Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

Nahoana i Davida no Tsy Natahotra?

Nahoana i Davida no Tsy Natahotra?

MBA matahotra ve ianao indraindray?... a Mety hahazo ny olon-drehetra izany. Inona no azonao atao rehefa matahotra?... Miresaha, ohatra, amin’ny olon-dehibe sy matanjaka kokoa noho ianao. Ohatra hoe i Dada na Neny. Afaka manao toa an’i Davida koa ianao. Nitady fanampiana tamin’Andriamanitra izy. Hoy izy: ‘Mitoky aminao aho. Andriamanitra no itokisako, ka tsy hatahotra aho.’—Salamo 56:3, 4.

Iza no nampianatra an’i Davida mba tsy hatahotra? Ny dada sy mamany ve?... Ie. I Jese no dadany. Nanam-pinoana izy ary razamben’i Jesosy Kristy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana” nampanantenain’Andriamanitra. (Isaia 9:6; 11:1-3, 10) I Obeda no dadan’i Jese, izany hoe dadaben’i Davida. Ary fantatrao ve ny maman’i Obeda?... Rota. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy, ary misy boky ao amin’ny Baiboly aza mitondra ny anarany. I Boaza no vadiny.—Rota 4:21, 22.

Efa maty efa ela i Rota sy Boaza, vao teraka i Davida. Fantatrao angamba ny maman’i Boaza, izany hoe ny beben’ny dadaben’i Davida. Nipetraka tao Jeriko izy, ary nanampy mpitsikilo israelita roa. Tsy maty izy sy ny fianakaviany rehefa noravana ny mandan’i Jeriko. Nisy tady mena midorehitra mantsy nafatony teo am-baravarankeliny. Fantatrao ve ny anarany?... Rahaba. Lasa mpanompon’i Jehovah izy, ary tokony ho be herim-po toa azy ny Kristianina.—Josoa 2:1-21; 6:22-25; Hebreo 11:30, 31.

Tsy maintsy hoe nolazain’ny dada sy maman’i Davida taminy, ny tantaran’ireny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ireny. Nasaina nampianatra an’izany mantsy ny ray aman-dreny. (Deoteronomia 6:4-9) Tatỳ aoriana dia nirahin’Andriamanitra i Samoela mpaminany mba hifidy an’i Davida, zanak’i Jese faralahy, ho mpanjakan’ny Israely.—1 Samoela 16:4-13.

Indray andro dia nirahin’i Jese i Davida mba hanatitra sakafo ho an’ny zokiny telo lahy, izay niady tamin’ny Filistinina fahavalon’Andriamanitra. Rehefa tonga tany i Davida, dia nihazakazaka nankeny an’ady. Hitany àry i Goliata, miaramila ngezabe, izay nanesoeso ny “tafik’ilay Andriamanitra velona.” Natahotra ny hiady taminy daholo ny olona, afa-tsy i Davida. Henon’i Saoly Mpanjaka izany, ka nampanantsoiny izy. Hoy anefa i Saoly rehefa nahita azy: “Mbola zaza ianao.”

Nohazavain’i Davida anefa fa efa namono liona sy orsa saika hihinana ny ondrin’izy ireo izy. Hataony hoatran’ireny koa i Goliata, hoy izy. “Mandehana àry”, hoy i Saoly, “ary homba anao anie i Jehovah!” Nifidy vato dimy malama tsara i Davida, ka nataony tao anaty kitapo fitondrany miandry ondry. Nitondra pilotra koa izy, ary lasa hiady amin’ilay olona ngezabe. Hitan’i Goliata fa mbola zaza i Davida, ka nivazavaza izy hoe: ‘Avia ialahy etỳ, fa homeko ny vorona ny fatin’ialahy.’ Namaly mafy koa i Davida hoe: ‘Izaho manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah. Hovonoiko ianao’ androany.

Nihazakazaka nanatona an’i Goliata i Davida, sady naka vato tao anaty kitapony. Nalefany tamin’ny pilotra ilay izy, ka voa ny handrin’i Goliata. Natahotra be àry ny Filistinina satria maty ilay miaramila ngezabe, ka nitsoaka izy rehetra. Nenjehin’ny Israelita izy ireo ary resiny. Ao amin’ny 1 Samoela 17:12-54 io tantara io. Vakio miaraka amin’ny fianakavianao ange ilay izy e!

Matahotra ny hanaraka ny didin’Andriamanitra indraindray, ny ankizy hoatra anao. Natahotra, ohatra, i Jeremia tamin’izy mbola tanora. Hoy anefa Andriamanitra: ‘Aza matahotra fa momba anao aho.’ Niezaka ny tsy hatahotra àry izy ka nitory, satria izany no nasain’Andriamanitra nataony. Raha matoky an’i Jehovah toa an’i Davida sy Jeremia ianao, dia mba tsy hatahotra koa.—Jeremia 1:6-8.

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.