Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no mety ho antony natahoran’i Pontio Pilato an’i Kaisara?

Tian’ny mpitondra fivavahana jiosy hoterena hamono an’i Jesosy i Pontio Pilato Governora Romanina, ka norahonany hoe: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha afahanao io [lehilahy io].” (Jaona 19:12) I Tiberio Mpanjaka Romanina, ilay “Kaisara” tian’izy ireo holazaina. Fa nahoana no tokony ho natahotra an’io Kaisara io i Pilato?

Nanao ahoana ny toetran’i Tiberio Kaisara? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy): “Tsy nanao afa-tsy izay tiany izy, ary nitady zavatra mamoafady hatao foana.” Efa taona maro talohan’ny nisamborana an’i Jesosy izy no toy izany. Diso tsy natoky olona izy, ka nampijalijaliny sy novonoiny na dia izay nahiahiny ho namadika azy fotsiny aza. Hoy ihany ilay boky: “Fialam-boly vetaveta sy feno habibiana no tena tiany, araka ny filazan’ny mpahay tantara tamin’izany. Na ny olona tsy te hanala baraka azy aza, dia niaiky fa mpamono olona tsy nifaditrovana izy, ary namono an’izay sendra azy rehefa nihetsika ny androny.”

Mety ho izany àry no nahatonga an’i Pilato hilefitra tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy, ka nampamono an’i Jesosy.—Jaona 19:13-16.

Nahoana i Jesosy no nanasa ny tongotry ny apostoliny?

Tsy nikiraro ny Israelita maro fahiny, rehefa nandeha niasa. Nisy ihany nanao kapa, saingy tsotsotra ilay izy satria tady fotsiny no nihazona azy teo amin’ny tongotra. Azo inoana fa naloto ny tongotra satria be vovoka na fotaka ny lalana sy ny tanimboly.

Zatra nanala kapa àry ny olona rehefa niditra tao an-trano. Raha nivahiny tany amin’ny olona izy, dia nila nanasa ny tongony ny tompon-trano na ny mpanompon’izy io. Izany no nahitana raha nahay nandray vahiny ilay tompon-trano na tsia. Misy fitantarana maromaro momba an’io fanao io ao amin’ny Baiboly. Hoy, ohatra, i Abrahama tamin’ireo vahininy: “Aoka re mba hakana rano kely ianareo, ka hosasana ny tongotrareo e! Dia mialà sasatra eo ambanin’ny hazo. Ary haka mofo aho, dia mihinàna mba ho voky.”—Genesisy 18:4, 5; 24:32; 1 Samoela 25:41; Lioka 7:37, 38, 44.

Mazava amintsika àry izao hoe nahoana i Jesosy no nanasa ny tongotry ny apostoliny, tamin’ilay Paska farany niarahany tamin’izy ireo. Tsy nisy tompon-trano na mpanompo afaka nanasa ny tongotr’izy ireo mantsy tao amin’ilay trano. Tsy nazoto hanao izany koa ny apostoliny. Naka koveta nisy rano àry i Jesosy, ka nanasa ny tongotr’izy ireo, ary nanamaina izany tamin’ny servieta. Te hampianatra azy ireo toetra tsara mantsy izy, dia ny fitiavana sy ny fanetren-tena.—Jaona 13:5-17.