Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manontany ny Mpamaky

Mino ny Testamenta Taloha ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary ekeny fa samy tena ilaina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Aleon’izy ireo anefa miantso azy ireo hoe “Soratra Hebreo” sy “Soratra Grika Kristianina.” Mety tsara izany satria teny hebreo sy grika no tena nampiasaina mba hanoratana azy ireo, tany am-boalohany.

Misalasala hanaiky ny Testamenta Taloha anefa ny sasany amin’ireo milaza azy ho Kristianina. Andriamanitra masiaka be, tia ady sy famonoana olona, hono, no resahina ao, fa tsy ilay Andriamanitra be fitiavana sy tsara toetra, resahin’ny Testamenta Vaovao. Mihevitra koa izy ireo fa ny fivavahana jiosy no tena resahina ao amin’ny Testamenta Taloha, ka tsy ilain’ny Kristianina. Antony mari-pototra handavana ny telo ampahefatry ny Baiboly ve anefa ireo, rehefa dinihina ny Deoteronomia 12:32? Milaza mantsy izy io fa tsy azo ampiana na anesorana ny Tenin’Andriamanitra.

Nitsidika ny olona tany Tesalonika any Gresy i Paoly, apostoly kristianina, tamin’ny taona 50 tany ho any. “Nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina [izy]. Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.” (Asan’ny Apostoly 17:1-3) Lasa Kristianina ny sasany tamin’izy ireo. Nidera azy ireny i Paoly tatỳ aoriana hoe: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.” (1 Tesalonianina 2:13) Tamin’izy nitsidika azy ireo, dia toa ny Filazantsaran’i Matio ihany no efa voasoratra, tamin’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Rehefa nanome porofo “tamin’ny alalan’izay voasoratra” ao amin’ny “Soratra Masina” àry i Paoly, dia tsy maintsy ho teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo no nampiasainy.

In-320 teo ho eo ireo nanoratra ny Soratra Grika no naka teny mivantana avy tao amin’ny Soratra Hebreo, ary efa ho inarivony izy ireo no naka teny tsy mivantana, izany hoe nanonona zava-nitranga tao amin’ny Soratra Hebreo. Nahoana? Satria “izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Mazava àry fa mandray soa be dia be ireo manaiky ny Baiboly manontolo.

Tohin’ny Soratra Hebreo ny Soratra Grika Kristianina, satria nahariharin’Andriamanitra tsikelikely ny fikasany. Tsy mampihen-danja ny Soratra Hebreo mihitsy anefa ny Soratra Grika. Hoy i Herbert Farmer, mpampianatra teolojia ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge: ‘Tsy ho azontsika mihitsy izay lazain’ny [Filazantsara], raha tsy dinihintsika izay voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha, izany hoe ny zava-nitranga tamin’ireo olona teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna.’

Tsy ilaina havaozina ny Tenin’Andriamanitra. “Ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18) Nanazava tsikelikely ny fahatanterahan’ny fikasany àry Andriamanitra, rehefa nanampy ny Soratra Grika Kristianina ho anisan’ny Soratra Masina. Tsy nampihen-danja ny Soratra Hebreo mihitsy anefa izy. Samy anisan’ny “tenin’i Jehovah [izay] maharitra mandrakizay” mantsy izy ireo.—1 Petera 1:24, 25.