Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ezaka mba Hitadiavana Olona Iray

Ezaka mba Hitadiavana Olona Iray

Taratasy avy any Irlandy

Ezaka mba Hitadiavana Olona Iray

NITONDRA fiara aho tamin’izay. Nisy zavona anefa ka tsy hitako tsara ny manodidina. Rehefa nandeha 16 kilaometatra aho, dia tonga teo an-tampon-kavoana iray, ahatazanana an’i Westport. Tanàna kely amoron-tsiraka, any amin’ny faritra andrefan’i Irlandy izy io. Nampisava ny zavona ny masoandro, ka tazana ireo nosy kely tsara tarehy eo amin’ny ranomasina. Tsy misy mponina ny nosy sasany, fa fitondrana an’ireo biby fiompy hiraoka ahitra. Entina sambo mihitsy izy ireny mankeny.

Misy havoana mitomandavana manaraka ny morontsiraka erỳ andrefana. Rakotra zavamaniry izy ireny, ary manjelatra toy ny varahina rehefa tarafin’ny masoandro amin’ny tolakandro. Hita miavaka eny amin’ny faravodilanitra ny Tendrombohitra Croagh Patrick, antsoina koa hoe Reek. Namakivaky ireo lalana tery sy be olona ao Westport aho, dia nandalo an’i Reek, ary nankany amin’ny toerana iray tsy dia voatsidiky ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy fantatr’ilay lehilahy hotsidihiko fa ho avy aho, tamin’io andro io. Naharay taratasy aho talohan’izay fa vao nifindra tany amin’ilay toerana izy, ary mbola te hifandray tamin’ny Vavolombelona. Lasa ny saiko hoe: ‘Firy taona àry izy? Manambady ve izy sa tsia? Inona no mahaliana azy?’ Nijery ny kitapoko aho, ary nahatsiaro fa efa nitondra Baiboly sy boky ary gazety ara-baiboly isan-karazany. Nieritreritra izay holazaiko aho, mba hahatonga an’ilay lehilahy ho liana kokoa amin’ny hafatra nentiko.

Efa nihoarako izao ny Tendrombohitra Reek. Saha lava volo voafefy tamboho vato no tazako hatreny amin’ny morontsiraka. Naorina tamin’ny fotoanan’ny mosary lehibe tamin’ny taonjato faha-19 ny maro amin’ireny tamboho ireny. Niandrandra aho ka nahita varevaka tokana nisidina teny ambony. Toy ny lahiantitra vokoka ireo hazo tazako teny amin’ny faravodilanitra. Toa mitampify izy ireo manome lamosina ny rivotra.

Tsy misy nomeraon-trano ary tsy misy anarana ny lalana any amin’io toerana io. Ny anaran’ny trano sy ny tanàna misy azy no adiresin’ilay lehilahy hotsidihiko. Raha vao tonga àry aho, dia ny mpanatitra taratasy no notadiaviko. Izy mantsy no azo antoka fa mahafantatra ny mponina rehetra. Hitako ny paositra rehefa afaka antsasak’adiny. Efitra iray tao amin’ny trano misy lavarangana ilay izy. Nihidy anefa izy io. Mpivarotra iray àry no nanontaniako, ka toerana tany ivelan’ny tanàna no natorony.

Hitako ilay fiolahana miankavanana natoro ahy, rehefa avy nandeha valo kilaometatra aho. Misy lalana tery eo ankavian’izy io. Nandondòna tao amin’ny trano iray tsy lavitra teo aho. Vehivavy zokiolona no namoha trano, ary efa ela ihany, hono, izy no nipetraka tao, nefa tsy fantany ilay lehilahy notadiaviko. Nilaza izy fa hanontany olona amin’ny telefaonina, ary nampandrosoany aho.

Sady niresaka izy no nijery ahy matetika. Nieritreritra angamba izy hoe iza aho, ary inona no itadiavako an’ilay olona. Nisy sarivongan’i Maria Virjiny teo amin’ny varavarana, ary nisy sarin’i Kristy teo amin’ny rindrina. Nisy sapile koa teo ambony latabatry ny lakozia. Mba hampilamina ny sainy àry, dia nilazako izy hoe: “Misy naman’io olona io nampitondra hafatra maika ho azy.”

Tonga rangahy vadiny, ary niresaka momba ny tantaran’ilay faritra. Tsy nisy vokany ny antso voalohany nataon’ilay ramatoa. Tsy nanaiky anefa izy fa niantso indray, ary nasainy niandry aho. Toa tsy nisy nahafantatra mihitsy ilay olona na ilay trano. Nijery ora aho ka hitako fa efa hariva ny andro. Tsara kokoa raha miverina indray aho amin’ny manaraka. Nisaotra azy mivady aho, ary nitodi-doha nody satria mbola lavitra ny dia.

Niverina aho ny herinandro nanaraka. Nihaona tamin’ilay mpanatitra taratasy aho, ary nomeny toromarika nazava tsara. Hitako ilay sampanan-dalana natorony, fahefatr’adiny tatỳ aoriana. Nivily niankavia aho, ary nivezivezy niaka-nidina tamin’ilay lalana tery, mba hitady tetezam-bato efa antitra. Tsy hitako anefa ilay izy. Hitako kosa ilay famantarana farany natoro ahy. Io fa teo an-tampon-kavoana ilay trano notadiaviko fatratra!

Nieritreritra vetivety ny fomba hitoriako amin’ilay olona aho. Lehilahy zokiolona no namoha trano. Hoy izy: “Tsy ity ilay trano tadiavinao fa irỳ.” Trano iray takontakon’ny hazo no natorony. Tsy andriko izay hihaonana tamin’ilay olona. Nidina nankeny amin’ilay trano aho ary nandondòna. Nitazana ny Ranomasimbe Atlantika aho, teo am-piandrasana. Tsy dia lavitra teo mantsy izy io. Nahery ny rivotra, ary fotsy ireo onja nianjera teo amin’ny torapasika midadasika sy tsara tarehy. Tsy nisy olona mihitsy na teo amin’ny manodidina na tao amin’ilay trano.

Indroa niverina tany aho vao nahita tovolahy iray. “Ity mihitsy ilay trano”, hoy izy, “saingy efa nifindra io lehilahy tadiavinao io, ary tsy fantatro izay nalehany.” Nolazaiko tamin’ilay tovolahy àry ny antony nitadiavako an’ilay olona. Hay mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy. Nisy nangalatra tao aminy talohan’izay, ka nanontany izy hoe nahoana Andriamanitra no namela an’izany sy ny tsy rariny hafa hitranga. Niresaka momba izany mihitsy Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nivoaka farany, ary faly izy nandray an’ireo.

Lazain’ny Soratra Masina fa tokony hiezaka hitady an’ireo olona toy ny ondry isika. Nampalahelo fa tsy hitako ilay lehilahy notadiaviko. Tsy very maina anefa ny ezaka nataoko. Maro no te hahafantatra ny Fanjakan’Andriamanitra eto Irlandy. Noho ny fitahian’i Jehovah dia mety hamoa ihany, indray andro any, ny voan’ny fahamarinana nafafiko tao amin’iny tovolahy iny.