Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo ny Tena Fahafahana ny Maya

Nahazo ny Tena Fahafahana ny Maya

Nahazo ny Tena Fahafahana ny Maya

IREO zava-bitany miavaka no ahafantarana ny Maya. Isan-taona dia mpizaha tany an’arivony no mankany Yucatán any Meksika, mba hijery ireo piramida lehibe, toy ny any Chichén Itzá sy ny any Cobá. Mahavariana ny zavatra naorin’ny Maya, sy ny zava-bitany teo amin’ny matematika sy ny haisoratra ary ny astronomia. Nampiasa ny isa zerô izy ireo, ary kisarisary be pitsiny no soratra nampiasainy. Nisy 365 andro ny kalandrieny, ary nataony nisy 366 andro izy io isaky ny efa-taona, toy ny kalandrie fampiasantsika.

Ahoana kosa ny fivavahany? Maro ny andriamanitry ny Maya, toy ny andriamanitra masoandro, volana, orana, katsaka, ary zavatra hafa. Tena tia mandinika kintana ny mpisorona maya. Zavatra maro no nataon’izy ireo rehefa nivavaka. Anisan’izany ny fampiasana emboka manitra sy sary, fanapahana rantsambatana, fandatsahan-dra, ary fanaovana sorona olona toy ny voafonja sy ny andevo, ary indrindra fa ny ankizy.

Tonga ny Espaniola

Tontolo toy izany no hitan’ny Espaniola, tamin’izy ireo tonga tany voalohany, teo am-piandohan’ny taonjato faha-16. Roa ny tanjon’ireo Espaniola mpanani-bohitra: Ny hahazo harena sy tany vaovao, ary ny hanova ny Maya ho Katolika, ka hanafaka azy ireo amin’ny fombafomba feno habibiana fanaon’ny mpanompo sampy. Nitondra ny tena fahafahana ho an’ny Maya tokoa ve ny Espaniola, na ara-pivavahana izany na tamin-javatra hafa?

Nanao tavy ny Maya rehefa namboly. Naka an-keriny ny taniny anefa ny Espaniola, anisan’izany ireo mpitondra fivavahana katolika. Sarotra be àry ny fiainan’izy ireo ka nanjaka ny fifankahalana. Nalain’ny mpanjana-tany koa ireo lavaka fantsakan’ny Maya, tany Yucatán. Ireny ihany anefa no namatsy rano azy ireo. Vao mainka sarotra ny fiainany, noho ny hetra isan-taona notakin’ny Eglizy. Nasaina nandoa 12,5 reals * ny lehilahy tsirairay, ary 9 reals kosa ny vehivavy. Ny hetram-panjakana aza anefa efa navesatra tamin’izy ireo. Nohararaotin’ny Espaniola izany, ka naloany aloha ny hetra tokony haloan’ny Maya ho an’ny Eglizy. Notereny hiasa tany aminy avy eo ny Maya mandra-panefany ny trosany, ka kely fotsiny no tsy naha andevo azy ireo.

Naka vola koa ny pretra. Nitaky vola, ohatra, izy ireo tamin’ny batisa sy mariazy ary fandevenana. Lasa nanan-karena ny Eglizy noho ny fakana tanin’olona sy ny hetra ary ireo vola notakiny. Ny Maya kosa nahantra. Ninonino foana sy tsy nahay na inona na inona no niheverana an’ireo tantsaha. Nihevitra àry ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana, fa rariny raha karavasina ny Maya mba hanerena azy hanaraka fitsipika sy tsy hinohino foana.

Adin-tsaranga

Namaly faty ny Maya, tamin’ny voalohany, ka tsy naloany ny hetran’ny Eglizy, ary nesoriny tany amin’ny sekolim-pinoana ny zanany. Tsy nianatra katesizy koa izy ireo, ary tsy nety niasa tao amin’ny toeram-pambolen’ny Espaniola. Vao mainka anefa nampahorina izy ireo, noho izany. Raikitra àry ny ady tamin’ny 1847, izany hoe 300 taona teo ho eo taorian’ny nitondran’ny Espaniola. Notoherin’ny Maya mantsy ny “fotsy hoditra”, ary io ilay antsoina hoe Adin-tsaranga.

Nampiasa lakroa iray nantsoina hoe Lakroa Miteny ireo mpitarika ny fikomiana. Nampirisika ny olona hiady hatramin’ny fara fofonainy izy ireo ka io lakroa io no mody nataony niteny. Nampitondra faisana ny Maya anefa io ady io. Efa ho antsasaky ny Maya tao Yucatán no maty, rehefa nambara fa nifarana ilay ady, tamin’ny 1853. Na izany aza, dia mbola nisy ady ihany tsindraindray, tao anatin’ny 55 taona. Afaka teo ambany vahohon’ny Espaniola ihany ny Maya tamin’ny farany, ary nohavaozina ny fananan-tany. Ahoana kosa ny amin’ny fahafahana ara-pivavahana?

Tsy tena afaka izy ireo

Tsy tena nitondra fahafahana ho an’ny Maya ny fivavahana katolika nentin’ny Espaniola, sy ny Adin-tsaranga. Na ankehitriny aza mantsy, dia mbola hita any ny fifangaroan’ny Fivavahana Katolika sy ny fomban-drazan’ny Maya taloha.

Miresaka momba ny Maya ankehitriny ilay boky hoe Ireo 3 000 Taona Nisian’ny Maya (anglisy). Hoy izy io: ‘Mivavaka amin’ny olo-masina any amin’ny Eglizy ny Maya, nefa koa mankeny an-tsaha sy any anaty zohy ary eny an-tendrombohitra, rehefa mivavaka amin’ny razany sy amin’ireo zavatra efa notompoiny hatry ny ela.’ Ilay andriamanitra atao hoe Quetzalcóatl na Kukulcán no Jesosy amin-dry zareo, ary ny andriamanibavy volana no Maria Virjiny. Ny fivavahana amin’ny lakroa no nasolon’izy ireo ny fivavahana tamin’ny hazo kapoaka. Tondrahan’izy ireo rano toy ny hazo maniry ny lakroa hatramin’izao. Felana kapoaka no andravahan’izy ireo lakroa fa tsy sarin’i Jesosy.

Tonga ihany ny tena fahafahana!

Taona maromaro izay, dia nanao ezaka be ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika mba hampianarana Baiboly ny Maya. Misy boky, sy gazety ara-baiboly toy ity, adika amin’ny teny maya, mba hanampiana azy ireo hahalala ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Inona no vokany? Tamin’ny fotoana nanoratana an’ity lahatsoratra ity, dia 6 600 teo ho eo ny mpitory miteny maya, any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 241, any amin’iny faritra iny. Niala tamin’ny finoana nentim-paharazana ny Maya mba handraisana ny fahamarinana ara-baiboly. Mora tamin’izy ireo ve izany?

Tena sarotra izany tamin’ireo Maya tso-po. Nihevi-tena ho Katolika nafana fo, ohatra, i Marcelino sy Margarita. Nankamasina lakroa izy ireo isan-taona, ka nilanja azy io avy any amin’ny Eglizy ka hatrany an-trano, ary nanolotra biby ho sorona teo amin’ilay izy rehefa tany an-trano. Niarahany nihinana tamin’ny havana aman-tsakaiza ilay sorona avy eo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amin-dry zareo, ary nanomboka nianatra Baiboly izy ireo. Hoy izy mivady: “Fantatray hoe fahamarinana ilay nianaranay, nefa natahotra izahay hoe hisy fanahy hanafika anay raha miova finoana izahay.” Notohizan’izy ireo foana anefa ny fianarany Baiboly. Hoy i Marcelino: “Namaka tsikelikely tao am-ponay ny fahamarinana, ka lasa sahy niresaka ny zavatra nianaranay tamin’ny havana aman-tsakaiza izahay. Faly izahay izao fa afaka tamin’ny finoanoam-poana nanandevo anay. Malahelo aza izahay tsy nanao izany taloha kokoa. Te hanarina ny lasa izahay, ka miezaka mafy miresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly.”

Katolika nafana fo i Alfonso, 73 taona. Izy no mpikarakara ny fety ara-pivavahana tao an-tanànany, anisan’izany ny Lamesa, ny fandihizana, ary ny sakafo sy ny zava-pisotro ho an’izay rehetra tonga. Nisy tolon’omby koa. Hoy i Alfonso: “Tsy nahagaga raha niafara tamin’ny adin’olona efa mamo ireny fety ireny. Tiako ireny fety ireny, nefa tsapako fa nisy tsy ampy tamin’ny fivavahako.” Nanaiky hianatra Baiboly i Alfonso rehefa nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, na dia tsy salama aza. Nialany daholo ny fombafomban’ny fivavahany taloha. Manararaotra miresaka ny finoany vaovao amin’ireo tonga mitsidika azy ao an-tranony izy.

Ohatra vitsy monja ireo, satria Maya maro no nahita ny tena fahafahana ara-pivavahana. Mbola any Yucatán izao ny taranak’ireo nanorina an’ireo piramida lehibe. Mbola miteny maya izy ireo. Trano tora-peta notafoana ravina palmie no ipetrahan’ny Maya maro, toy ny razambeny ihany. Mbola manao tavy izy ireo rehefa mamboly katsaka sy landihazo. Nanafaka Maya maro tamin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso sy ny finoanoam-poana kosa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsapan’izy ireo tokoa fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Vola espaniola taloha ny real.

[Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

Faritra nanjakan’ny kolontsaina maya

Hoalan’i Meksika

MEKSIKA

Yucatán

Chichén Itzá

Cobá

BELIZE

GOATEMALÀ

HONDURAS

SALVADAORO

[Sary, pejy 13]

Sisan-javatra rava, any Chichén Itzá

[Sary, pejy 15]

Marcelino sy Margarita vadiny, mitory ny vaovao tsara any Yucatán