Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Sary Masina?
Manontany ny Mpamaky
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Sary Masina?
Olona maro eran-tany no mino fa tena ilaina amin’ny fivavahany ny sary masina na sarivongana. Anisan’izany ny Hindoa, Bodista, Katolika, ary ny mpiangona ao amin’ny Eglizy Ortodoksa. Mampiasa sary sokitra hazo na vato, ohatra, ny olona sasany atsy Afrika, rehefa mivavaka. Heveriny mantsy fa misy andriamanitra na fanahin’andriamanitra ao amin’ireny sary ireny.
Tsy mampiasa sary masina na sarivongana kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hahita sarin’ireo “olo-masina”, na sarivongan’i Jesosy na ny an’i Maria ianao, raha mitsidika ny toeram-pivorian’izy ireo, izay antsoina hoe Efitrano Fanjakana. * Nahoana? Mariho izay lazain’ny Baiboly.
Inona no notakin’Andriamanitra tamin’ny Israelita?
Nanome tari-dalana mazava ny amin’ny fomba tiany hanompoana azy i Jehovah Andriamanitra, rehefa avy nanafaka ny Israelita avy tany Ejipta. Hoy ny didy faharoa amin’ilay antsoina hoe Didy Folo: “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.”—Eksodosy 20:4, 5.
Tamin’ny fotoana nanomezan’Andriamanitra an’ireo didy ireo indrindra ny Israelita no nanao ombilahikely volamena. Te hanahaka an’ireo Ejipsianina mpivavaka tamin’ny biby angamba izy ireo. Tsy nomeny anarana andriamanitra ejipsianina anefa ilay sarivongana, fa nampifandraisiny tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Eksodosy 32:5, 6) Inona no nataon’Andriamanitra? Tezitra mafy tamin’ireo nankamasina an’ilay sampy izy. Nopotehin’i Mosesy koa ilay sampy.—Eksodosy 32:9, 10, 19, 20.
Nohazavain’i Jehovah Andriamanitra ilay didy faharoa, tatỳ aoriana. Nasainy nampahatsiahivin’i Mosesy ny Israelita, mba tsy hanao “sary sokitra [ho azy ireo], dia sarin-javatra na inona na inona, na sarin-dehilahy na sarim-behivavy, na sarim-biby eto an-tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ny lanitra, na sarin’izay biby mandady amin’ny tany, na sarin-trondro any anaty rano ambanin’ny tany.” (Deoteronomia 4:15-18) Tsy azon’ny Israelita nampiasaina tamin’ny fivavahany àry ny sarivongana, na toy inona na toy inona bikany.
Nanompo sampy anefa ny Israely tatỳ aoriana. Te hanitsy azy ireo i Jehovah, ka naniraka mpaminany mba hampitandrina azy ireo ny amin’ny sazy miandry azy. (Jeremia 19:3-5; Amosa 2:8) Tsy niraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra ny firenen’Israely. Navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy hitondra ny Israely ho babo àry ny Babylonianina, tamin’ny 607 Talohan’i Kristy.—2 Tantara 36:20, 21; Jeremia 25:11, 12.
Inona no ninoan’ny Kristianina voalohany?
Tsy nampiasa sarivongana intsony ireo tsy Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanaraka ny Fivavahana Kristianina. Niresaka momba ny fitorian’ny apostoly Paoly i Demetrio mpanefy volafotsy. Hoy io mpanao sarivongana tany Efesosy io: “Fantatrareo tsara fa ity asa ity no mampanan-karena antsika. Hitanareo sy renareo koa fa, tsy teto Efesosy ihany fa saika eran’ny faritr’i Azia mihitsy io Paoly io no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy, tamin’ny filazana fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanana.”—Asan’ny Apostoly 19:25, 26.
Nilaza an’izany tamin’ireo Grika tany Atena tokoa i Paoly. Hoy izy: “Tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy [isika]. Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany tokoa Andriamanitra, fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza.” (Asan’ny Apostoly 17:29, 30) Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Tesalonika i Paoly, dia niresaka momba ny sampy, ary nidera azy ireo hoe: ‘Nialanareo ny sampy ka nitodika tamin’Andriamanitra ianareo.’—1 Tesalonianina 1:9.
Tsy i Paoly ihany no nampitandrina ny Kristianina mba tsy hampiasa sary masina, fa ny apostoly Jaona koa. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, dia hentitra ny tenin’i Jaona tamin’izy ireo hoe: “Mitandrema ianareo amin’ny sampy.”—1 Jaona 5:21.
Mazava fa raran’Andriamanitra ny fampiasana sary masina na sarivongana rehefa mivavaka aminy. Mankatò izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Inoan’izy ireo ny tenin’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Misy sary hoso-doko mampiseho an’ireo olona ao amin’ny Baiboly any amin’ny Efitrano Fanjakana sasany. Haingon-trano fotsiny anefa ireny fa tsy natao hankamasinina. Tsy mivavaka sady tsy miankohoka amin’ireny sary ireny ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 31]
“Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8