Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?

Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?

Tonga Hatraiza ny Fitoriana Tany Atsinanana?

TELOPOLO taona latsaka taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanoratra ny apostoly Paoly fa notorina tamin’ny “zavaboary rehetra” eny ambanin’ny lanitra ny vaovao tsara. (Kolosianina 1:23) Tsy midika izany hoe nandre ny vaovao tsara daholo ny olon-drehetra tamin’izany. Mazava anefa ny tenin’i Paoly: Nitory tany amin’ireo tany efa fantatra tamin’izany fotoana izany ny misionera kristianina.

Tonga hatraiza izy ireny? Tantarain’ny Soratra Masina fa nandeha sambo mpitondra entam-barotra i Paoly, ka afaka nitory niankandrefana hatrany Italia. Te hitory tany Espaina koa io misionera be herim-po io.—Asan’ny Apostoly 27:1; 28:30, 31; Romanina 15:28.

Ahoana kosa ny fitoriana tany atsinanana? Tonga hatraiza ireo Kristianina voalohany? Tsy tena afaka mamaly izany isika, satria tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Mety ho gaga anefa ianao mahalala fa maro ny lalana nampifandray ny faritr’i Mediterane sy ireo firenena tatsinanana, tamin’ny taonjato voalohany. Azo natao tsara àry ny nandeha tany atsinanana.

Lova navelan’i Aleksandra

Tamin’ny fanafihana nataony, dia niantsinanana i Aleksandra Lehibe, ka namakivaky an’i Babylonia sy Persa, ary tonga hatrany Pendjab, any amin’ny faritra avaratr’i Inde. Ireny fanafihana ireny no nahafantaran’ny Grika ny morontsiraka avy eo amin’ny vavaranon’i Eofrata, any amin’ny Hoala Persika, ka hatrany amin’ny vavaranon’i Indus.

Tsy ela dia namidy tany amin’ny tany nofehezin’ny Grika ny zavamanitra mampahatsiro sakafo sy ny emboka manitra. Nentina namakivaky ny Oseana Indianina sy ny Ranomasina Mena izy ireny. Nanjakan’ny Karàna sy ny Arabo io varotra io, tamin’ny voalohany. Niditra koa anefa ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Ptolémée, tao Ejipta, rehefa hain’izy ireo ny fitsokan’ny varatraza.

Mitsoka avy any atsimoandrefana ny rivotra ao amin’ny Oseana Indianina, manomboka amin’ny Mey ka hatramin’ny Septambra. Avy eo amin’ny vavan’ny Ranomasina Mena àry ny sambo no entin’ny rivotra manaraka ny morontsiraka atsimon’i Arabia, na mivantana any amin’ny faritra atsimon’i Inde. Mifamadika amin’izany kosa ny fitsokan’ny rivotra, eo anelanelan’ny Novambra sy Martsa, ka tsy sarotra ny dia miverina. Efa an-jatony taona ny tantsambo arabo sy karàna no nahay nanararaotra an’ireo rivotra ireo, ka nivezivezy nampitohy an’i Inde sy ny Ranomasina Mena, ary nitondra kasia, kanelina, narda, ary poavra.

Sambo nankany Aleksandria sy Roma

Rehefa azon’ny Romanina ireo tany nanjakan’ny mpandimby an’i Aleksandra, dia tany Roma no tena nivarotana an’ireo entana sarobidy avy any Atsinanana, toy ny ivoara avy any Afrika, ny emboka manitra sy miora avy any Arabia, ny zavamanitra mampahatsiro sakafo sy ny vatosoa avy any Inde, ary hatramin’ny lamba landy avy any Chine. Ny seranan’i Bérénice sy Myos Hormos, teo amoron’ny Ranomasina Mena, no tena falehan’ny sambo nitondra an’ireo entana ireo. Nisy lalana maro nampitohy an’ireo seranana ejipsianina roa ireo tamin’i Coptos, tanàna teo amoron’i Nil.

Nalefa sambo tamin’ny Reniranon’i Nil ny entana avy tao Coptos, ka tonga tany Aleksandria. Naondrana an-tsambo nankany Italia na toeran-kafa indray izany avy eo. Azo nandehanana nankany Aleksandria koa ilay lakan-drano nampitohy an’i Nil sy ny tendron’ny Ranomasina Mena (tsy lavitra an’i Suez ankehitriny). Tsy sarotra tamin’ny olona tany amin’ny tany nitorian’i Jesosy ny nankany Ejipta, satria akaiky i Ejipta sy ny seranan-tsambony.

Milaza i Strabon, mpahay toetany tamin’ny taonjato voalohany, fa tamin’ny androny dia 120 isan-taona ny sambon’i Aleksandria niainga avy tao Myos Hormos, mba haka entam-barotra tany Inde. Mbola azo jerena ankehitriny ny boky iray tamin’ny taonjato voalohany, izay misy toro lalana ho an’ny tantsambo tao amin’io faritra io. Mety ho Ejipsianina mpivarotra, izay niteny grika, no nanoratra azy io ho an’ny mpivarotra hafa. Inona no azontsika fantarina avy amin’izy io?

Dia Manerana ny Ranomasin’i Érythrée no lohatenin’io boky io, ary ilay anarany amin’ny teny latinina hoe Periplus no iantsoana azy matetika. Resahina ao ireo lalana an-dranomasina an’arivony kilaometatra any atsimon’i Ejipta, hatrany Zanzibar. Nifantoka tany atsinanana ilay mpanoratra, ka nitanisa halaviran-dalana, toerana fandatsahana vatofantsika, tsena, entam-barotra, ary ny toe-tsain’ny olona nanerana ny morontsiraka atsimon’i Arabia, sy ny morontsiraka andrefan’i Inde hatrany Sri Lanka, ary manaraka ny morontsiraka atsinanan’i Inde hatrany amin’ny Reniranon’i Gange. Marina sy amin’ny an-tsipiriany ny fanazavan’ilay boky, ka tsy maintsy ho efa tany amin’ireo toerana ireo ilay mpanoratra.

Tonga tany Inde ny Tandrefana

Tany Inde, dia nantsoina hoe Yavana ny Tandrefana mpivarotra. Milaza ny Periplus, fa i Muziris, tanàna teo akaikin’ny tendrony atsimon’i Inde, no toerana iray falehan’izy ireo, tamin’ny taonjato voalohany. * Miresaka foana an’ireo mpivarotra ireo ny tononkalo tamoul tamin’ireo taonjato voalohandohany. “Nitondra volamena ny sambo tsara tarehin’ny Yavana, ary poavra no nentiny niverina, ka naresaka be erỳ i Muziris”, hoy ny tononkalo iray. Ny tononkalo iray kosa mampirisika andriana iray any amin’ny faritra atsimon’i Inde, mba hisotro divay manitra nentin’ny Yavana. Anisan’ireo entana tandrefana tena be mpitady tany Inde ny metaly, vato harana, lamba, ary zavatra vita amin’ny fitaratra.

Hamarinin’ny porofo maro hitan’ny mpikaroka fa nanondrana entana tany Inde ny Tandrefana. Ireto, ohatra, no anisan’ny zavatra hita tao Arikamedu, any atsimoatsinanan’i Inde: Silaka fitoeran-divay sy vilia romanina, izay misy fitomboky ny mpanamboatra azy avy any Arezzo, any Italia. Hoy ny mpanoratra iray: “Lasa saina, ankehitriny, ny mpikaroka rehefa mahita ireo silaka tanimanga any amoron-tsiraky ny Helodranomasin’i Bengale. Misy ny anaran’ny mpanao azy mantsy izy ireny, nefa any akaikin’i Arezzo ny lafaoron’ireny olona ireny.” Misy porofo koa manamarina fa nisy fifampivarotana teo amin’i Inde sy ny faritr’i Mediterane: Nahitana vola madinika romanina be dia be, vita tamin’ny volamena sy volafotsy, tany amin’ny faritra atsimon’i Inde. Efa tamin’ny taonjato voalohany ny ankamaroan’ireny vola ireny, ary misy ny sarin’i Aogosto sy Tiberio ary Néron, mpanjaka romanina.

Mety ho nisy Romanina nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsimon’i Inde, mba hivarotra. Manaporofo izany ny sarintany tranainy iray, izay mbola misy ankehitriny ny dika mitovy aminy. Antsoina hoe Takelak’i Peutinger io sarintany io, ary mampiseho ny tontolo romanina tamin’ny taonjato voalohany. Hita ao ny tempolin’i Aogosto tao Muziris. Hoy ny boky ara-tantara iray: “Olom-pehezin’ny Romanina ihany no afaka nanorina tempoly toa an’io. Azo inoana fa olona nonina tao Muziris na nipetraka naharitra tao no nanao azy io.”

Voalazan’ny firaketana an-tsoratra romanina fa telo, fara fahakeliny, ny ambasadaoro karàna nitsidika an’i Roma, nandritra ny fanjakan’i Aogosto (27 Talohan’i Kristy-14 Aorian’i Kristy). Hoy ny boky iray momba izany: “Fiaraha-miasa no tena nokendren’ireny ambasadaoro ireny.” Nifanarahana, ohatra, ny hoe aiza ny mpivarotra avy any amin’ny tany samihafa no afaka mivarotra, inona avy no entana handoavan-ketra, ary aiza no azon’ny vahiny onenana.

Efa nahazatra àry ny nanao dia nampitohy an’i Inde sy ny faritr’i Mediterane, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy sarotra ho an’ny misionera kristianina teo avaratry ny Ranomasina Mena àry ny nandray sambo ho any Inde.

Nihoatra an’i Inde ve?

Sarotra ny mamantatra hoe taiza ny farany atsinanana tongan’ireo mpivarotra avy any amin’ny faritr’i Mediterane sy ny olon-kafa, ary efa ela ve izy ireo no nankany. Azo inoana anefa fa tamin’ny taonjato voalohany, dia efa nisy Tandrefana tonga hatrany Tailandy, Kambôdza, Sumatra, ary Java.

Manome ny datin’ny dia iray toy izany ny Hou Han-Shou (Tantaran’ireo Tarana-mpanjaka avy Amin’i Han), izay mirakitra ny tantara tamin’ny taona 23 ka hatramin’ny 220. Tamin’ny taona 166, dia tonga tao an-dapan’ny mpanjaka sinoa i An-tun, ambasadaoron’ny mpanjakan’ny Daqin, mba hitondra fanomezana ho an’i Huan-ti Mpanjaka. Daqin no niantsoan’ny Sinoa ny Fanjakana Romanina. An-tun kosa angamba no teny sinoa mifanitsy amin’ny Antonin, izay anaram-pianakavian’i Marc Aurèle, mpanjaka romanina tamin’izany. Nihevitra ny mpahay tantara fa tsy ambasadaorom-panjakana izy io, fa iraka nalefan’ireo Tandrefana mpivarotra mba hahazoan’izy ireo lamba landy avy tany Chine, tsy nisy mpanelanelana.

Tonga hatraiza àry ireo misionera kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nandeha sambo niantsinanana? Tany Inde ve, sa nihoatra an’izany? Angamba. Azo antoka fa efa tena niely ny hafatra notorin’ny Kristianina, matoa ny apostoly Paoly afaka niteny hoe “mahavokatra sy mitombo izy io eran’izao tontolo izao”, izany hoe tonga tany amin’ny faritra lavitra indrindra fantatra tamin’izany.—Kolosianina 1:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’i Muziris. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa teo akaikin’ny vavaranon’i Periyar, any Kerala, izy io.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Nitaraina ny Mpanjaka

Tamin’ny taona 22, dia nitaraina i Tiberio Mpanjaka Romanina fa mandany vola be loatra ny mpiray tanindrazana taminy. Tia haitraitra be loatra izy ireo. Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hividy firavaka koa ny vehivavy manan-kaja ka lanilany foana ny harem-panjakana, satria lasan’ny “firenena vahiny na tsy tia.” Nitaraina momba izany fandaniam-bola izany koa i Pline Zokiny, mpahay tantara romanina (taona 23-79). Hoy izy: “Vola sesterces an-jatony tapitrisa isan-taona, fara fahakeliny, no azon’i Inde sy Sères ary Arabia avy amin’ny firenentsika. Vidintsika lafo ny haitraitra sy ny sitrapom-behivavy.” *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 28 Milaza ny mpikaroka fa 2 isan-jaton’ny harin-karenan’ny Fanjakana Romanina ny zato tapitrisa sesterces.

[Sary nahazoan-dalana]

Museo della Civiltà Romana, Roma; Todd Bolen/Bible Places.com

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Taiza no Naka Entana ny Mpivarotra?

Niresaka momba ny “mpivaro-mandeha mitady perla faran’izay tsara” i Jesosy. (Matio 13:45) Miresaka “mpivaro-mandeha” koa ny bokin’ny Apokalypsy. Anisan’ny tahirin’entan’izy ireo ny vatosoa, lamba landy, hazo mani-pofona, ivoara, kanelina, emboka manitra, ary zava-manitra indianina. (Apokalypsy 18:11-13) Teny amin’ireo lalana mankany atsinanan’i Palestina no nakana azy ireny. Avy any Inde, ohatra, ny hazo manitra. Ny perla sarobidy kosa avy any amin’ny Hoala Persika sy ny Ranomasina Mena, ary koa avy any akaikin’i Muziris sy Sri Lanka, araka ny filazan’ilay mpanoratra ny Periplus. Toa ny perla avy any amin’ny Oseana Indianina no tsara sy lafo indrindra.

[Sarintany, pejy 20, 21]

(Jereo ny gazety)

Lalana sasany falehan’ny mpivarotra, teo anelanelan’i Roma sy Azia, tamin’ny taonjato voalohany

Arezzo

Roma

RANOMASINA MEDITERANE

AFRIKA

Aleksandria

EJIPTA

Coptos

Reniranon’i Nil

Myos Hormos

Bérénice

Zanzibar

Ranomasina Mena

Jerosalema

ARABIA

Reniranon’i Eofrata

BABYLONIA

Hoala Persika

PERSA

Varatraza avy any avaratratsinanana

Varatraza avy any atsimoandrefana

Reniranon’i Indus

PENDJAB

Reniranon’i Gange

Helodranomasin’i Bengale

INDE

Arikamedu

Muziris

SRI LANKA

OSEANA INDIANINA (RANOMASIN’I ÉRYTHRÉE)

CHINE

FANJAKAN’I HAN

TAILANDY

KAMBÔDZA

VIETNAM

Sumatra

Java

[Sary, pejy 21]

Sambo romanina mpitondra entam-barotra

[Sary nahazoan-dalana]

Sambo: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.