàka sy latinina, toy ny teny grika tamin’izany, fa ny kôpta kosa manana. Hoy koa i Thomas Lambdin ao amin’ilay bokiny hoe Fampahafantarana ny Kôpta Sahidìka (anglisy): “Mampiasa mpanoritra voafaritra sy tsy voafaritra ny teny kôpta, ary mitovitovy amin’ny an’ny teny anglisy ny fampiasany azy.”

Mahaliana antsika àry ny porofo omen’ny fandikan-teny kôpta ny amin’ny fomba nahazoana ny hevitry ny Jaona 1:1, tamin’izany fotoana izany. Mpanoritra tsy voafaritra no ampiasain’ny Baiboly kôpta sahidìka, ho an’ilay teny hoe “andriamanitra” eo amin’ilay tapany farany amin’ny Jaona 1:1. Mazava àry fa takatr’ireo mpandika teny fahiny ireo hoe ny tenin’i Jaona ao amin’ny Jaona 1:1 dia tsy midika fa Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Ny Teny dia andriamanitra, fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra.