Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fanasitranana Mahagaga?

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fanasitranana Mahagaga?

Avy Amin’Andriamanitra ve ny Fanasitranana Mahagaga?

FAHITA any amin’ny tany sasany ny mpivavaka mankany amin’ny toerana lazaina fa masina. Milaza ny maro amin’izy ireny fa sitrana tany ny aretiny, izay noheverina fa tsy misy fanafany. Mihambo ho manasitrana amin’ny alalan’ny hery miafina kosa ny mpimasy, any an-tany hafa. Misy indray fotoam-pivavahana mampihetsi-po izay ahitana olona manary ny tehiny na mitsambikina avy eo amin’ny sezany misy kodiarana, ary milaza fa sitrana.

Tsy mitovy fivavahana ny ankamaroan’ireo olona mihambo ho manasitrana. Matetika izy ireny no mifanaratsy, ka milaza fa mpisandoka na mpanompo sampy ny mpanasitrana hafa. Manao fahagagana amin’ny alalan’ny olona na fivavahana tsy mifanara-tsaina toy izany ve Andriamanitra? Hoy mantsy ny Baiboly: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.” (1 Korintianina 14:33) Tena avy amin’Andriamanitra àry ve ireny fanasitranana mahagaga ireny? Milaza ny mpanasitrana sasany fa hery avy amin’i Jesosy no anaovany izany. Fa ahoana tokoa moa no nataon’i Jesosy?

Fomba nanasitranan’i Jesosy

Tsy mitovy amin’ny ataon’ny mpanasitrana ankehitriny mihitsy ny fomba nanasitranan’i Jesosy. Nositraniny daholo, ohatra, izay marary nanatona azy, fa tsy hoe nifidy marary sasantsasany fotsiny izy. Nositraniny tanteraka koa ireo marary, ary matetika no sitrana teo no ho eo. Hoy ny Baiboly: “Nitady hikasika azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.”Lioka 6:19.

Matetika ireo mpanasitrana amin’izao andro izao no milaza fa tsy ampy finoana ilay marary matoa tsy sitrana. Tsy mba nanao toy izany i Jesosy. Nositraniny na dia ny olona mbola tsy nino azy aza. Nanatona lehilahy jamba iray, ohatra, izy, indray mandeha, ary nanasitrana azy. Nanontaniany izy io avy eo, hoe: “Mino ny Zanak’olona ve ianao?” Hoy ilay lehilahy: “Iza moa izy, tompoko, mba hinoako azy?” Namaly i Jesosy hoe: “Izy ilay miresaka aminao izao.”—Jaona 9:1-7, 35-38.

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Raha tsy nila nanam-pinoana àry ny olona te hositranin’i Jesosy, nahoana izy no nilaza tamin’ny olona sasany hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao”?’ (Lioka 8:48; 17:19; 18:42) Te hilaza i Jesosy fa tsy ho nanatona azy ireny olona ireny, raha tsy nino fa mahay manasitrana izy. Tsy ny finoan’ireny olona ireny anefa no nahasitrana azy, fa ny herin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly, momba an’i Jesosy: “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy ny hery [izy]. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly, satria nomba azy Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 10:38.

Matetika no asaina mandoa vola ireo olona sitranina amin’izao andro izao. Hain’ireo mpanasitrana mihitsy ny mandresy lahatra ny olona hanome vola. Voalaza, ohatra, fa nahangona 89 tapitrisa dolara tao anatin’ny herintaona, ny mpanasitrana iray. Ireo fiangonana koa dia mahazo vola avy amin’ireo mpivavaka mitady fanasitranana any amin’ireo toerana lazaina fa masina. Tsy naka vola tamin’ireo olona nositraniny mihitsy anefa i Jesosy. Nisy fotoana aza nanomezany sakafo azy ireny. (Matio 15:30-38) Hoy izy tamin’ny mpianany, rehefa naniraka azy ireo hitory: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Nahoana no tena tsy mitovy amin’ny nataon’i Jesosy ny ataon’ireo mpanasitrana ankehitriny?

Avy amin’iza ireny “fanasitranana” ireny?

Nisy dokotera sy mpikaroka niezaka nanamarina raha tena mahavita manasitrana tokoa ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny vavaka. Nanao fanadihadiana nandritra ny 20 taona, ohatra, ny dokotera iray any Angletera, ka nilaza toy izao tao amin’ny gazety Telegrafy Isan’andro (anglisy): “Misy ireo milaza fa nositranina tamin’ny fomba mahagaga. Tsy nisy porofo mihitsy anefa hoe sitrana izy ireny. Ny hafa indray hita fa tsy narary akory.” Na izany aza, dia maro no mino fa ireo mpanasitrana, na ny fikasihana taolam-patin’ny olo-masina, na ny fankanesany tany amin’ny toerana lazaina fa masina no nahasitrana azy. Tsy voafitaka ve anefa izy ireo?

Nilaza i Jesosy tamin’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra, fa ho avy ny fotoana hitenenan’ireo mpivavaka sandoka hoe: “Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa ... nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?” Hamaly anefa i Jesosy hoe: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Matio 7:22, 23) Avy aiza àry ny hery anaovan’ireny olona ireny fanasitranana? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra.”—2 Tesalonianina 2:9, 10.

Tsy avy amin’Andriamanitra mihitsy koa ny fanasitranana misy ifandraisany amin’ny taolam-patin’ny olo-masina, na sampy, na sary. Nahoana? Satria milaza mazava ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Andosiro ny fanompoan-tsampy” ary hoe “Mitandrema ianareo amin’ny sampy.” (1 Korintianina 10:14; 1 Jaona 5:21) Anisan’ny fomba amitahan’ny Devoly ny olona ireny fanasitranana ireny, mba hampialana azy amin’ny fivavahana marina. Hoy ny Baiboly: “I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.”—2 Korintianina 11:14.

Nahoana i Jesosy sy ny apostoly no nanasitrana?

Tantaraina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny apostoly. Nanaporofo izy ireny fa Andriamanitra no naniraka azy ireo. (Jaona 3:2; Hebreo 2:3, 4) Nampisy lanjany kokoa ny hafatra notorin’i Jesosy koa ny fahagagana nataony: “Nandeha nanerana an’i Galilia manontolo [izy], ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra.” (Matio 4:23) Nanasitrana ny marary i Jesosy, namahana vahoaka be, nampitony rivo-mahery, ary nanangana ny maty mihitsy aza. Nasehony tamin’izany izay hataony amin’ny olombelona mankatò, rehefa hitondra ny tany izy. Vaovao tsara tokoa izany!

Tsy nisy intsony ireo fahagagana na fahaizana avy amin’ny fanahy masina, rehefa maty i Jesosy sy ny apostoly ary ireo olona nomeny fahefana hanao fahagagana. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Fa na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa [hay amin’ny fomba mahagaga], dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana [azo mivantana avy amin’Andriamanitra], dia hofoanana izany.” (1 Korintianina 13:8) Nahoana? Ny tanjona tamin’ireny fahagagana ireny, anisan’izany ny fanasitranana, dia ny hanaporofo fa i Jesosy no Mesia ary ankasitrahan’Andriamanitra ny fiangonana kristianina. Efa tratra izany tanjona izany, ka tsy ilaina intsony ny fahagagana.

Mbola misy heviny lehibe ho antsika ankehitriny anefa ny fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy. Raha mino sy mankatò izay nampianariny momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika, dia afaka manantena ny hahita ny fahatanterahan’ity faminaniana ity, eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24; 35:5, 6; Apokalypsy 21:4.