Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fantatro Tsara ny Fijaliany”

“Fantatro Tsara ny Fijaliany”

Manatòna An’Andriamanitra

“Fantatro Tsara ny Fijaliany”

Eksodosy 3:1-10

“MASINA, masina, masina i Jehovah.” (Isaia 6:3) Hita avy amin’ireo teny ireo fa i Jehovah Andriamanitra no masina sy madio indrindra. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Sao dia mba miavonavona na mafy fo ny Andriamanitra faran’izay masina toy izany? Izy ve dia hiraharaha olombelona mpanota toa ahy?’ Andeha àry hojerentsika ny teniny tamin’i Mosesy, ao amin’ny Eksodosy 3:1-10. Tena mampahery ilay izy.

Nahita zavatra tena hafahafa i Mosesy indray andro, rehefa niandry ondry. Nisy voaroy nirehitra nefa “tsy nety levona.” (Andininy 2) Gaga izy, ka nanatona mba hijery. Nisy feo niteny anefa tao anatin’ilay afo hoe: “Aza manatona etỳ. Esory ny kapa eny an-tongotrao, fa tany masina io ijoroanao io.” (Andininy 5) I Jehovah io niteny io, tamin’ny alalan’ny anjely. Eritrereto ange e! Lasa masina ilay tany, satria nisy zavamaniry nampiasain’ilay Andriamanitra masina hiresahana tamin’i Mosesy teo!

Nahoana Andriamanitra no niresaka tamin’i Mosesy? Hoy izy: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.” (Andininy 7) Tena hitan’Andriamanitra ny fahorian’ny vahoakany, ary reny tsara ny fitarainany. Toy ny hoe izy mihitsy no nijaly. Mariho ilay teniny hoe: “Fantatro tsara ny fijaliany.” Hoy ny boky iray momba izany: ‘Te hilaza Andriamanitra fa tena tsapany ny manjo azy ireo, ary mangoraka azy ireo izy.’ Tsara fanahy àry i Jehovah, ary tena mitady izay hahasoa ny olona.

Tsy hoe nitsetra sy nangoraka ny vahoakany fotsiny anefa izy. Te hanampy azy ireo koa izy, ka tapa-kevitra ny hanafaka azy avy any Ejipta, ary hitondra azy any amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely.” (Andininy 8) Naniraka an’i Mosesy àry izy, ka hoy izy taminy: ‘Ento miala any Ejipta ny oloko.’ (Andininy 10) Nanaiky i Mosesy, ka nitondra ny Israelita niala tany, tamin’ny taona 1513 T.K.

Mbola tsy miova i Jehovah hatramin’izao. Afaka matoky àry ny mpanompony fa hitany ny fahorian’izy ireo, ary reny ny fitarainany. Fantany tsara ny fijalian’izy ireo. Tsy hoe mangoraka fotsiny anefa i Jehovah. Tena manampy ny mpanompony kosa izy “satria miahy” azy ireo.—1 Petera 5:7.

Mampahery izany. Afaka manampy antsika mantsy Andriamanitra, ka afaka ny ho masina sy ho olo-marina eo anatrehany isika, na dia tsy lavorary aza. (1 Petera 1:15, 16) Kivy tanteraka, ohatra, ny vehivavy kristianina iray, nefa lasa natanja-tsaina indray rehefa avy namaky ny Eksodosy 3:5. Hoy io vehivavy io: “Tena nampahery ahy ny nieritreritra hoe io tany itsahin’ny tongotsika io aza azon’i Jehovah atao masina, ka mainka moa fa izaho. Angamba mba afaka hanampy ahy ho masina koa izy.”

Tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, ka hifandray akaiky aminy? Azonao atao tsara izany satria mora ifandraisana izy. “Fantany tsara [mantsy] ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”—Salamo 103:14.