Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Fahadiovana?

Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Fahadiovana?

Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Fahadiovana?

Nampitondra faisana ny olona hatramin’ny ela ny areti-mandringana. Nisy nihevitra hoe avy tamin’Andriamanitra ireny, mba hampahafantarana hoe tezitra izy ka manasazy ny mpanao ratsy. Niezaka mafy sy naharitra anefa ireo mpikaroka, ka nahita fa zavaboary madinika miara-monina amintsika ihany matetika no mitondra aretina.

Hitan’ireo mpikaroka tokoa fa mamindra aretina ny voalavo, totozy, kadradraka, lalitra ary moka. Nanjary fantatra koa fa ny olona ihany matetika no mahatonga areti-mifindra, satria tsy mitandro ny fahadiovana. Afaka misoroka fahafatesana mihitsy àry ny fahadiovana.

Ekena fa samy manana ny ataony hoe “madio” ny olona, arakaraka ny fomban-tany sy ny zava-misy. Mety ho tena sarotra ny hiezaka mba hadio rehefa tsy misy rano amin’ny paompy na kabine ara-dalàna. Izany no toe-javatra nisy ny Israelita, tamin’izy ireo namakivaky ny tany efitra. Faran’izay sarotra ny nitandro ny fahadiovana tany, nefa mbola nomen’Andriamanitra toromarika momba izany ihany izy ireo!

Nahoana àry no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fahadiovana? Ahoana no tokony hiheverana azy io? Inona no zavatra tsotsotra azonao sy ny fianakavianao atao mba hisorohana aretina?

NIRAVA ny mpianatra ary nody i Max kely, * izay mipetraka ao amin’ny trano tsotsotra iray any Cameroun. Noana izy sady nangetaheta. Niditra ny trano àry izy, ary nofihininy vetivety ny alikany izay efa niandry azy. Nataony teo ambony latabatra ny kitapony, ary nipetraka izy niandry ny sakafony.

Tao an-dakozia ny renin’i Max, ary henony ny nidiran-janany. Nitondra vary sy tsaramaso vao mafana eran’ny vilia àry izy. Niova anefa ny endriny rehefa nahita ilay kitapo teo ambony latabatra madio. Nibanjina an’i Max izy, ary nanao hoe: “O ry Max a!” Azon’i Max ny tiany hambara, ka nesoriny toy ny tsy teo ilay kitapo ary lasa haingana izy nisasa tanana. Tsy ela dia niverina izy fa efa maika hihinana. Fantany fa tsy nety ny nataony, ka hoy izy: “Azafady, Neny a! Hadinoko fotsiny ilay izy.”

Afaka manao zavatra betsaka ny reny be fiahiana mba hitandroana ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Mila ny fanampian’ny mpianakavy anefa izy, na izany aza. Hita tamin’ny tantaran’i Max fa mila fotoana ny fanazarana ny olona iray hadio. Mitaky ezaka mitohy mantsy ny fahadiovana, ary mila fampahatsiahivana foana ny ankizy.

Fantatry ny renin’i Max fa mety ho voaloto mora foana ny sakafo. Misasa tanana tsara àry izy alohan’ny handraisana sakafo, ary saronany tsara ny sakafo mba tsy hipetahan’ny lalitra. Ataony azo antoka koa fa voaro foana ny sakafo, ary madio sy milamina foana ny trano, mba tsy dia hisy voalavo sy totozy ary kadradraka.

Te hampifaly an’Andriamanitra koa ny renin’i Max, ary izany aza no tena antony itandroany ny fahadiovana. Hoy izy: “Milaza ny Baiboly fa tokony ho masina ny vahoakan’Andriamanitra, satria masina izy.” (1 Petera 1:16) “Mitovy amin’ny hoe madio ihany ny hoe masina”, hoy izy. “Tiako hadio foana àry ny tokantranoko sy ny ankohonako. Tsy ho vita aloha izany raha tsy mifarimbona izahay rehetra e!”

Tokony hiara-miasa ny mpianakavy

Ny mpianakavy mihitsy no tokony hiara-mientana, araka ny tenin’ny renin’i Max teo. Indraindray ny fianakaviana sasany dia miara-mandinika izay ilaina hatao sy izay azo atao mba hadio kokoa ny tranony, na ny anatiny na ny ivelany. Mampiray hina ny mpianakavy koa izany, sady mampahatsiahy azy fa afaka manao izay hahasoa ny rehetra izy. Azon’ny reny atao, ohatra, ny manazava amin’ireo zanany efa lehibebe hoe nahoana izy ireo no tokony hisasa tanana rehefa avy any an-kabine, na nandray zavatra maloto toy ny vola, na alohan’ny hisakafo. Ireo indray avy eo no hanampy ny zandriny mba tsy hanao tsirambina an’izany.

Azo zaraina amin’ny rehetra ny raharaha ao an-trano. Mety hanapa-kevitra ny mpianakavy fa hodiovina matetika ny trano mandritra ny herinandro, ary hodiovina tanteraka indray mandeha na indroa isan-taona. Ary ny eny ivelany? Hoy i Stewart Udall, mpiaro ny tontolo iainana, rehefa niresaka momba an’i Etazonia: “Mihalefy ny hakanton’ity tany ity, fa ny haratsiny kosa mihamitombo. Mihamihena koa ny toerana malalaka ary mihasimba isan’andro ny tontolo iainana noho ny fandotoana, ny tabataba ary ny fanaovana tsirambina.”

Izany koa ve no fahitanao ny manodidina anao? Taloha dia nisy mpiantso fokonolona nampaneno lakolosy, ary mbola misy toy izany atsy Afrika Afovoany. Miantsoantso izy io ka mampahatsiahy ny mponina mba hanadio tanàna, hanala ny loto ao amin’ny tatatra sy ny fantson-drano, handrantsana ny hazo, hanala ny ahidratsy ary hanary ny fako.

Olana eran-tany ny fanariana fako, ary sahiran-tsaina amin’izany ny manam-pahefana maro. Tsy maharaka mandraoka fako ny tanàna sasany, ka miavosa eny amin’ny arabe izy ireny. Mety hangatahina mba hanampy àry ny vahoaka. Olom-pirenena mahafatra-po ny Kristianina, ka izy ireo no voalohany mamaly ny antso sy mankatò lalàna sady tsy mimenomenona. (Romanina 13:3, 5-7) Vonona hanao mihoatra noho izay takina izy ireo amin’io lafiny io. Tian’izy ireo hadio ny tontolo iainana, ary tsy miandry mpiantso fokonolona izy vao hanadio. Fantany fa hita taratra amin’ny fahadiovan’ny olona hoe nozarina hadio izy sady mahay mandray andraikitra. Miainga amin’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana tsirairay ny fahadiovana. Raha miezaka kely fotsiny isika manadio ny eny ivelan’ny trano, dia ho salama kokoa, ary hahafinaritra kokoa ny mijery ny manodidina.

Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fahadiovantsika

Ahitana taratry ny maha mpivavaka antsika ny fahadiovantsika sy ny fanaovantsika fitafiana mendrika. Manintona ny olona koa izany matetika. Niditra hisakafo tao amin’ny hotely iray, ohatra, ny tovolahy sy tovovavy 15 vao avy nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Toulouse, any Frantsa. Nisy mpivady zokiolona nipetraka teo amin’ny latabatra teo akaiky teo. Nieritreritra izy mivady fa hitabataba sy hanaraby izy ireo. Gaga anefa izy mivady fa nilamina tsara izy ireo, sady nahafinaritra ny resaka nifanaovany. Voamarik’izy roa koa fa maotina ny fitafian’izy ireo. Nidera azy ireo àry ilay mpivady, rehefa niomana ny handeha ireo tanora ireo. Nilaza tamin’ny iray taminy mihitsy izy mivady hoe tsy fahita firy ny fitondran-tena fakan-tahaka toy izany.

Matetika no vaky vava izay mitsidika ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ny trano fanaovam-pirinty ary ny trano fonenana ao amin’ireny toerana ireny, noho ny fahadiovana hitany any. Tokony hanao akanjo madio ary hisasa sy handro matetika ny mpiasa an-tsitrapo monina any. Tsy ampy ny manisy ranomanitra sy ny toy izany. Madio tsara àry ireny mpiasa an-tsitrapo manompo manontolo andro ireny, rehefa mitory amin’ny takariva na faran’ny herinandro, ka manintona ny olona ny hafatra toriny.

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo”

Ampirisihina “hanahaka an’Andriamanitra” ny Kristianina. (Efesianina 5:1) Nitantara i Isaia mpaminany hoe nahita anjely nilaza toy izao momba ny Mpamorona: “Masina, masina, masina.” (Isaia 6:3) Hamafisin’izany fa faran’izay madio Andriamanitra. Takiny mba ho masina sy hadio àry ny mpanompony. “Aoka ho masina ianareo, satria masina aho”, hoy izy amin’izy ireo.—1 Petera 1:16.

Mampirisika ny Kristianina hanao “fitafiana mendrika” ny Baiboly. (1 Timoty 2:9, Fandikan-teny Katolika) Tsy mahagaga àry raha “lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara” no ilazana ny asa marina ataon’ny olona heverin’Andriamanitra ho masina, ao amin’ny Apokalypsy 19:8. Tasy na loto kosa matetika no ilazana ny fahotana, ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 15:26; Isaia 1:16; Jakoba 1:27.

Any amin’ny faritra maro, dia tena sarotra ny mitandro ny fahadiovana sy ny manana fitondran-tena madio ary manaraka fivavahana madio. Olona maro be ankehitriny no voatery mipetraka any amin’ny toerana toy izany. Ho voalamina tanteraka anefa io olana io rehefa ‘hataon’Andriamanitra vaovao ny zava-drehetra.’ (Apokalypsy 21:5) Tsy hisy intsony mandrakizay ny karazana loto rehetra, rehefa tanteraka izany fampanantenana izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana.

[Efajoro, pejy 10]

Mandidy Antsika mba Hadio Andriamanitra

Nasaina nanaraka tsara ny toromarika momba ny fanariana maloto ny Israelita, tamin’izy ireo namakivaky ny tany efitra. (Deoteronomia 23:12-14) Tsy maintsy ho nandreraka be izany, satria tena lehibe ilay toby. Azo antoka anefa fa nisoroka aretina, toy ny tefoedra sy kôlerà, izy ireo rehefa nankatò izany.

Nasaina nosasan’ny Israelita na nopotehiny ny zavatra nikasika faty. Nety tsy ho azon’izy ireo ny antony, nefa nanampy azy hisoroka aretina sy valanaretina izany.—Levitikosy 11:32-38.

Tsy maintsy nisasa tanana sy tongotra ny mpisorona talohan’ny nanaovany ny asany tao amin’ny tranolay. Nety tsy ho mora ny nameno rano an’ilay kovetabe varahina, nefa tena tsy maintsy nanao izany izy ireo mba hahafahany hisasa.—Eksodosy 30:17-21.

[Efajoro, pejy 11]

Fampahatsiahivan’ny Dokotera

Tena ilaina ny rano mba hahavelona, fa miteraka aretina sy mahafaty kosa izy io raha maloto. Nanome soso-kevitra azo ampiharina ny Dr. Mbangue Lobe, lehiben’ny toeram-pitsaboana ao amin’ny seranan-tsambon’i Douala, any Cameroun.

Hoy izy: “Ampangotraho ny rano fisotro raha mampisalasala.” Nampitandrina anefa izy hoe: “Tsara ny mampiasa ranon-javely na zavatra toy izany, saingy mety hampidi-doza izy ireny raha tsy araka ny tokony ho izy ny fampiasana azy. Sasao amin’ny savony foana ny tananao alohan’ny hisakafo, sy rehefa avy any an-kabine. Tsy lafo ny savony, ka na ny mahantra aza mahavidy azy. Sasao matetika ny akanjonao, ary sasao amin’ny rano mafana izany raha misy aretin-koditra ianao.”

“Tokony hifarimbona ny mpianakavy mba hadio foana ny ao an-trano sy ny eo ivelany”, hoy ihany ilay dokotera. “Matetika no atao tsirambina ny kabine ka lasa feno kadradraka sy lalitra.” Nilaza zava-dehibe momba ny ankizy izy avy eo hoe: “Aza mandro eo amin’ireny renirano kely eny amin’ny manodidina ireny, fa feno mikraoba tena ratsy ireny. Misasà alohan’ny hatory, borosio tsara ny nify amin’ny alina, ary mampiasà lay aromoka rehefa matory.” Ny votoatin’izany rehetra izany dia ny mitsinjo mialoha sy manao zavatra. Hisoroka aretina ianao amin’izay.

[Sary, pejy 10]

Hisoroka aretin-koditra ianao raha manasa ny akanjonao

[Sary, pejy 10]

Tsy miandry mpiantso fokonolona ny Kristianina vao hanadio ny manodidina

[Sary, pejy 10]

Afaka manao zavatra betsaka ny reny be fiahiana mba hitandroana ny fahadiovan’ny ankohonany