Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matahotra ny Maty ve Ianao?

Matahotra ny Maty ve Ianao?

Matahotra ny Maty ve Ianao?

AZO inoana fa maro no hamaly hoe: ‘Tsy matahotra aho. Fa nahoana moa aho no hatahotra? Ny maty ange efa maty e!’ Olona an-tapitrisany anefa no mino fa mbola velona any ho any ny fanahin’ny maty.

Mino ny olona maro any Bénin, any Afrika Andrefana, fa afaka manangatra ny maty ka mamono ny mpianakaviny. Misy olona mivarotra ny fananany na mitrosa mihitsy, mba hividianana biby hatao sorona na hanaovana fombafomba hampitonena ny havany efa nodimandry. Misy indray miezaka hifandray amin’ny fanahin’ny maty, satria mino fa afaka mifandray amin’ny velona izy ireny. Ny hafa kosa niatrika zavatra mampahatahotra, ka mihevitra fa ny fanahin’ny maty no nahatonga izany.

Anisan’ireny ny lehilahy iray atao hoe Agboola, izay mipetraka any akaikin’ny sisin-tanin’i Bénin sy Nizeria. Hoy izy: “Manjaka be ny asan’ny maizina atỳ aminay. Manao fombafomba ny atỳ rehefa mampandro faty, mba hanomanana azy ireny ho amin’ny fiainana any ankoatra, hono. Fanaoko taloha ny nanangona ny ambin-tsavony avy nampandroana faty, ka nafangaroko ravinkazo. Nohosorako an’iny avy eo ny basy nentiko nihaza, sady niteny mafy aho hoe inona no haza tiako ho azo. Fanaon’ny olona ny zavatra toy izany, ary toa mandaitra. Nisy lafiny nampahatahotra koa anefa tamin’ny asan’ny maizina.”

‘Maty ny zanako roa lahy, ary tsy fantatra ny antony. Nieritreritra aho hoe nasian’olona izy ireo, ka lasa aho nanatona mpimasy malaza iray. Nilaza izy fa tena marina ny eritreritro. Ny tena loza dia nanazava izy hoe efa any ankoatra izy roa lahy, ary ho lasa mpanompon’ilay namono azy rehefa maty izy io. Nilaza koa izy fa ho faty ny zanako lahy fahatelo. Maty tokoa ny zanako rehefa afaka andro vitsivitsy.’

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah atao hoe John i Agboola tatỳ aoriana. Nohazavain’i John avy tao amin’ny Baiboly ny momba ny maty. Nanova ny fiainan’i Agboola izany, ary afaka manova ny fiainanao koa.

Mbola velona any ho any ve ny maty?

Iza no tena mahay ny valin’izany? Tsy ny olombelona mihitsy, na dia ny mpimasy malaza be toy inona aza. I Jehovah kosa no mahay ny valin’izany, satria izy no Mpamorona ny zavamananaina rehetra “any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita.” (Kolosianina 1:16) Izy no namorona ny anjely mba hipetraka any an-danitra, ary ny olona sy ny biby mba honina eto an-tany. (Salamo 104:4, 23, 24) Miankina aminy ny zavamananaina rehetra. (Apokalypsy 4:11) Inona àry no voalaza ao amin’ny Teniny momba ny fahafatesana?

I Jehovah no voalohany niresaka momba izany, rehefa nilaza tamin’i Adama sy Eva hoe ho faty izy ireo raha tsy mankatò azy. (Genesisy 2:17) Inona no tiany holazaina? Hoy izy: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Genesisy 3:19) Lasa vovoka ny olona rehefa maty. Maty tanteraka izy fa tsy hoe mbola velona any ho any.

Ninia tsy nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva ka nomelohina ho faty. Tsy izy ireo anefa no maty voalohany, fa i Abela zanany lahy, izay novonoin’i Kaina lahimatoany. (Genesisy 4:8) Tsy natahotra anefa i Kaina hoe hamaly faty ilay rahalahiny, fa nanahy kosa izy hoe inona no hataon’ny olona aminy.—Genesisy 4:10-16.

Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nisy mpanandro nilaza tamin’i Heroda Mpanjaka, fa nisy “mpanjakan’ny Jiosy” teraka tao amin’ny tanàna iray, tao amin’ny fanjakany. Nitebiteby i Heroda nandre izany, ka nanapa-kevitra ny hamono azy io satria natahorany haka ny toerany izy io any aoriana. Nasainy novonoina daholo àry ny zazalahikely roa taona no ho midina tao Betlehema. Nilaza tamin’i Josefa anefa ny anjely iray, mba hitondra an’i Jesosy sy Maria ‘handositra any Ejipta.’—Matio 2:1-16.

Rehefa maty i Heroda, dia nilaza tamin’i Josefa ilay anjely mba hiverina any Israely, satria “efa maty ireo nifofo ny ain’ilay zaza.” (Matio 2:19, 20) Fantatr’ilay anjely fa tsy afaka namono an’i Jesosy intsony i Heroda. Tsy natahotra an’i Heroda intsony koa i Josefa, satria efa maty izy. I Arkelaosy zanak’i Heroda kosa no natahorany, satria mpanjaka tsy refesi-mandidy izy io. Koa nentin’i Josefa nankany Galilia ny fianakaviany, satria tsy faritra niadidian’i Arkelaosy tany.—Matio 2:22.

Hitantsika avy amin’izany fa tsy afaka manao na inona na inona ny maty. Ahoana àry no hanazavana an’izay nanjo an’i Agboola sy izay nitranga tamin’ny olon-kafa?

“Demonia” na fanahy maloto

Nifanena tamin’ny olona nisy fanahy ratsy i Jesosy rehefa lehibe. Fantatr’ireo fanahy ratsy izy ary nantsoiny hoe “Zanak’Andriamanitra.” Fantatr’i Jesosy tsara koa hoe tsy fanahin’ny maty izy ireo, fa “demonia” na fanahy maloto.—Matio 8:29-31; 10:8; Marka 5:8.

Voalazan’ny Baiboly fa misy anjely tsy mivadika amin’Andriamanitra, ary misy kosa nikomy taminy. Rehefa noroahin’i Jehovah avy tao amin’ny zaridainan’i Edena i Adama sy Eva, dia nasiany karazan’anjely atao hoe kerobima teo amin’ny ilany atsinanan’ilay zaridaina, mba hisakana ny fidirana tao. (Genesisy 3:24) Tamin’izay angamba no niseho voalohany tamin’ny olona ny anjely.

Tatỳ aoriana, dia nisy anjely maromaro nidina tetỳ an-tany ka nitafy vatan’olombelona. Tsy nirahin’i Jehovah anefa ireo anjely ireo, fa izy ireo no “nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra. (Joda 6) Tia tena izy ireo ka nanambady zanakavavin’olombelona, ary niteraka safiotra nantsoina hoe Nefilima. Nanjary feno herisetra sy faharatsiana ny tany, noho ny nataon’ny Nefilima sy ny rainy mpikomy. (Genesisy 6:1-5) Inona àry no nataon’i Jehovah? Nahatonga Safodrano eran-tany izy tamin’ny andron’i Noa. Ringana ny ratsy fanahy rehetra, na lahy na vavy, anisan’izany ireo safiotra. Nanao ahoana kosa ireo anjely nikomy?

Voatery niverina tany an-danitra izy ireo, kanefa tsy navelan’i Jehovah niverina tamin’ny “toerany tany am-boalohany.” (Joda 6) Hoy ny 2 Petera 2:4: “Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ireo anjely nanota, fa natsipiny tany amin’ny Tartara kosa ireny ka natolony ho ao an-davaka maizim-be, mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana.”

Tsy toerana ara-bakiteny ny hoe Tartara, fa ilazana ny fietren’ireo demonia. Toy ny hoe migadra izy ireo satria voafetra ny zavatra azony atao. Tsy afaka mitafy vatan’olombelona intsony mantsy izy ireo. Na izany aza, dia mbola manan-kery lehibe eo amin’ny saina sy ny fiainan’ny olona izy ireo, ary afaka mifehy olona sy biby. (Matio 12:43-45; Lioka 8:27-33) Mody miseho ho fanahin’ny maty koa izy ireo mba tsy hanompoan’ny olona an’i Jehovah, ary mba tsy hahafantarana ny tena marina momba ny maty.

Azo resena ny tahotra ny maty

Hitan’i Agboola fa mitombina ny fanazavan’ny Baiboly momba ny maty sy ireo fanahy ratsy. Takany fa nila nianatra Baiboly bebe kokoa izy. Nanomboka namaky ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly nomen’i John àry izy. Nampionona azy ny nahafantatra fa matory ao am-pasana ny zanany, fa tsy hoe any ankoatra ka ho lasa mpanompon’ilay namono azy ireo.—Jaona 11:11-13.

Takatr’i Agboola koa fa tsy tokony hifandray amin’ny herin’ny maizina intsony izy. Nodorany daholo àry ny zavatra nampiasainy tamin’izany. (Asan’ny Apostoly 19:19) Nisy mpiara-monina taminy nilaza fa hahita loza amin’ny fanahy izy. Tsy natahotra anefa izy. Narahiny mantsy ny torohevitra ao amin’ny Efesianina 6:11, 12 hoe: ‘Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra. Isika mantsy mitolona amin’ireo fanahy ratsy.’ Anisan’izany fiadiana izany ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny vaovao tsaran’ny fihavanana, ny finoana, ary ny sabatry ny fanahy na ny Tenin’Andriamanitra. Avy amin’Andriamanitra izany fiadiana izany sady mahery!

Nailikiliky ny havany sy ny namany sasany i Agboola, rehefa tsy nanao intsony an’ireo fombafomba nifandraisana tamin’ny herin’ny maizina. Nahazo namana vaovao mino ny fampianaran’ny Baiboly anefa izy, tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fantatr’i Agboola izao fa tsy ho ela dia hesorin’i Jehovah ny faharatsiana eto an-tany, ary tsy havelany hanao na inona na inona intsony ny demonia. Haringany izy ireny amin’ny farany. (Apokalypsy 20:1, 2, 10) Hatsangany eto an-tany kosa izay “rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Anisan’ireny i Abela, sy ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin’i Heroda Mpanjaka, ary ireo maty hafa an-tapitrisany. Mino i Abgoola fa ho anisan’ireny koa ireo zanany telo lahy. Mety ho anisan’ireny koa ireo havan-tianao nodimandry. Hilaza, amin’izay fotoana izay, ireo rehetra hitsangana amin’ny maty, fa tsy nahatsiaro na inona na inona mihitsy izy ireo tany am-pasana. Tsy fantany akory hoe nisy nanao fombafomba ho azy ireo.

Tsy misy antony tokony hatahoranao ny maty. Afaka manantena hihaona indray amin’ireo havan-tianao nodimandry kosa ianao. Ampirisihinay àry ianao hianatra Baiboly, satria hanatanjaka ny finoanao izany. Miaraha amin’ireo mino ny fampianaran’ny Baiboly. Raha efa nanandrankandrana nifandray tamin’ny herin’ny maizina ianao, dia atsaharo avy hatrany izany. Tafio daholo “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra”, mba hiarovan-tena amin’ny demonia. (Efesianina 6:11) Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly maimaim-poana izy ireo, amin’ny alalan’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? *

Tsy matahotra ny maty intsony i Agboola, ary hainy izao ny fomba anoherana ny demonia. Hoy izy: “Tsy fantatro hoe iza no namono an’ireo zanako telo lahy. Hatramin’ny nanompoako an’i Jehovah anefa, dia niteraka fito aho. Tsy mbola nisy fanahy nampijaly an’ireo zanako ireo mihitsy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Tsy matahotra ny maty intsony i Agboola, ary hainy izao ny fomba anoherana ny demonia

[Sary, pejy 12]

Tsy natahotra i Kaina hoe hamaly faty ilay rahalahiny