Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kristianina Voalohany sy ny Tontolo Grika

Ny Kristianina Voalohany sy ny Tontolo Grika

Ny Kristianina Voalohany sy ny Tontolo Grika

NITENY grika ny ankamaroan’ny olona nitorian’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny teny grika ny Soratra Masina nitoriany momba an’i Jesosy. Rehefa nanoratra ny Soratra Grika Kristianina ireo mpanoratra ny Baiboly, dia teny grika no nampiasain’ny ankamaroany. Teny sy fanoharana mora takatry ny olona nifampikasoka tamin’ny kolontsaina grika no nampiasainy. Tsy Grika anefa i Jesosy sy ny apostoliny ary ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina, fa Jiosy daholo.—Romanina 3:1, 2.

Nahoana ny teny grika no nitana toerana lehibe teo amin’ny fielezan’ny Fivavahana Kristianina? Ahoana no nataon’ireo mpanoratra sy misionera kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mba hahaliana an’ireo niteny grika ny hafatra notoriny? Ary nahoana no mahaliana antsika izany tantara fahiny izany?

Niely ny kolontsaina grika

Narodan’i Aleksandra Lehibe ny Fanjakana Persianina, tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Nanomboka naka tany maro kokoa izy. Te hampiray an’ireo tany azony izy sy ireo mpanjaka nandimby azy, ka nampirisihiny hiteny grika sy handray ny kolontsaina grika ny olona.

Nanjary teo ambany vahohon’i Roma i Gresy tatỳ aoriana, ka vita hatreo ny fahefany ara-politika. Mbola nahazo vahana teo amin’ireo firenena nanodidina anefa ny kolontsaina grika. Tamin’ny taonjato faharoa sy voalohany T.K., dia nohindrahindrain’ny mpitondra romanina ny zava-drehetra avy any Gresy, toy ny zava-kanto, tao-trano, haisoratra, ary filozofia, ka nilaza toy izao mihitsy ilay poety atao hoe Horace: “Babo i Gresy, nefa ny mpamabo azy indray ity no baboiny.”

Tanàn-dehibe maro eran’i Azia Minora sy Syria ary Ejipta no lasa foiben’ny kolontsaina grika, teo ambany fitondran’i Roma. Anisan’ny nampandroso ny olona ny kolontsaina grika, izay nisy heriny teo amin’ny fiainam-bahoaka, nanomboka tany amin’ny andrim-panjakana sy ny fitsarana, ka hatramin’ny varotra sy ny indostria, ary na dia ny lamaody aza. Saika ny tanàna grika rehetra no nisy kianja nanaovan’ny tovolahy fanazaran-tena, sy toerana filalaovana tantara an-tsehatra grika.

Hoy i Emil Schürer, mpahay tantara: “Voasarika tsikelikely tamin’ny kolontsaina grika koa ny Jiosy fa tsy nahatohitra.” Nafana fo tamin’ny fivavahany ny Jiosy, ka vitany ihany tamin’ny voalohany ny nanohitra ny fanompoan-tsampy nentin’ny kolontsaina grika. Lafiny maro tamin’ny fiainan’ny Jiosy anefa no voakasik’izy io, tamin’ny farany. “Vitsy ny Jiosy”, hoy i Schürer, “nefa saika Grika daholo ny nanodidina azy, ary voatery nifandray foana tamin’ny Grika izy ireo, noho ny varotra.”

Ny anjara asan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo

Jiosy maro no nifindra tany amin’ireo tany manodidina an’i Mediterane. Tanàna nanjakan’ny kolontsaina grika sy niteny grika àry no lasa fonenan’izy ireo. Mbola nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy ireny mpiavy ireny, ary nankany Jerosalema rehefa tonga ireo fety fanao isan-taona. Tsy nahay teny hebreo intsony anefa ny ankamaroany, rehefa nandeha ny fotoana. * Nilaina nadika tamin’ny teny grika fampiasan’ny besinimaro àry ny Soratra Hebreo. Manam-pahaizana jiosy no nanomboka an’ilay fandikan-teny, tamin’ny 280 T.K. tany ho any. Azo inoana fa tao Aleksandria any Ejipta, izay foiben’ny kolontsaina grika, no nanaovan’izy ireo izany. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no vokatry ny asan’izy ireo.

Nanamarika ny tantara ny nahavitan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Izy io no nahafantaran’ny Tandrefana ny harena sarobidy raketin’ny Soratra Hebreo. Raha tsy nisy azy io koa, dia tsy ho fantatr’olona ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Israely, satria vitsy no nahalala ny Soratra Hebreo. Tsy azon’ny maro intsony koa ny teny hebreo, ka tsy dia hahafahana mitory ny Filazantsara eran-tany. Afaka nahalala an’i Jehovah ny olona samihafa fiaviana, noho ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, satria foto-pisainana sy fiteny fantatr’izy ireo no tao anatiny. Be mpampiasa ny teny grika ka azo nampiasaina tsara hitoriana eran-tany, raha oharina amin’ny fiteny hafa.

Ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy sy ireo natahotra an’Andriamanitra

Tamin’ny taonjato faharoa T.K., dia maro tamin’ny asa soratry ny Jiosy no efa voadikany tamin’ny teny grika. Nataony tamin’ny teny grika avy hatrany kosa ny asa soratra vaovao. Nanjary fantatry ny hafa firenena àry ny tantaran’ny Israelita sy ny fivavahany. Milaza ny mpahay tantara fa maro tamin’ny hafa firenena tamin’izany andro izany no “azo lazaina hoe nifandray akaiky tamin’ny Jiosy, sy nanaraka ny Fivavahana Jiosy, ary nitandrina ny lalàna jiosy. Tena nitandrina izany izy ireny indraindray, ary indraindray zara raha nitandrina.”—Ny Tantaran’ny Jiosy Tamin’ny Andron’i Jesosy Kristy (anglisy).

Niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy sy nanaiky hoforana ny sasany tamin’ny hafa firenena, tamin’ny farany. Ny hafa kosa nanaraka ny zavatra sasany fotsiny fa tsy nety niova finoana. Matetika izy ireny no antsoina hoe “natahotra an’Andriamanitra”, ao amin’ny asa soratra grika. Antsoina hoe “mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra” i Kornelio. Olona maro natahotra an’Andriamanitra sy nifanerasera tamin’ny Jiosy no nihaona tamin’ny apostoly Paoly, tany Azia Minora sy Gresy. Tany Antiokia any Pisidia, ohatra, dia hoy i Paoly tamin’ireo nivory tao amin’ny synagoga: “Ry Israelita sy ianareo matahotra an’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 10:2; 13:16, 26; 17:4; 18:4.

Nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ny Jiosy tany ivelan’i Jodia ny mpianatr’i Jesosy. Maro tamin’ireo nandre ny fitoriany no nobeazina tamin’ny kolontsaina grika. Maro tamin’ny olona toy ireny no lasa Kristianina. Rehefa nazava fa na ny hafa firenena koa aza mba nomen’Andriamanitra fanantenana ny ho voavonjy, dia takatr’ireo mpianatra fa “tsy misy intsony na Jiosy na Grika”, eo imason’Andriamanitra.—Galatianina 3:28.

Fitoriana tamin’ny Grika

Fantatry ny sasany tamin’ireo Kristianina jiosy tany am-boalohany ny fivavahan’ny hafa firenena sy ny fitondran-tenany, ka nisalasala ny hanaiky hafa firenena ho anisan’ny fiangonana izy ireo. Rehefa nazava àry fa vonona handray an’ireo hafa firenena Andriamanitra, dia nanambara mazava ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema fa tsy maintsy mifady ra sy fijangajangana ary fanompoan-tsampy izy ireny. (Asan’ny Apostoly 15:29) Tena nilain’ireo nobeazina tamin’ny kolontsaina grika izany, satria vonton’ny “filan’ny nofo mahafa-baraka” sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny tontolo grika sy romanina. Tsy afaka hanao toy izany anefa ny Kristianina.—Romanina 1:26, 27; 1 Korintianina 6:9, 10.

Tsy nisy nalaza hoatran’ny apostoly Paoly ireo misionera kristianina nitory tamin’ny Grika, tamin’ny taonjato voalohany. Mpitsangantsangana maro tonga any Atena, any Gresy, no mbola afaka mijery an’ilay takela-by eo am-pototry ny Areopago. Fahatsiarovana an’ilay lahateny malaza nataon’i Paoly tao Atena io takela-by io. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17 io lahateny io. Hoy i Paoly tamin’izay: “Ry Atenianina.” Io no teny fanombohan’ny Grika ny kabariny, ka azo antoka fa vonona hihaino an’i Paoly izy ireo, anisan’izany ireo Epikoreanina sy filozofa stôika. Tsy nasehon’i Paoly ny fahasosorany, ary tsy nokianiny ny finoan’izy ireo. Izay nahafinaritra azy ireo kosa no nataony ka nekeny fa mpivavaka be izy ireo. Niresaka momba ilay alitara nisy soratra hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” i Paoly, ary nitady marimaritra iraisana ka nilaza fa io ilay Andriamanitra tiany horesahina.—Asan’ny Apostoly 17:16-23.

Nanohina ny fon’ireo nihaino azy i Paoly satria hevitra azon’izy ireo nekena no nambarany. Niombon-kevitra taminy ny Stôika, momba ny hoe Andriamanitra no Loharanon’aina, iray firazanana ny olona rehetra, tsy lavitra antsika Andriamanitra, ary miankina amin’Andriamanitra ny fiainan’olombelona. Mba hanohanana an’io hevitra farany io, dia nindramin’i Paoly ny tenin’i Aratus (Phaenomena) sy Cléanthe (Hira Fiderana An’i Zeosy), poety stôika. Hitan’ny Epikoreanina koa fa betsaka ny hevitra niombonany tamin’i Paoly, anisan’izany ny hoe velona Andriamanitra, sady azo fantarina, mahavita tena, tsy mila na inona na inona avy amin’ny olona, ary tsy mipetraka ao amin’ny tempoly nataon-tanana.

Tsy vaovao tamin’ny mpihaino azy ny teny nampiasain’i Paoly. Lazain’ny boky iray fa matetika no nampiasain’ny filozofa grika ny teny hoe “izao tontolo izao (kôsmôs)”, ‘nateraka’, ary “Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 17:24-29) Tsy nampandefitra ny fahamarinana i Paoly, na dia te handresy lahatra azy ireo aza. Nifanohitra tamin’ny finoan’izy ireo, raha ny marina, ny teny farany nataon’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana. Nampifanarahany tsara tamin’ireo nihaino azy anefa ny fitoriany, mba hanintonana an’ireo olona be filozofia ireo.

Maro tamin’ny taratasin’i Paoly no nalefa ho an’ny fiangonana tany amin’ireo tanàna grika sy zanatany romanina, izay vonton’ny kolontsaina grika. Nosoratana tamin’ny teny grika mirindra sy mafonja izy ireny, sady nisy hevitra sy ohatra be mpahalala teo amin’ny kolontsaina grika. Noresahin’i Paoly, ohatra, ny amin’ireo mpihazakazaka nifaninana, loka azon’ny mpandresy, mpitaiza manatitra mpianatra, ary ohatra maro hafa teo amin’ny fiainan’ny Grika. (1 Korintianina 9:24-27; Galatianina 3:24, 25) Nindrana teny avy amin’ny teny grika i Paoly, nefa nolaviny an-kitsirano ny fitondran-tenan’ny Grika sy ny finoany.

Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra

Niaiky i Paoly fa tsy maintsy “tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy mba hitoriana ny vaovao tsara. Hoy izy: “Tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy”, ary tamin’ny Grika dia tonga toy ny Grika, mba hanampiana azy ireny hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra. Hain’i Paoly tsara ny nanao izany, satria Jiosy avy tao amin’ny tanàna nanjakan’ny kolontsaina grika izy. Tsy maintsy manao toy izany koa ny Kristianina rehetra ankehitriny.—1 Korintianina 9:20-23.

Olona an-tapitrisany ankehitriny no mifindra any an-tany hafa sy any amin’ny kolontsaina hafa. Tena zava-tsarotra ho an’ny Kristianina izany, noho izy ireo miezaka mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy manatanteraka ilay didin’i Jesosy ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14; 28:19) Imbetsaka no tsapan’izy ireo fa latsa-paka any am-pon’ny olona ny vaovao tsara rehefa torina amin’ny fitenin-drazany.

Noho izany, dia avoaka isam-bolana amin’ny fiteny 169 ity gazety Ny Tilikambo Fiambenana ity, ary ny Mifohaza! kosa amin’ny fiteny 81. Te hitory ny vaovao tsara amin’ny olona mifindra eny akaikiny ny Vavolombelon’i Jehovah, ka maro aminy no miezaka mianatra fiteny vaovao, anisan’izany ny fiteny sarotra toy ny arabo sy ny sinoa ary ny rosianina. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany ny tanjon’izy ireo. Hoy indrindra i Paoly momba izany: “Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.”—1 Korintianina 9:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Niteny grika ny Jiosy maro tao Jerosalema. Tao, ohatra, no nisy an’ireo lehilahy “avy tamin’ilay antsoina hoe Synagogan’ireo Nomena Fahafahana ... ary koa avy tamin’ny Kyrenianina sy ny Aleksandrianina, ary lehilahy avy any Kilikia sy Azia.” Azo inoana fa niteny grika izy ireo.—Asan’ny Apostoly 6:1, 9.

[Sarintany, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

Roma

GRESY

Atena

AZIA

Antiokia (any Pisidia)

KILIKIA

SYRIA

JODIA

Jerosalema

EJIPTA

Aleksandria

Kyrena

RANOMASINA MEDITERANE

[Sary, pejy 19]

Nanampy olona hahalala an’i Jehovah ny “Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo”, tamin’ny taonjato voalohany

[Sary nahazoan-dalana]

Israel Antiquities Authority

[Sary, pejy 20]

Takela-by ao Areopago, ho fahatsiarovana ilay lahatenin’i Paoly