Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?

Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?

Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?

Efa niatrika olana na nahazo andraikitra tsy nampoizinao ve ianao? Tena sahiran-tsaina angamba ianao tamin’izay. Mandreraka anao ve ny asanao, ary miady mafy ianao vao mahazo izay ilainao isan’andro? Anisan’ireo olona an-tapitrisany voatery nitsoa-ponenana ve ianao, ka mikorontan-tsaina sy mitebiteby? Ary iza amintsika no tsy malahelo be rehefa maty ny olona iray akaiky ny fontsika?

FANTATRAO ve fa niatrika an’ireo olana rehetra ireo i Maria, renin’i Jesosy? Nandresy anefa izy! Inona no ianarantsika avy aminy?

Fantatra maneran-tany i Maria. Nandray anjara manokana tamin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra mantsy izy. Olona an-tapitrisany koa no mivavaka aminy. Manandratra azy ho Reny malala, sy modely amin’ny finoana sy fanantenana ary fanaovana asa soa ny Eglizy Katolika. Maro no nampianarina fa mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra i Maria.

Ahoana no fiheveranao ny renin’i Jesosy? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra azy?

Fanendrena manokana

Israelita i Maria zanak’i Hely, ary anisan’ny fokon’i Joda. Miresaka voalohany momba azy ny Baiboly tamin’ny fisehoan-javatra niavaka iray. Nisy anjely nitsidika azy ary niteny hoe: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” Taitra i Maria tamin’ny voalohany, ka “nieritreritra izay mety ho dikan’izany fiarahabana izany.” Nilaza taminy àry ilay anjely fa nomena fanendrena iray tena lehibe sy mahatalanjona izy. Hitoe-jaza izy ka hiteraka an’ilay Zanak’Andriamanitra ary hitaiza azy io.—Lioka 1:26-33.

Andraikitra lehibe tokoa no nomena an’io tovovavy mbola tsy nanambady io! Nanao ahoana ny fihetsiny? Mety ho nieritreritra izy hoe tsy hino azy ny olona raha hitantarany izany. Mety hanary azy koa i Josefa fofombadiny noho izy bevohoka, na mety ho afa-baraka eo amin’ny fiaraha-monina izy. (Deoteronomia 22:20-24) Na izany aza, dia tsy nisalasala nanaiky ilay fanendrena izy.

Nanana finoana matanjaka i Maria, ka nanaiky ny sitrapon’i Jehovah Andriamaniny. Natoky izy fa hiahy azy i Jehovah. Hoy àry izy: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!” Vonona ny hiatrika izay olana mety hitranga izy, satria fantany fa hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fanekeny an’ilay fanendrena.—Lioka 1:38.

Rehefa fantatr’i Josefa fa bevohoka i Maria, dia nikasa hisaraka taminy izy. Tsy maintsy ho nalahelo mafy izy roa tamin’izay. Tsy resahin’ny Baiboly hoe naharitra hafiriana izany. Niseho tamin’i Josefa anefa ny anjelin’i Jehovah, ka nanazava taminy fa bevohoka tamin’ny fomba mahagaga i Maria. Nasainy nampakatra an’i Maria i Josefa ka hitondra azy any an-tranony. Azo antoka fa maivamaivana erỳ izy roa, taorian’ny fitsidihan’ilay anjely.—Matio 1:19-24.

Fotoan-tsarotra

Volana maromaro alohan’ny hiterahany, dia efa manomana izay ilainy ny vehivavy bevohoka. Mety ho nanao toy izany koa i Maria. Io mantsy no zanany voalohany. Nisy zava-nitranga tsy nampoizina anefa. Namoaka didy i Aogosto Kaisara fa hisy fanisam-bahoaka, ka mila mankany amin’ny tany niaviany avy ny rehetra. Nentin’i Josefa ho any Betlehema àry i Maria, izay efa bevohoka sivy volana, ka angamba nampitaingeniny ampondra. Lalana tokony ho 150 kilaometatra no nandehanany. Feno olona i Betlehema tamin’izay, nefa nila toerana nitokana i Maria mba hiterahana. Tranom-biby no hany hitany. Tsy maintsy ho mafy taminy ny niteraka tao, satria nety ho sakodiavatra izy sady natahotra.

Azo antoka fa namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah i Maria nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny, ary natoky fa hikarakara azy sy ny zanany i Jehovah. Nisy mpiandry ondry tonga avy eo, ary may ny hahita an’ilay zaza. Notantarain’izy ireo fa nantsoin’ny anjely hoe “Kristy Tompo” sy “Mpamonjy” ilay zaza. Nilaza ny Baiboly fa “nitadidy izany teny rehetra izany [i Maria], ka nandinika lalina an’izany tao am-pony.” Nisaintsaina ireny teny ireny izy ary nanovo hery avy tamin’izany.—Lioka 2:11, 16-19.

Ahoana ny amintsika? Mety hisy zavatra hampahory antsika eo amin’ny fiainana. Milaza koa ny Baiboly fa mety ho ‘azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ isika rehetra, ka mety hiatrika olana samihafa. (Mpitoriteny 9:11) Raha izany no mitranga, ho tezitra ve isika ka hanome tsiny an’Andriamanitra? Tsy aleo ve manahaka an’i Maria ka miezaka hifandray tsara kokoa amin’Andriamanitra? Ho afaka hanao izany ianao, raha mianatra Baiboly sy misaintsaina izay ianaranao ao. Azo antoka fa hanampy anao hiaritra fitsapana izany.

Nahantra sady nivahiny tany an-tanin’olona

Niatrika olana hafa koa i Maria. Nahantra izy sady voatery nandao ny tanindrazany. Efa nanjo anao ve izany? Milaza ny tatitra iray fa “olona telo arivo tapitrisa eo ho eo, izany hoe ny antsasaky ny mponina eran-tany, no mivelona amin’ny vola latsaky ny roa dolara isan’andro”, ary an-tapitrisany maro hafa any amin’ny tany lazaina fa manankarena no miady mafy vao mahazo izay ilaina isan’andro. Ahoana ny aminao? Mafy aminao ve ny mitady sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ny ankohonanao?

Hita avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly fa nahantra i Josefa sy Maria. Milaza ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona fa nankany amin’ny tempoly izy mivady, 40 andro taorian’ny niterahan’i Maria, mba hanolotra ny fanatitra notakin’ny Lalàna. “Domohina roa na zana-boromailala roa” no natolotr’izy ireo. * (Lioka 2:22-24) Ny mahantra, izay tsy afaka manao fanatitra ondrilahy kely, ihany no mahazo manao an’io fanatitra io. Porofoin’izany fa tena sahirana ara-pivelomana ry Josefa sy Maria. Na izany aza, dia nahafinaritra ny fiainam-pianakavian’izy ireo. Azo antoka fa ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra foana no nataony loha laharana.—Deoteronomia 6:6, 7.

Niova be indray ny fiainan’i Maria taoriana kelin’ny niterahany an’i Jesosy. Nasain’ny anjely iray nitondra ny fianakaviany nandositra tany Ejipta i Josefa. (Matio 2:13-15) Fanindroany izao i Maria no tsy maintsy niala tamin’ny toerana nahazatra azy. Nifindra tany amin’ny firenen-kafa anefa izy, tamin’ity indray mitoraka ity. Betsaka ny Jiosy nipetraka tany Ejipta, ka nety ho afaka niara-nonina tamin’izy ireny ry Maria sy Josefa. Na izany aza, dia mahatsiaro ho sahirana sy mikorontan-tsaina foana ny olona rehefa mipetraka any an-tany hafa. Olona an-tapitrisany ankehitriny no nandao ny tanindrazany mba hitadiavana izay hahasoa ny zanany na mba handosirana loza. Anisan’izy ireny ve ianao sy ny fianakavianao? Raha izany no izy, dia takatrao tsara ny olana sasany mety ho natrehin’i Maria tany Ejipta.

Vady sady reny nahafoy tena

Tsy voaresaka matetika ao amin’ny Filazantsara intsony i Maria, taorian’ny niterahany an’i Jesosy sy ny fahazazan’io zanany io. Fantatsika anefa fa nanan-janaka hafa enina, fara fahakeliny, i Josefa sy Maria. Mahagaga anao angamba izany, nefa diniho izay lazain’ny Filazantsara.

Tena nohajain’i Josefa ny fanendrena an’i Maria hitondra vohoka ny Zanak’Andriamanitra. Tsy nanao firaisana taminy àry izy talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Hoy ny Matio 1:25: ‘Tsy nanao firaisana taminy i Josefa mandra-piterany zazalahy.’ Asehon’ilay teny hoe “mandra-piterany” fa nanao firaisana toy ny mpivady rehetra i Josefa sy Maria, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Niteraka zazalahy sy zazavavy àry izy mivady, araka ny lazain’ny Filazantsara. Rahalahin’i Jesosy iray reny taminy i Jakoba, Josefa, Simona ary Jodasy. Nanan-janakavavy roa koa i Maria, fara fahakeliny. (Matio 13:55, 56) Tsy naterany tamin’ny fomba mahagaga anefa ireo zanany ireo. *

Olona tia fivavahana i Maria. Tsy notakin’ny Lalàna ny handehanan’ny vehivavy tany Jerosalema hankalaza ny Paska. Niaraka tamin’i Josefa foana anefa i Maria sy ireo zanany isan-taona, na dia efa ho 300 kilaometatra aza ilay dia mandroso sy miverina. (Lioka 2:41) Azo antoka anefa fa nahafinaritra azy mianakavy ireny dia ireny.

Maro ny vehivavy manambady manahaka an’i Maria. Mahafoy tena izy ireo sady miezaka mafy manatontosa ny andraikitra takin’ny Soratra Masina aminy. Matetika izy ireo no maneho faharetana sy fiaretana ary fanetren-tena. Mitovy toe-tsaina amin’i Maria izy ireo, ka tsy izay mahasoa sy mahafinaritra azy no zava-dehibe kokoa aminy, fa ny fanompoana an’Andriamanitra. Fantany fa lasa miray saina kokoa ny mpianakavy rehefa miara-manompo an’Andriamanitra.

Avy namonjy fety tany Jerosalema i Maria sy Josefa, indray mandeha, ary nety ho efa maromaro ny zanany tamin’izay. Hitan’izy ireo fa tsy tafaraka taminy i Jesosy, izay 12 taona tamin’io. Azonao an-tsaina ve ny tebitebin’i Maria nandritra ireo telo andro nitadiavany an-janany? Hitan’izy mivady tao amin’ny tempoly izy, tamin’ny farany. Hoy i Jesosy: “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” Milaza indray ny Baiboly fa “nitahiry tsara izany teny rehetra izany tao am-pony” i Maria. Hita eto indray fa tena zava-dehibe tamin’i Maria ny sitrapon’Andriamanitra. Nosaintsaininy tsara izay rehetra niseho teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Azo inoana fa mbola tadidiny tsara izy ireny, taona maro tatỳ aoriana, ka notantarainy tamin’ireo mpanoratra ny Filazantsara.—Lioka 2:41-52.

Niaritra ny mafy

Ahoana no niafaran’i Josefa, ilay ray nitaiza an’i Jesosy? Ilay zava-niseho tamin’i Jesosy 12 taona no niresahana farany momba azy ao amin’ny Filazantsara. Misy mieritreritra àry fa maty talohan’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany izy. * Na ahoana na ahoana, dia toa efa maty vady i Maria rehefa nifarana ny fanompoan’i Jesosy. Nankinin’i Jesosy tamin’ny apostoly Jaona mantsy ny fikarakarana an-dreniny, rehefa ho faty izy. (Jaona 19:26, 27) Tsy ho nanao izany i Jesosy raha mbola teo i Josefa.

Niara-niatrika toe-javatra maro i Maria sy Josefa. Niresahan’ny anjely izy ireo, nandositra mpanjaka lozabe, nifindra trano matetika, ary nitaiza ireo zanany maro. Imbetsaka angamba izy ireo no niresaka momba an’i Jesosy, ka nieritreritra ny amin’izay hitranga aminy any aoriana. Nanahy koa angamba izy ireo sao tsy nety tsara ny fomba nitaizany azy sy ny fomba nanomanany azy hiatrika ny hoavy. Tampoka teo anefa, dia i Maria irery sisa no niatrika ny fiainana.

Nodimandry ve ny vadinao? Mbola malahelo mafy ve ianao na dia efa taona maro aza izay no lasa? Azo antoka fa nino i Maria hoe mbola hitsangana ny maty, ary nampahery azy izany. * (Jaona 5:28, 29) Tsy nanafoana ny olana natrehin’i Maria anefa izany. Tsy maintsy nitaiza irery ny zanany izy, toy ny reny tokan-tena maro amin’izao andro izao.

Azo inoana fa i Jesosy no namelona ny fianakaviany rehefa maty i Josefa. Afaka nandray andraikitra koa ireo rahalahiny rehefa nihalehibe. Niala tao an-tranony i Jesosy rehefa “telopolo taona teo ho eo”, ary nanomboka ny fanompoany. (Lioka 3:23) Faly sahirana ny ray aman-dreny rehefa miala ao an-trano ny zanany efa lehibe. Nandaniany fotoana sy ezaka be mantsy izy ireny, ary maro ny fihetseham-po nifamahofaho tamin’ny fitaizana azy. Toy ny hoe misy banga àry eo amin’ny fiainany rehefa tsy eo intsony ny zanany. Niala tao an-trano ve ny zanakao mba hanatratrarany ny tanjony? Faly be angamba ianao. Indraindray anefa ianao mety hieritreritra hoe tianao kokoa raha tsy lavitra anao izy. Raha izany no izy, dia takatrao tsara izay tsapan’i Maria rehefa niala tao an-trano i Jesosy.

Fitsapana tsy nampoizina

Nisy fitsapana iray tsy nampoizin’i Maria mihitsy. Maro no nanara-dia an’i Jesosy rehefa nitory izy, nefa ny rahalahiny “tsy nino azy.” (Jaona 7:5) Tsy maintsy ho efa notantarain’i Maria tamin’izy ireo ny tenin’ilay anjely hoe “Zanak’Andriamanitra” i Jesosy. (Lioka 1:35) Zokin’izy ireo lahimatoa fotsiny anefa no niheveran’i Jakoba, Josefa, Simona ary Jodasy an’i Jesosy. Tsy nitovy hevitra tamin’i Maria àry ny zanany, teo amin’ny resaka fivavahana.

Kivy ve i Maria, ka tsy niezaka intsony hampiova hevitra an’ireo zanany? Tsy izany mihitsy! Nitory tany Galilia i Jesosy, indray mandeha, ary nankao amin’ny trano iray mba hisakafo. Nisy vahoaka be tonga hihaino azy tamin’izay. Nisy olona nitady azy anefa tao ivelan’ilay trano. Fantatrao ve hoe iza izy ireo? Ny reniny sy ny rahalahiny. Nanaraka an’i Jesosy àry i Maria rehefa tsy lavitra ny tranony no nisy azy, ary nentiny koa ny zanany hafa. Nanantena angamba izy fa hiova izy ireo ka hino an’i Jesosy.—Matio 12:46, 47.

Miezaka mafy koa angamba ianao mba hanara-dia an’i Jesosy, nefa tsy te hanao izany ny sasany amin’ny fianakavianao. Aza kivy anefa! Betsaka no nanam-paharetana toa an’i Maria, ka nahita vokatra ihany taona maro tatỳ aoriana. Sarobidy amin’i Jehovah ny fiaretana toy izany, na misy vokany amin’ny hafa ilay izy na tsia.—1 Petera 3:1, 2.

Ilay fitsapana mafy indrindra

Maro ny fitsapana nahazo an’i Maria voatantara ao amin’ny Baiboly, fa ity farany ity no mafy indrindra. Nijery ny zanany nijaly teo am-pialana aina izy, rehefa avy nolavin’ny mpiray firenena taminy izy io. Voalaza fa ny famoizana zanaka no fahoriana “mangidy indrindra”, na mbola kely izy na efa lehibe. Toy ny hoe voatrobaky ny sabatra i Maria, araka ny efa voalaza am-polony taona mialoha!—Lioka 2:34, 35.

Nahakivy azy tanteraka na nampihena ny finoany ve io fitsapana io? Tsia. Lazain’ny Baiboly fa “naharitra nivavaka” niaraka tamin’ny mpianatr’i Jesosy izy, tatỳ aoriana. Teo koa ny zanany lahy hafa tamin’izay. Efa nanomboka nino an’ilay zokiny lahimatoa mantsy izy ireo. Azo antoka fa tena nampahery an’i Maria izany! *Asan’ny Apostoly 1:14.

Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy i Maria. Reny sady vady nahafatra-po koa izy. Nahazo valisoa maro izy teo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Nandresy fitsapana maro koa izy. Afaka miaritra sy tsy mivadika toa azy isika, rehefa tojo zava-tsarotra tsy nampoizina, na manahy ny amin’ny olana atrehin’ny fianakaviantsika.—Hebreo 10:36.

Ary ahoana ny amin’ny fivavahana amin’i Maria? Mety ve ny ivavahana aminy, satria milaza ny Baiboly fa nahazo fanendrena manokana izy?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Natolotra ho fanatitra noho ny ota ny iray tamin’ireo. (Levitikosy 12:6, 8) Nanao an’io fanatitra io i Maria, ka hita avy amin’izany fa niaiky izy hoe nandova ota avy tamin’i Adama, toy ny olon-drehetra ihany.—Romanina 5:12.

^ feh. 26 Misy antony matoa tsy miresaka an’i Josefa mihitsy ireo fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy, nefa voaresaka ao ny reniny sy ny rahalahiny ary ny anabaviny. Voalaza, ohatra, fa nanatrika fampakaram-bady iray tao Kana i Maria, ary nisy zavatra nataony tamin’izay. Tsy voaresaka mihitsy anefa i Josefa tamin’io. (Jaona 2:1-11) Nisy fotoana koa niantsoan’ny olona avy tao amin’ny tanàna niaviany an’i Jesosy hoe “zanak’i Maria” fa tsy hoe zanak’i Josefa.—Marka 6:3.

^ feh. 28 Manazava bebe kokoa ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 36 Jereo ny efajoro  “Vonona Hiova Fivavahana i Maria” ao amin’ny pejy 7.

[Efajoro/​Sary, pejy 6]

 Nanana Rahalahy sy Anabavy ve i Jesosy?

Eny, nanana izy. Nitady fomba handavana an’izany ny teolojianina sasany, na dia imbetsaka aza ny Filazantsara no miresaka izany. (Matio 12:46, 47; 13:54-56; Marka 6:3) Misy zavatra roa anefa voamarik’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, mahakasika ilay fampianarana hoe tsy nanan-janaka afa-tsy i Jesosy i Maria. Voalohany, natao hanohanana foto-pinoana iray izy io, dia ilay hoe virjiny mandra-pahafatiny i Maria. Faharoa, hitan’izy ireo fa tsy marim-pototra ilay fampianarana.

Misy, ohatra, milaza fa zanak’i Josefa tamin’ny vadiny taloha ireo lazaina fa rahalahin’i Jesosy. Tsy mitombina anefa izany, satria tsy ho afaka handova ny fanjakan’i Davida i Jesosy raha tsy izy no lahimatoa.—2 Samoela 7:12, 13.

Misy koa milaza fa zanak’olo-mpiray tam-po i Jesosy sy ireo rahalahiny ireo. Tsy mitovy anefa ny teny ampiasain’ny Soratra Grika ilazana ny hoe “rahalahy” sy “zanak’olo-mpiray tam-po” ary “havana.” Izany no antony ilazan’i Frank Gaebelein, manam-pahaizana, fa sarotra inoana izany fampianarana izany. Hoy izy: “Izao no fomba tsotra indrindra hanazavana ilay teny hoe ‘rahalahy’ ... Nanan-janakalahy hafa i Maria sy Josefa, ary rahalahin’i Jesosy iray reny taminy ireo.”

[Efajoro, pejy 7]

 Vonona Hiova Fivavahana i Maria

Jiosy i Maria sy ny fianakaviany ary nanaraka ny Fivavahana Jiosy izy. Nankao amin’ny synagoga na toeram-pivavahan’ny Jiosy izy, ary nankany amin’ny tempoly tany Jerosalema koa. Nitombo anefa ny fahalalany ny fikasan’Andriamanitra, ka hitany fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ilay fivavahan-drazany. Novonoin’ny mpitondra fivavahana jiosy ilay Mesia, Zanak’i Maria. Nilazan’i Jesosy izy ireo talohan’izay hoe: “Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Matio 23:38) Tsy notahin’Andriamanitra intsony ilay fivavahana nitaizana an’i Maria.—Galatianina 2:15, 16.

Dimampolo taona teo ho eo angamba i Maria rehefa niforona ny fiangonana kristianina. Inona no nataony? Nieritreritra ve izy hoe tsy tokony hivadika tamin’ny Fivavahana Jiosy, satria io no fivavahan-drazany sy nitaizana azy hatramin’ny mbola kely? Nihevitra ve izy fa efa antitra loatra ka tsy tokony hiova fivavahana intsony? Tsy izany velively! Takany fa ny fiangonana kristianina indray no notahin’Andriamanitra tamin’izay. Naneho finoana àry izy ka vonona ny hiova fivavahana.

[Sary, pejy 5]

Lasa nitsoa-ponenana tany Ejipta

[Sary, pejy 8]

Ny fahoriana mangidy indrindra amin’ny reny