Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy Anao ve Andriamanitra?

Miahy Anao ve Andriamanitra?

Miahy Anao ve Andriamanitra?

Valiny fandre matetika:

▪ “Ambony loatra Andriamanitra ka tsy hiasa saina amin’izay manjo ahy.”

▪ “Tsy inoako hoe hiraharaha ahy izy.”

Inona no nolazain’i Jesosy?

▪ “Tsy vola madinika roa kely vidy ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza. Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa daholo. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Lioka 12:6, 7) Tsy isalasalana fa miahy antsika Andriamanitra, raha jerena izany tenin’i Jesosy izany.

▪ “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” (Matio 6:31, 32) Nino i Jesosy fa mahalala izay ilaintsika tsirairay Andriamanitra.

MILAZA mazava ny Baiboly fa miahy antsika Andriamanitra. (Salamo 55:22; 1 Petera 5:7) Nahoana anefa isika no mijaly be toy izao? Nahoana izy no tsy mamarana ny fijaliana, raha mahery indrindra sy be fitiavana?

Manampy antsika hahita ny valin’ireo ny zava-misy vitsy mpahalala, dia ny hoe i Satana Devoly no mpitondra an’ity tontolo ratsy ity. Natolony an’i Jesosy mantsy ny fanjakana rehetra eran-tany, tamin’izy naka fanahy azy. Hoy izy: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako homena azy no omeko azy.”—Lioka 4:5-7.

Iza no nahatonga an’i Satana ho mpitondra an’ity tontolo ity? I Adama sy Eva ray aman-drenintsika voalohany no nifidy an’i Satana ho mpitondra azy ireo. Nankatò azy mantsy izy ireo, fa tsy nanaraka ny didin’Andriamanitra. Naneho faharetana i Jehovah Andriamanitra, ka navelany handeha ny fotoana mba ho voaporofo fa tena tsy mahomby ny fitondran’i Satana. Tsy manery na iza na iza hanompo azy i Jehovah. Nanao zavatra anefa izy mba hanampiana antsika hiverina aminy.—Romanina 5:10.

Miahy antsika Andriamanitra matoa nirahiny hanafaka antsika amin’ny fitondran’i Satana i Jesosy. Hofoanan’i Jesosy tsy ho ela àry “ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly.” (Hebreo 2:14) Izany no fomba ‘handravany ny asan’ny Devoly.’—1 Jaona 3:8.

Ho lasa paradisa indray ity tany ity. “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’[ny olona], ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4, 5. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, dia jereo ny toko 11 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 8]

Ho lasa paradisa indray ity tany ity