Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Modely Tonga Lafatra i Jesosy

Modely Tonga Lafatra i Jesosy

Modely Tonga Lafatra i Jesosy

TE HO olona tsara toetra kokoa sy sambatra kokoa ve ianao? Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Petera: “Kristy ... nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Petera 2:21) Afaka miana-javatra betsaka avy amin’i Jesosy Kristy isika, satria tena niavaka ny fomba fiainany. Ho lasa olona tsara toetra kokoa sy sambatra kokoa isika, raha miezaka hahafantatra an’i Jesosy sy manahaka azy. Andeha isika handinika ny toetra sasany nampiavaka azy, sy ny fomba hanahafantsika azy.

Nahay nandanjalanja i Jesosy. Nilaza izy fa ‘tsy mba nanana izay hametrahany ny lohany.’ (Matio 8:20) Na izany aza, dia tsy nampihafy tena tafahoatra izy na nampirisika ny olona hanao izany. Nanatrika fanasana izy. (Lioka 5:29) Nandritra ny fampakaram-bady iray aza no nanaovany ny fahagagana voalohany, dia ilay nanovany ny rano ho divay. Hita amin’izany fa tsy nihatakataka tamin’ny olona mihitsy izy, ary tsy nampihafy tena tafahoatra. (Jaona 2:1-11) Nantitranteriny tsara anefa izay tena zava-dehibe taminy. Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”—Jaona 4:34.

Inona no azonao atao mba hampifandanjana ny fotoana atokanao ho an’Andriamanitra sy ny fotoana anaovanao zavatra hafa?

Mora nifandraisana izy. Asehon’ny Baiboly fa nahay nandray olona i Jesosy. Tsy sorena izy rehefa niresaka olana taminy ny olona, na nametraka fanontaniana saro-baliana. Tao anaty vahoaka be izy, indray andro, no nisy vehivavy iray efa narary nandritra ny 12 taona nikasika ny akanjony, fa mba te ho sitrana. Tsy nandevilevy azy i Jesosy, satria hoe nanao zavatra tsy tokony ho natao izy. Tsara fanahy taminy kosa izy sady nilaza hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka.” (Marka 5:25-34) Nahazo aina erỳ ny ankizy niaraka taminy, fa tsy natahotra ny hailikilika. (Marka 10:13-16) Navelany haneho hevitra koa ny mpianany, rehefa nifampiresaka izy ireo, hany ka mora tamin’izy ireo ny nifandray taminy.—Marka 6:30-32.

Mora amin’ny olona ve ny mifandray aminao?

Nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa izy sady be fangorahana. Anisan’ny toetra tena nampiavaka an’i Jesosy ny fahaizany nipetraka teo amin’ny toeran’ny hafa. Nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa izy, ary nanao zavatra hanampiana azy ireny. Nilaza ny apostoly Jaona fa “nalahelo mafy i Jesosy tao am-pony tao”, rehefa nahita an’i Maria nitomany noho ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny. “Ory dia ory” i Jesosy tamin’izay, ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’ Tsy niafina tamin’ny mpitazana fa tena tia an’io fianakaviana io i Jesosy, ary tsy nahamenatra azy ny nampiseho izany fihetseham-pony izany. Hita mihitsy hoe be fangorahana izy, satria natsangany tamin’ny maty ilay namany!—Jaona 11:33-44.

Niangavy an’i Jesosy toy izao ny lehilahy boka iray, indray andro: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Aretina maharikoriko ny habokana, ary tsy maintsy natoka-monina izay voan’izany. Inona no nataon’i Jesosy? ‘Nanatsotra ny tanany izy ka nikasika azy, sady nanao hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” ’ (Matio 8:2, 3) Tena manohina ny fo izany. Tsy ny hanatanteraka faminaniana fotsiny no nanasitranan’i Jesosy ny olona, fa te hanamaivana ny fahorian’izy ireo koa izy. Nifanaraka tamin’izao toro lalana nomeny izao ny zava-drehetra nataony: “Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”—Lioka 6:31.

Hita taratra amin’izay ataonao ve fa be fangorahana ianao?

Nahatakatra izay tao am-pon’ny olona izy. Tsy nanao fahadisoana mihitsy i Jesosy, nefa tsy nitaky fahalavorariana tamin’ny hafa, na hoe nanambony tena. Nahatakatra tsara izay tao am-pon’ny hafa izy. Indray mandeha, dia “nisy vehivavy anankiray nalaza ho mpanota” nanasa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony, mba hampisehoany ny finoany sy ny fankasitrahany azy. Navelan’i Jesosy hanao izany izy, ka gaga ilay lehilahy nanasa azy hisakafo. Tamin’io lehilahy io mantsy dia mpanota ilay vehivavy. Takatr’i Jesosy anefa fa tena tso-po ilay vehivavy. Tsy nanameloka azy àry izy fa nilaza hoe: “Ny finoanao no efa namonjy anao. Mirary soa ho anao aho.” Tsara fanahy taminy i Jesosy, ka azo inoana fa nanosika an’io vehivavy io hiala tamin’ny fomba fiainany taloha izany.—Lioka 7:37-50.

Mailaka hidera ve ianao sa tia manakiana?

Tsy niangatra izy sady nanaja ny hafa. Tian’i Jesosy manokana i Jaona. Mpihavana angamba izy ireo na nitovitovy toetra. * Na izany aza, dia tsy niangarany izy, fa nentiny toy ny mpianatra hafa. (Jaona 13:23) Namaly toy izao i Jesosy, rehefa nangataka ny hapetraka eo amin’ny toerana tsara indrindra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jaona sy i Jakoba: “Ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany.”—Marka 10:35-40.

Nanaja ny hafa foana i Jesosy. Tsy mba nanavakavaka toy ny mpiara-belona taminy izy. Nambanina, ohatra, ny vehivavy tamin’izany. Nanaja azy ireny foana anefa i Jesosy. Vehivavy no nilazany voalohany fa izy no Mesia. Tsy vehivavy jiosy aza izy io fa samaritanina, izay nankahalain’ny Jiosy sy tsy noarahabainy akory. (Jaona 4:7-26) Vehivavy koa no nomen’i Jesosy tombontsoa hahita azy voalohany rehefa nitsangana tamin’ny maty izy.—Matio 28:9, 10.

Tsy manavakavaka ve ianao rehefa mifandray amin’ny olona hafa firazanana, na fiteny, na fiaviana, na lehilahy, na vehivavy?

Nahay nandray andraikitra izy. Toa mbola tovolahy i Jesosy no maty i Josefa, rainy nitaiza azy. Azo inoana fa namelona ny reniny sy ny zandriny izy, ka nandrafitra mba hahazoam-bola. (Marka 6:3) Nankininy tamin’i Jaona ny fikarakarana an-dreniny, taloha kelin’ny hahafatesany.—Jaona 19:26, 27.

Afaka manahaka an’i Jesosy ve ianao, ka mamita tsara ny adidinao amin’ny fianakavianao?

Tena namana izy. Niavaka tokoa i Jesosy tamin’io lafiny io. Nahoana? Tsy nanilikilika ny namany izy, satria hoe nanao fahadisoana izy ireo, ary namerimberina izany mihitsy aza. Tsy araka ny noeritreretiny ny zavatra nataon’ny mpianany matetika. Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’izy ireo anefa izy, fa tsy niampanga azy ireo ho ratsy toetra. (Marka 9:33-35; Lioka 22:24-27) Tsy nanery ny mpianany hanaraka ny heviny koa izy, fa namela azy ireo hamboraka ny tao am-pony.—Matio 16:13-15.

Tia an’ireo namany koa i Jesosy. (Jaona 13:1) Nanao ahoana ny halehiben’ny fitiavany azy ireo? Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Tsy misy zava-tsarobidy kokoa noho izany azon’ny olona afoy ho an’ny namany.

Asehonao amin’ny hafa ve hoe mbola naman’izy ireo foana ianao, na dia manafintohina na mampahatezitra anao aza izy?

Be herim-po izy sady tena lehilahy. Sarin’olona malezolezo sy kanosa no ataon’ny mpanakanto rehefa manao ny sarin’i Jesosy. Tsy toy izany mihitsy anefa izy. Resahin’ny Filazantsara fa olona matanjaka sy be herim-po izy. Indroa izy no nandroaka ny mpivarotra tao amin’ny tempoly sy nanala ny entan’izy ireo. (Marka 11:15-17; Jaona 2:14-17) Rehefa tonga hisambotra an’i “Jesosy, avy any Nazareta” ny vahoaka, dia tsy natahotra akory izy nandroso teo aloha sady niteny hoe: “Izaho no izy.” Hoy koa izy mba hiarovana ny mpianany: “Avelao handeha ireto raha izaho no tadiavinareo.” (Jaona 18:4-9) Tsy mahagaga raha nilaza toy izao i Pilato, rehefa nahita ny herim-pon’i Jesosy tamin’izy nosamborina sy nampijalijalina: “Indro ny lehilahy!”—Jaona 19:4, 5.

Be herim-po ve ianao ka manao zavatra avy hatrany, rehefa fantatrao izay tokony hatao?

Modely tokony hotahafintsika tokoa i Jesosy, rehefa jerena ireo toetrany ireo sy ny toetrany hafa. Ho lasa olona tsara toetra kokoa sy sambatra kokoa isika, raha manahaka azy. Tsy mahagaga raha nandrisika ny Kristianina hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy ny apostoly Petera. Manaraka akaiky ny dian’i Jesosy araka izay azonao atao ve ianao?

Tsy modely tokony hotahafina fotsiny

Tsy modely tokony hotahafina fotsiny anefa i Jesosy. Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Nampahafantatra antsika ny marina momba an’Andriamanitra i Jesosy, ka lasa afaka mifandray akaiky amin’ny Rainy isika. Afaka mahazo fiainana koa ireo olona tsy mivadika amin’Andriamanitra, noho ny zavatra nataon’i Jesosy.—Jaona 3:16.

Izao no nolazainy momba an’io antony iray nahatongavany tetỳ an-tany io: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Ho afaka hiaina mandrakizay ny olombelona, noho ny sorona nataon’i Jesosy. Ahoana no handraisantsika soa avy amin’izany? Hoy izy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Mila mianatra momba an’i Jesosy ianao, manahaka ny fomba fiainany, ary mino ny sorona nataony, raha te hiaina mandrakizay. Manasa anao izahay mba hanokana fotoana hianarana ny Baiboly, izay loharanon’izany fahalalana izany, ary hiezaka hampihatra ny zavatra voalaza ao, toy ny nataon’i Jesosy. *

Namela modely ho antsika i Jesosy, mba hahafahantsika hanatsara ny toetrantsika sy ny fomba fiainantsika. Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny fahafatesany ho sorona. (Romanina 6:23) Tsy misy antenaina ny fiainantsika, raha tsy teo i Jesosy Kristy! Aza avela hisakana anao tsy handinika sy hanahaka ny modely tsara nomeny àry ny zavatra fanaonao andavanandro sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Toa rahavavin’i Maria renin’i Jesosy i Salome, renin’i Jaona. Ampitahao amin’ny Matio 27:55, 56 ny Marka 15:40 sy ny Jaona 19:25.

^ feh. 26 Miresaka amin’ny an-tsipiriany ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

▪Tsy niangatra i Jesosy ary nanaja ny hafa

▪Tena namana hatramin’ny farany izy

▪Be herim-po izy

Manaraka akaiky ny dian’i Jesosy araka izay azonao atao ve ianao?

[Sary, pejy 5]

Nahay nandanjalanja i Jesosy ...

mora nifandraisana ...

be fangorahana