Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamorona Mendrika ny Hoderaintsika

Mpamorona Mendrika ny Hoderaintsika

Manatòna An’Andriamanitra

Mpamorona Mendrika ny Hoderaintsika

Apokalypsy 4:11

EFA noeritreretinao ve hoe: ‘Inona no antony hahavelomantsika?’ Tsy mahita ny valin’izany ireo mino fa avy amin’ny kisendrasendra ny fiainana. Tsy toy izany kosa ireo manaiky ilay fahamarinana tsy azo lavina hoe i Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny aina. (Salamo 36:9) Fantatr’izy ireo fa nisy antony ny namoronana ny olona. Hita ao amin’ny Apokalypsy 4:11 izany. Andeha hojerentsika izay nosoratan’ny apostoly Jaona ao.

Milaza i Jaona fa nisy hira fiderana an’Andriamanitra toy izao tany an-danitra: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” I Jehovah irery no mendrika izany voninahitra izany. Nahoana? Satria “namorona ny zava-drehetra” izy. Tokony handrisika ny zavaboary manan-tsaina hanao inona izany?

Mendrika “handray” ny voninahitra sy haja ary hery i Jehovah. Izy no manam-boninahitra sy manan-kaja ary mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao. Tsy tena manaiky azy ho Mpamorona anefa ny ankamaroan’ny olona. Na izany aza dia misy ihany ny olona mahita ny “toetrany tsy hita maso”, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny. (Romanina 1:20) Mankasitraka an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izy ireo, ka manome voninahitra sy haja azy. Ambaran’izy ireo amin’ny olona rehetra àry ilay porofo tsy azo lavina hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra, ka mendrika ny hohajaintsika lalina izy.—Salamo 19:1, 2; 139:14.

Ahoana anefa no handraisan’i Jehovah hery avy amin’ny mpanompony? Marina aloha fa tsy misy zavaboary afaka manome hery an’ilay Mpamorona mahery indrindra. (Isaia 40:25, 26) Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra anefa isika, ka afaka maneho ny toetrany, anisan’izany ny hery. (Genesisy 1:27) Raha tena ankasitrahantsika izay nataon’ny Mpamorona, dia hampiasa ny herintsika hanomezam-boninahitra sy hanajana azy isika. Tsy handanilany ny herintsika mba hanaovana izay tiantsika fotsiny àry isika, fa hanome azy io manontolo ho an’i Jehovah, rehefa manompo azy. Mendrika handray an’izany izy.—Marka 12:30.

Inona àry no antony namoronana antsika? Mamaly izany ny tapany farany amin’ny Apokalypsy 4:11: “Noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana [ny zava-drehetra].” Tsy noho ny sitrapontsika akory no nampisy antsika, fa noho ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy hahafa-po antsika sy tsy hisy dikany àry ny fiainantsika, raha ny sitrapontsika fotsiny no ataontsika. Mila mianatra ny sitrapon’Andriamanitra isika ary miaina mifanaraka amin’izany, raha te hilamin-tsaina sy ho faly sy ho afa-po ary ho sambatra. Amin’izay ihany isika vao hahafantatra ny antony namoronana antsika sy nampisy antsika.—Salamo 40:8.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

NASA, ESA, and A. Nota (STScI)