Nitady ny Diso Kanjo Nahita ny Marina
Nitady ny Diso Kanjo Nahita ny Marina
Notantarain’i Stuart Marshall
Niangaviako ny mompera zezoita iray mba hanaporofo amin’ny vadiko fa diso ny fivavahany. Hoy anefa ilay mompera: “Tsy miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay satria mampiasa Baiboly ry zareo.” Gaga be aho. Naleoko àry nianatra tamin’ny Vavolombelona. Izaho mihitsy amin’izay no handresy lahatra ny vadiko.
EFA 43 taona aho tamin’io. Niezaka nandresy lahatra ny vadiko aho fa diso ny fivavahany. Nampisaintsaina azy aho, ary nampiasa ny fahaizako teolojia. Tany amin’ny sekoly katolika mantsy aho no nianatra, ary tsy maintsy nanao filozofia sy teolojia. Tsy niala tany aho raha tsy nahazo diplaoma momba ny toe-karena, tamin’ny 1969. Tsy nampianarina Baiboly mihitsy anefa aho.
Nanambady an’i Patricia McGinn aho, rehefa vita ny fianarako. Katolika koa izy. Mbola nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Stanford izahay avy eo, ary nahazo ny diplaoma ambony indrindra. Teraka i Stuart zanakay, tamin’ny 1977. Nipetraka tany Sacramento, eto Kalifornia, Etazonia, izahay tatỳ aoriana. Niasa 23 taona tao amin’ny LAO aho. Anisan’ny asan’io birao io ny manoro hevitra ny mpiasam-panjakana miandraikitra ny fampianarana eto Kalifornia. Atoro azy ireo ny lafy tsara sy lafy ratsin’izay tetikasa eritreretiny hatao. Niasa mafy aho, ka nety tsara ny fiainanay. Tiako koa ny nanabe ny zanako. Nifanampy foana izahay mivady.
Manome vola kely dia mahazo valiny
Nomen’ny Vavolombelona Baiboly i Patricia, tamin’ny zanakay roa taona. Nianatra tamin’izy ireo àry izy. Natao batisa izy, telo taona taorian’izay. Nihevitra aho hoe tery saina ny Vavolombelona, satria tsy mankalaza fety ary tsy manaiky hampidiran-dra. Hitako anefa hoe misy marina ny fampianarany. Voateniko ampahibemaso izany tamin’ny 1987! Niara-nivory tamin’ny mpiasam-panjakana ambony miandraikitra ny fampianarana aho tamin’izay. Nisy zavatra tsy nekeko, ka nasain’izy ireo nohazavaiko ny antony.
Te hanao fitaovana arifomba hampandrosoana ny siansa mantsy ny fanjakana. Enina arivo tapitrisa dolara no ho lany aminy. Nisy fifaninanana natao anefa, ka izay oniversite mandresy no homena an’io vola io. Nangataka vola tamin’ny fanjakana àry ny Oniversiten’i Kalifornia mba hanaovana ilay fifaninanana.
Nilaza anefa aho hoe tsy tokony hekena ilay fangatahana, satria tsy tena hahasoa ilay fitaovana. Nanda ny teniko ilay oniversite, ka nanasa fizisianina roa, efa nahazo ny loka Nobel, hanazava ny soa ho azo amin’ilay izy. Nilaza ny iray fa mety ho fantatra hoe ahoana no niandohan’izao rehetra izao. Ilay faharoa kosa nilaza fa mety ho fantatra hoe ahoana no nampisy ny zavamananaina.Nijery ahy ny lehiben’ireo mpiasam-panjakana ambony.
Hoy izy: “Fanontaniana tsy dia lehibe ve ireo aminao, ka tsy ilana handaniana enina arivo tapitrisa dolara?”
Namaly aho hoe: ‘Eny e! Tena lehibe ireo, nefa ny gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia efa mahavaly azy. Anaterany foana aho isaky ny asabotsy maraina, ary manome 25 cents [16 ariary] fotsiny dia mahazo an’ilay izy. Ka tsy aleo ve mandoa 25 cents, toy izay enina arivo tapitrisa dolara? Mety tsy ho marina akory mantsy ny valiny ho azontsika amin’ilay fitaovana.’
Toran’ny hehy ny rehetra, anisan’izany ireo fizisianina. Nanaiky hanome vola an’ilay oniversite ihany ny fanjakana. Tsy nisy nanda ny teniko anefa.
Nisy zavatra nahasorena ahy tatỳ aoriana, ka nitadiavako vahaolana. Te hampihena ny ora iasany ny vadiko, mba hitoriana bebe kokoa ny filazantsara, hono. Mpampianatra tany amin’ny oniversite izy tamin’izay. Sosotra aho hoe vehivavy misaina toa azy dia izany no mba tanjony. Sady efa enin-taona aho no nandresy lahatra azy, ka niady hevitra taminy momba ny Baiboly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Toa tsy azo nahodina mihitsy anefa ny sainy.
Nitady olona hanampy ahy àry aho. Olona tena mahay Baiboly no notadiaviko, mba hahavita hanaporofo fa mifanohitra amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nieritreritra aho hoe na fampianarana iray monja aza no ho hitan’ny vadiko fa diso, dia efa mety hiova hevitra izy. Nanatona mompera zezoita àry aho. Tany amin’ny fiangonany izahay no nivavaka taloha. Tsy nety niresaka tamin’i Patricia anefa izy, araka ilay nolazaiko teny aloha. Tapa-kevitra àry aho fa izaho mihitsy no hitady ny diso amin’ny fampianaran’ny Vavolombelona, na dia tsy ho vitako vetivety aza izany.
Nitady ny diso aho
Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly no tena nampiaiky ahy, rehefa nianatra tamin’ny Vavolombelona aho. Nianarako fa Isaia 44:27–45:4) Tsaroako fa efa nianatra an’io paikadin’i Kyrosy io izahay tany am-pianarana. Hitako tao amin’ny Baiboly koa fa naminany i Daniela hoe hozaraina efatra ny fanjakan’ny mpanjaka grika iray matanjaka be, rehefa maty izy io. Tsy dia hatanjaka anefa ireo fanjakana ireo. Efa 200 taona mahery i Daniela no nilaza izany. (Daniela 8:21, 22) I Aleksandra Lehibe ilay mpanjaka. Efa nianaranay koa izany taloha. Mbola nikaroka tao amin’ny boky tantara anefa aho, ka hitako fa tena nosoratana talohan’ny fotoana nitrangany tokoa ireo faminaniana ireo.
naminany i Isaia hoe ho resy i Babylona, ary efa ho 200 taona mialoha izy no nilaza izany tamin’ny an-tsipiriany. Niteny, ohatra, izy hoe i Kyrosy no handresy an’i Babylona, ary haviliny ny Reniranon’i Eofrata mba hidirana ao. (Rehefa nianatra Baiboly kelikely aho, dia niaiky fa Tenin’Andriamanitra izy io. Izay aho vao resy lahatra, nefa taona maro no nianarako teolojia. Inona àry no nataoko? Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho, ary lasa Vavolombelony. (Isaia 43:10) Natao batisa aho tamin’ny 1991, roa taona monja taorian’ny niresahako tamin’ilay mompera. Natao batisa koa ny zanakay, herintaona tatỳ aoriana.
Novanay ny tanjonay nanomboka teo. Niezaka nanatsotra ny fiainanay, ohatra, izahay, mba hahafahan’ny vadiko hiala amin’ny asany rehefa afaka dimy taona, izany hoe rehefa 50 taona izy. Te ho mpitory manontolo andro mantsy izy, na mpisava lalana maharitra. Mbola 1 000 ora isan-taona, na 83 ora eo ho eo isam-bolana tamin’izany, no natokan’ny mpisava lalana hitoriana. Lasa nalalaka tsara ny fotoanan’i Patricia tamin’ny 1994, ka afaka nirotsaka ho mpisava lalana izy. Ny tanjoko kosa tamin’izany dia ny hanatsara ny fitoriako, hanampy ny fiangonanay, ary hampiasa ny fahaizako kaonty raha misy Efitrano Fanjakana haorina eto aminay.
Afaka niresaka momba ny Baiboly aho indraindray, tany am-piasana. Vavolombelona, ohatra, ny mpiara-miasa tamiko iray, saingy tsy nivory sy tsy nitory intsony. Nisy zavatra nampisalasala azy mantsy tao amin’ny Baiboly. Niezaka nanampy azy àry aho, ka faly satria lasa mpisava lalana izy rehefa nody tany aminy.
Tamin’ny 1995, dia niara-nivory tamin’ny mpiasam-panjakana ambony miandraikitra ny fampianarana indray aho. Nivory momba ny fikarohana iray notohanan’ny fanjakana izahay. Nanontaniana ny solontenam-panjakana hoe iza ihany no nandresy tamin’ilay fifaninanana. Nilaza izy hoe ny Oniversiten’i Texas. Mbola tsy vita anefa ilay fitaovana noho ny antony telo. Voalohany, lasa sivy arivo tapitrisa dolara indray vao ampy hamitana azy. Faharoa, nisy zavatra hafa nilan’ny fanjakana vola, anisan’izany ny ady tany Irak, tamin’ny 1991. Ary fahatelo, tsy ilaina akory, hono, ilay fitaovana, fa manome 25 cents amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny ny olona, dia mahazo ny valin’ny fanontaniany momba ny niandohan’izao rehetra izao! Izay ilay teny nolazaiko. Hay lasa nalaza ilay izy!
Nihomehy indray ny rehetra, ary nisy nijery ahy. Hoy àry aho: ‘Efa tsy 25 cents intsony aza ilay izy izao, fa maimaim-poana!’
Tianay ny fiainanay
Rehefa tsy niasa intsony ny vadiko, dia nisy tanjona hafa indray noeritreretinay hotratrarina ao anatin’ny dimy taona. Te hitory bebe kokoa aho, ka nitady asa tapa-potoana. Tsy nampoiziko fa nilaza ny LAO hoe afaka mampihena ny ora iasako aho. Lasa mpisava lalana koa àry aho tamin’ny 1998.
Niantso anay an-telefaonina ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Brooklyn, any New York, indray maraina. Efa handeha hitory izahay mivady tamin’izay. Nanazava ilay rahalahy niantso anay hoe misy asa eritreretin’izy ireo hatao, ka sao dia mazoto hanampy azy ireo aho. Efa nampandrenesina tany
amin’ny fiangonanay izy io talohan’izay. Nanaiky avy hatrany aho! Niasa tany Brooklyn nandritra ny herintaona sy tapany àry izahay. Nangataka fisotroan-dronono alohan’ny fotoana aho, mba hahafahako hamita an’ilay asa. Nanampy tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Fairfield, eto Kalifornia izahay avy eo. Namidinay ny tranonay tany Sacramento, ary nifindra tao amin’ny trano kelikely eto Palo Alto izahay. Soa ihany aho fa nangataka fisotroan-dronono, satria nitombo ny fitahiana azonay. Nisy asa nanirahana anay mantsy tany amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria, Afrika Atsimo, Kanada, Grande-Bretagne, ary Alemaina.Faly izahay izao manampy ny olona hahalala ny fahamarinana, toy ny nataon’ireo Vavolombelona nanampy anay. Efa maro ny fianarana ambony vitako, fa ny an’i Jehovah no hitako hoe ambony sy mahasoa indrindra. Isan-karazany ny zavatra ampianariny. Ampiofaniny ny Vavolombelony, mba hahay hampianatra sy hanohina ny fon’ny olona. Izany no mahatonga ahy te hianatra foana. Tianay mivady ny fiainanay. Faly koa izahay mampiasa ny fahaizanay, mba hanompoana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao.
[Teny notsongaina, pejy 27]
Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly no tena nampiaiky ahy, rehefa nianatra tamin’ny Vavolombelona aho
[Sary, pejy 27]
Izahay sy Patricia tamin’ny mariazinay
[Sary, pejy 29]
Tianay ny mitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly