Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo “Tsy mba Malazo”

Hazo “Tsy mba Malazo”

Hazo “Tsy mba Malazo”

EFA nahita toerana feno hazo mandrobona be ve ianao? Azo inoana fa finaritra erỳ ianao nijery an’ilay izy. Vaventy sy midoroboka be angamba ireo hazo hitanao. Tsy hilaza mihitsy àry ianao hoe karakaina ilay toerana. Tonga dia fantatrao kosa fa toerana be rano ilay izy, matoa maniry sy mandrobona tsara ireo hazo eo aminy.

Milaza ny Baiboly fa mitovy amin’ny hazo vaventy sy mandrobona be ny olona manana finoana matanjaka sy mifandray tsara amin’Andriamanitra. Mariho, ohatra, ireto teny kanto ao amin’ny Salamo 1:1-3 ireto:

“Sambatra ny olona tsy mandeha araka ny torohevitry ny ratsy fanahy, sy tsy mijoro eny amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eny amin’izay ipetrahan’ny mpaneso. Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina. Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy, dia hazo mamoa amin’ny fotoanany, ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony.”

Hoy koa ny Jeremia 17:7, 8: ‘Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah sy mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah. Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, izay mampisandrahaka ny fakany eny akaikin’ny renirano. Tsy hihontsina akory izy na tonga aza ny hafanana, fa hirobona foana ny raviny. Ary tsy hanahy izy na dia amin’ny taona isian’ny hain-tany aza fa hamoa foana.’

Ampitovin’ny mpanao salamo sy Jeremia amin’ny hazo mandrobona be, ny olona manao ny marina sy finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah ary matoky tanteraka azy. Nahoana? Andeha hofakafakaintsika ireo andininy ireo.

“Nambolena eo amoron’ny rano mikoriana”

Nambolena “eo amoron’ny rano mikoriana” na “eo amoron-drano” ireo hazo ireo. Misy sarin-teny mitovitovy amin’izany ao amin’ny Isaia 44:3, 4. Nampiasa azy io i Jehovah, mba hilazana tamin’ny Jiosy nibebaka fa hikarakara azy ireo izy, rehefa avy babo any Babylona izy ireo. Hoy izy: ‘Handatsahako rano izay mangetaheta, ary hasiako rano kely mikoriana any amin’ny tany karakaina. Dia hirobona toy ny ahi-maitso izy ireo, eny, toy ny hazo aravaha eny amoron’ny lakandrano.’ Voalaza eo fa hisy ‘rano mikoriana’ sy “lakandrano” hamelombelona ny olona notahin’i Jehovah, ka hirobona toy ny hazo aravaha izy ireo.

Mbola misy lakandrano sy rano mikoriana ankehitriny any amin’ny toeram-pambolena maro. Lavadrano lalina na renirano, farihy, na tohodrano no ahazoana an’ilay rano. Matetika no natao hanondrahana saha misy hazo fihinam-boa na voly hafa ny rano mikoriana na ny lakandrano. Natao hanasarahana tanimbolin’olona koa indraindray ny rano mikoriana.

Maniry tsara tokoa ve ny hazo eo amoron’ny rano mikoriana? Resahin’ny Salamo 1:3 fa “mamoa amin’ny fotoanany” ilay izy. Maromaro ny karazan-kazo any Palestina. Eo ny aviavy, ampongabendanitra, paoma, antrendry, ary oliva. Mety hahatratra sivy metatra ny haavon’ny aviavy sady misandrahaka ny rantsany. Ivaiva kosa ny hazo hafa. Mandrobona sy maniry tsara koa anefa izy ireo, ary mamoa be amin’ny fotoanany.

Fahiny, dia nisy hazo aravaha vaventy teny amoron’ny renirano sy rano mikoriana, tany Syria sy Palestina. Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa teny amoron-drano na “lohasaha falehan-driaka” no nahitana an’io hazo io. (Levitikosy 23:40) Nahitana hazomalahelo koa teny. Mitovy karazana amin’ny hazo aravaha izy io. (Ezekiela 17:5) Inona àry no tian’ilay mpanao salamo sy Jeremia holazaina tamin’ilay fampitahana nataony? Ho toy ny hazo mandrobona ny olona miezaka manaraka ny lalàn’Andriamanitra sy matoky tanteraka azy. Hifandray tsara foana aminy mantsy izy ireo, ary hanana finoana matanjaka. ‘Hahomby daholo koa izay ataony.’ Azo inoana fa izany indrindra no irintsika rehetra.

Finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah

Mitady fomba maro ny olona ankehitriny mba hahombiazana. Miezaka mafy manao zavatra isan-karazany àry izy ireo, mba hahatongavany ho malaza sy manankarena. Tsy araka ny nantenainy anefa avy eo ny fiainany, ka diso fanantenana izy. Inona àry no tena mahasambatra mandrakizay? Hoy i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3) Tsy ny olona manankarem-be tokoa no tena sambatra, fa izay mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra, ka miezaka mifandray aminy. Ho toy ny hazo mandrobona be sy mamoa amin’ny fotoanany izy, raha mahavita izany. Inona àry no azontsika atao mba hifandraisana tsara amin’Andriamanitra?

Voalohany, misy zavatra tsy maintsy halavirintsika, araka ny nolazain’ny mpanao salamo. Anisan’izany ny “torohevitry ny ratsy fanahy” sy ny “lalan’ny mpanota” ary ny toerana “ipetrahan’ny mpaneso.” Raha te ho sambatra isika, dia tsy tokony hiaraka amin’ny mpaneso, izany hoe ny olona manambany na tsy miraharaha mihitsy ny lalàn’Andriamanitra.

Faharoa, tokony ho finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah isika. Rehefa misy zavatra iray mahafinaritra antsika, dia ataontsika foana ilay izy raha mbola azo atao, sa tsy izany? Raha finaritra amin’ny lalàn’Andriamanitra àry isika, dia ho sarobidy amintsika ny Teniny. Haniry hianatra azy io foana isika, mba hahatakarana bebe kokoa ny heviny.

Farany, tokony hamaky “moramora andro aman’alina” ny Baiboly isika. Midika izany fa tokony hamaky tsy tapaka azy io isika, ary hisaintsaina izay vakintsika. Tokony ho tiantsika ny Tenin’Andriamanitra, ka hiteny toy ny mpanao salamo isika hoe: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!”—Salamo 119:97.

Hanana finoana matanjaka àry isika, ary hifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra, raha mahalala ny marina momba azy, ka matoky tanteraka azy sy ny fampanantenany. Ho sambatra toy ilay olona resahin’ny mpanao salamo isika amin’izay. ‘Hahomby daholo izay ataontsika.’