Eken’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?
Eken’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?
Valiny fandre matetika:
▪ “Ie, Andriamanitra iray ihany no tompoin’ny fivavahana rehetra.”
▪ “Tsy mampaninona izay inoanao, fa tokony ho tso-po fotsiny ianao.”
Inona no nolazain’i Jesosy?
▪ “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Tsy nilaza i Jesosy hoe lalana samy hafa mankany amin’Andriamanitra ny fivavahana rehetra.
▪ “Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Matio 7:22, 23) Tsy izay rehetra milaza hoe manara-dia an’i Jesosy dia ekeny daholo.
MANKAMAMY ny zavatra inoany sy ny fombafomba mahazatra azy ny ankamaroan’ny olona tia fivavahana. Ahoana anefa raha tsy mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay izy? Nilaza i Jesosy fa mampidi-doza ny manaraka fombafomba noforonin’olombelona. Hoy mantsy izy tamin’ny mpitondra fivavahana fahiny: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.” Nilaza an’ireto tenin’Andriamanitra ireto izy avy eo: “Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.”—Matio 15:1-9; Isaia 29:13.
Tsy ny zavatra inoantsika ihany no zava-dehibe, fa ny fitondran-tenantsika koa. Hoy ny Baiboly momba ny olona sasany milaza ho mpivavaka: “Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.” (Titosy 1:16) Hoy mihitsy aza ny Baiboly momba ny olona ankehitriny: ‘Tia fahafinaretana [izy ireny] fa tsy tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.’—2 Timoty 3:4, 5.
Tena ilaina ny fahatsoram-po, nefa tsy ampy. Mety ho diso hevitra mantsy ny olona, na dia tso-po aza. Tena ilaina àry ny fahalalana marina tsara an’Andriamanitra. (Romanina 10:2, 3) Ho afaka hampifaly azy isika, raha miezaka hanana an’io fahalalana io, ary manaraka izay lazain’ny Baiboly. (Matio 7:21) Eken’Andriamanitra àry ny fivavahantsika raha tso-po isika, marina tsara ny zavatra inoantsika, ary manao izay tokony hatao isika, izany hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra isan’andro!—1 Jaona 2:17.
Te hahalala bebe kokoa momba izay lazain’ny Baiboly mahakasika an’Andriamanitra ve ianao? Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianatra Baiboly anao maimaim-poana any an-tranonao.
[Teny notsongaina, pejy 9]
Tokony ho marina izay inoantsika, ho tso-po isika, ary hanao izay tokony hatao