Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anjara Asan’i Maria eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

Anjara Asan’i Maria eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

Anjara Asan’i Maria eo Amin’ny Fikasan’Andriamanitra

NISY vehivavy niantsoantso toy izao, tamin’i Jesosy nanao ny fanompoany: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!” Raha tian’i Jesosy ivavahan’ny olona ny reniny, dia tamin’io no fotoana nety indrindra nampahafantarany izany. Hoy anefa izy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:27, 28.

Tsy nanome voninahitra manokana an’i Maria i Jesosy, sady tsy nampirisika ny mpanara-dia azy hanao izany. Mety àry ve ny ataon’ireo olona tso-po mivavaka amin’i Maria ankehitriny? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly, momba ireo fampianarana miely patrana mahakasika ny renin’i Jesosy.

“Ilay feno hasoavana”, “Tahin’Andriamanitra ... amin’ny vehivavy rehetra”

Nambaran’ny anjely Gabriela an’i Maria ny anjara asany eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Hoy izy taminy, rehefa niarahaba azy: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” (Lioka 1:28) Izao no andikan’ny fandikan-teny hafa an’io fiarahabana io: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao.” Niarahaba an’i Maria toy izao i Elizabeta, tatỳ aoriana kely: “Tahin’Andriamanitra ianao amin’ny vehivavy rehetra, ary tahina ilay hateraky ny kibonao!” (Lioka 1:42) Tsy te hilaza ve ireo teny ireo fa tokony homem-boninahitra manokana i Maria?

Tsia. Marina fa tononin’ny Katolika ao amin’ilay vavaka ataony amin’i Maria ireo teny ireo. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe tokony hivavahana i Maria. Niaiky ny anjely Gabriela sy Elizabeta, fa voninahitra lehibe ho an’i Maria ny hitondra vohoka ny Mesia. Tsy resahin’ny Soratra Masina anefa hoe nivavahana i Maria. Rehefa nangataka tamin’i Jesosy ny mpianany mba hampianarina hivavaka, dia tsy nasainy hivavaka tamin’i Maria izy ireo fa tamin’ny Rainy. Izao no fanombohan’ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra.”—Matio 6:9.

Anisan’ireo mpitondra i Maria

Miely koa ilay fampianarana hoe “Mpanjakavavin’ny lanitra” izao i Maria. Tsy antsoin’ny Baiboly amin’izany anaram-boninahitra izany mihitsy anefa izy. Lazainy kosa fa manana toerana manokana any an-danitra izy.

Nilaza i Jesosy fa hiara-manjaka aminy ny mpianany sasany tsy mivadika. (Lioka 22:28-30) Homen’i Jesosy fahefana ireo olom-boafidy ireo, ka ho lasa “mpisorona ho an’Andriamanitsika” sady “ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Apokalypsy 5:10) Asehon’ny Baiboly fa anisan’ireo hahazo an’izany toerana ambony izany i Maria. Nahoana isika no milaza izany?

Tsaroanao angamba fa anisan’ireo “naharitra nivavaka” niaraka tamin’ny mpianatr’i Jesosy sy ireo rahalahiny i Maria, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nisy 120 teo ho eo izy ireo no niara-nivavaka, anisan’izany ny “vehivavy sasany.” (Asan’ny Apostoly 1:12-15) Mitantara ny Baiboly fa “teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin’ny andro Pentekosta.” Nirotsaka tamin’izy ireo ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’izay, ka afaka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa izy ireo.—Asan’ny Apostoly 2:1-4.

Anisan’ireo nilatsahan’ny fanahy masina i Maria sy ny vehivavy hafa. Midika izany fa olom-boafidy hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ireo. Omem-boninahitra miaraka amin’i Jesosy any an-danitra àry i Maria ankehitriny. (Romanina 8:14-17) Manana anjara asa manokana amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra izy sy ny olon-kafa miara-manjaka amin’i Jesosy. Diniho ange ny sasany amin’izany e!

Mandrotsaka fitahiana

Hita ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, fa olona 144 000 no hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra, mba ho mpisorona sy mpitsara ary mpanjaka miaraka amin’i Jesosy. (Apokalypsy 14:1, 4; 20:4, 6) Ho mpisorona izy ireo ka hampihatra ny vidin’ny soron’i Jesosy amin’ireo olona mankatò. Ho lavorary eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-batana ireo olona ireo, noho izany. (Apokalypsy 21:1-4) Voninahitra ho an’ireo mpivavaka tsy mivadika amin’i Jehovah tokoa ny hiaina amin’izany! *

Nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah i Maria taloha, ary mbola manao izany izy izao. Tena mendrika ny hotahafina izy satria nanetry tena, nanam-pinoana, nankatò ary niaritra fitsapana. Renim-pianakaviana nahafoy tena koa izy. Tokony hanaja azy fatratra isika, noho izy niteraka ny Mesia sy mandray anjara amin’ny fandrotsahana fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona.

Nivavaka tamin’i Jehovah irery ihany i Maria. Izany no lafin-javatra lehibe indrindra tokony hotahafintsika aminy sy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra hafa tsy mivadika. Manandra-peo izao i Maria sy ireo olon-kafa miara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra hoe: “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana [Jehovah Andriamanitra] sy ho an’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay mandrakizay!”—Apokalypsy 5:13; 19:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mba hahalalanao misimisy kokoa momba ireo fitahiana ireo, dia jereo ny toko 8 amin’ny boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 10]

Mendrika hotahafina i Maria satria nanetry tena, nanam-pinoana, ary nankatò