Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Daty Manan-tantara Indrindra

Ilay Daty Manan-tantara Indrindra

Ilay Daty Manan-tantara Indrindra

Ny daty nahafatesan’i Jesosy Kristy izany. Nahoana no tena zava-dehibe ny nahafatesany? Noho ny antony maromaro.

Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka voaporofo fa azon’ny olombelona atao ny tsy mivadika mihitsy amin’Andriamanitra.

Hisy olona ho afaka hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, noho io fahafatesany io. Be dia be koa no ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

Nampiasa mofo tsy nisy lalivay sy divay mena i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany, mba hampisehoany ny sorona feno fitiavana hataony. Hoy izy tamin’ny mpianany avy eo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Hahatsiaro an’io fotoan-dehibe io ve ianao?

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiara-mankalaza aminy ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Hatao amin’ny alakamisy 9 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io, amin’ity taona ity. Azonao atao ny manatrika azy io, any amin’izay Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra. Mba anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo ny toerana sy ny ora marina hanaovana azy io.