Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Korinto, “Tompon’ny Seranan-tsambo Roa”

Korinto, “Tompon’ny Seranan-tsambo Roa”

Korinto, “Tompon’ny Seranan-tsambo Roa”

VOAMARIKAO ve fa saikinosy ny ampahany lehibe amin’i Gresy? Toy ny nosy lehibe kosa ilay faritra atsimo aminy. Faritra lavalava kely no mampitohy azy ireo, ary enina kilaometatra eo ho eo ny sakany tery indrindra amin’izy io. Antsoina hoe Andilan-tanin’i Korinto io faritra io, izay mampitohy ny saikinosin’i Péloponnèse any atsimo, sy ilay ampahany lehibe any avaratra.

Nantsoina koa hoe tetezan-dranomasina ilay andilan-tany. Eo atsinanany mantsy no misy ny Hoalan’i Sarônika, mivoaka any amin’ny Ranomasina Égée sy ny faritra atsinanan’i Mediterane. Eo andrefany kosa ny Hoalan’i Korinto, mivoaka any amin’ny Ranomasina Ionianina sy ny Ranomasina Adriatika ary ny faritra andrefan’i Mediterane. Eo afovoan’ireo rehetra ireo i Korinto, izay tanàna fivahinian’ny apostoly Paoly tamin’ireo dia misionerany. Tanàna nandroso izy io, nefa ratsy fitondran-tena.

Tsara toerana

Eo amin’ny faritra andrefan’ilay andilan-tany no misy ny tanànan’i Korinto. Nanana seranan-tsambo roa izy teo amin’ny andaniny roa amin’ilay andilan-tany: I Léchée teo andrefana, ary Kenkrea teo atsinanana. Izany no nahatonga an’i Strabon, grika mpahay jeografia, hiantso an’i Korinto hoe “tompon’ny seranan-tsambo roa.” Tsara toerana ilay tanàna, satria nandalo teo ny lalana an-tanety falehan’ireo mpivarotra avy any avaratra sy avy any atsimo. Toy izany koa ny lalana an-dranomasina falehan’ireo mpivarotra avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Hatramin’ny taloha no efa nisy sambo avy any atsinanana (Azia Minora, Syria, Fenisia, ary Ejipta) sy avy any andrefana (Italia sy Espaina) tonga nanatitra entana teo amin’ireo seranana ireo. Nampidinina ny entana, ary notaterina an-tanety kilaometatra vitsivitsy tany amin’ilay seranana hafa. Nakarina an-tsambo indray izany avy eo, ary nitohy ny dia. Tonga kosa dia notarihina teo amin’ny diolkos, na lalana namakivaky an’ilay andilan-tany, ireo sambo kely kokoa.—Jereo ny  efajoro, pejy 27.

Naleon’ny tantsambo ilay lalana an-tanety toy izay hanao dia an-dranomasina 320 kilaometatra, nanodidina an’ireo tanjona tany atsimon’i Péloponnèse. Nampidi-doza tany, satria nisy tafio-drivotra matetika ary nisamboaravoara ny ranomasina. Ny Tanjona Malée no tena tsy tian’ny tantsambo. Voalaza mantsy hoe: “Tsy ho tafody intsony ianao raha manodidina ny Tanjona Malée.”

Ilay seranan’i Kenkrea

Tokotokony ho 11 kilaometatra avy teo atsinanan’i Korinto ny seranan’i Kenkrea. Teo no nifarana ireo dia an-dranomasina avy any Azia. Efa difotra izao ny antsasak’izy io, noho ireo horohoron-tany tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra. Milaza i Strabon fa seranana niroborobo sady be mpampiasa i Kenkrea taloha. Niantso azy io hoe “seranana lehibe fivezivezen’ny sambo avy any amin’ny firenen-tsamy hafa” i Apulée, filozofa romanina.

Nisy fiantsonan-tsambo roa nikipaka tany an-dranomasina teo amin’ilay seranana, tamin’ny andron’ny Romanina. Toy ny vy amin’ny kitron-tsoavaly no fahitana azy roa miaraka, ka nampisy fidirana lehibe 150 ka hatramin’ny 200 metatra teo ho eo. Afaka nandray sambo lehibe 40 metatra ilay seranana. Nofongarina teo atsimoandrefan’izy io ny ampahan’ny tempoly iray, izay heverina fa an’i Isis. Azo inoana kosa fa an’i Aphrodite ireo trano teo avaratratsinanan’ilay seranana. Noheverina ho mpiaro ny tantsambo mantsy ireo andriamanibavy roa ireo.

Ny fivezivezen’ny sambo teo amin’ilay seranana no mety ho nahatonga an’i Paoly hanao tranolay. (Asan’ny Apostoly 18:1-3) Hoy ny boky Manara-dia An’i Md. Paoly (anglisy): ‘Nanao lain-tsambo koa ireo mpanao tranolay tao Korinto. Be asa be àry izy ireo, rehefa akaiky ny ririnina. Tsy azo naleha mantsy ny ranomasina, ka feno sambo ireo seranana roa. Nanararaotra nanamboatra sy nanolo ny simba tamin’ny sambony ireo tantsambo. Nisy asa ho an’izay nahay nanao lay àry tao Léchée sy Kenkrea.’

Rehefa avy nijanona herintaona sy tapany mahery tao Korinto i Paoly tamin’ny taona 52 tany ho any, dia niainga avy tao Kenkrea ka nandeha sambo nankany Efesosy. (Asan’ny Apostoly 18:18, 19) Lasa nisy fiangonana kristianina tao Kenkrea, tao anatin’ireo efa-taona nanaraka. Milaza ny Baiboly fa niangavian’i Paoly ny Kristianina tany Roma mba hanampy an’i Foiby, anabavy kristianina avy ao “amin’ny fiangonana any Kenkrea.”—Romanina 16:1, 2.

Mangalahala izao ny rano eo akaikin’ireo sisa tavela amin’ilay seranana. Milomano eo àry ny mpitsidika ny helodranomasin’i Kenkrea. Tsy fantatry ny ankamaroan’izy ireo akory, fa betsaka ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny varotra natao teo, taonjato maro lasa izay. Toy izany koa ny teo Léchée, ilay seranana hafan’i Korinto, izay eo amin’ny tendrony andrefana amin’ilay andilan-tany.

I Léchée, vavahady andrefana

Misy lalana rarivato mirefy roa kilaometatra miala eo an-tsenan’i Korinto mankany amin’ilay seranan-tsambo any andrefana. Antsoina hoe Lalan’i Léchée izy io. Nohadin’ny injeniera ny ampahany tamin’ny moron-drano, mba hanorenana ilay seranana. Navangongony teo amoron-drano ireo zavatra avy tao, mba hiarovana ny sambo miantsona tsy ho voan’ny rivo-mahery. Anisan’ny seranana lehibe indrindra tany Mediterane izy io taloha. Hitan’ny mpikaroka teo ny sisa tavela tamin’ny tilikambo fanilon-tsambo iray, izay sarivongan’i Poséidon mitana fanilo.

Nisy sisin-dalana, tranom-panjakana, tempoly, ary lala-mitafo sy fivarotana teny akaikin’ny Lalan’i Léchée, izay voaron’ny manda roa sosona. Teo no nihaonan’i Paoly tamin’ireo mpiantsena, mpidonana-poana, mpivarotra, andevo, mpanao raharaham-barotra, ary olon-kafa. Afaka nitory tamin’ireo izy.

Tsy seranana ara-barotra fotsiny i Léchée, fa foiben’ny sambo mpiady koa. Misy milaza fa tao no namoronan’ilay Korintianina atao hoe Ameinoclès, ny sambo mpiady nisy ambaratongana mpivoy telo, tamin’ny 700 T.K. tany ho any. Anisan’ny sambo mpiady fahiny nahomby indrindra izy io. Nampiasa azy io ny Atenianina mba handresena ny tafika an-dranomasina persanina tao Salamisy, tamin’ny 480 T.K.

“Farihy mainty sy feno bararata” sisa ankehitriny ilay seranana be mpampiasa taloha. Tsy mampino mihitsy hoe nisy seranana anisan’ny lehibe indrindra tany Mediterane teo, taonjato maro lasa izay.

Ny olana hitan’ireo Kristianina tany Korinto

Sady nampidi-bola ireo seranan-tsambon’i Korinto no nanova be ny fiainan’ny olona. Niroborobo, ohatra, ny varotra ka lasa nanan-karena ny mponina. Nangoron-karena tamin’ny alalan’ny haban-tseranana lafo be ilay tanàna. Nampandoaviny vola koa izay nitatitra entana sy nitarika sambo teo amin’ny lalany, ary izay nivezivezy an-tanety. Nahazo vola be avy tamin’ny haban-tsena sy seranana ny Fanjakana, ka nofoanany ny hetra isam-batan’olona, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K.!

Nampidi-bola fanampiny ho an’i Korinto ireo mpivarotra nijanona tao. Maro tamin’izy ireo no nandany ny volany tamin’ny lanonana feno filibana. Nirohotra nankao Korinto koa ny tantsambo, ka nampanan-karena azy. Nilaza i Strabon fa lanin’izy ireo vetivety ny volany. Vonona hanao asa isan-karazany ny mponina tao an-tanàna, anisan’izany ny fanamboarana ny simba tamin’ireo sambo.

Nisy mponina 400 000 teo ho eo tao Korinto, tamin’ny andron’i Paoly. I Roma sy Aleksandria ary Antiokia any Syria ihany no nihoatra azy. Nisy Grika, Romanina, Syrianina, Ejipsianina, ary Jiosy tao Korinto. Noho ireo seranany ireo, dia nisy mpanao dia lavitra, mpijery lalao samihafa, mpanakanto, filozofa, mpandraharaha, ary olon-kafa tonga foana tao. Nitondra fanomezana ho an’ny tempoly izy ireny, ary nanao sorona ho an’ireo andriamanitra. Lasa tanàn-dehibe niroborobo àry i Korinto. Nisy tambiny anefa izany rehetra izany.

Hoy ilay boky hoe Manara-dia An’i Md. Paoly: “Teo anelanelan’ny seranana roa i Korinto, ka lasa nanahaka ny toetra ratsin’ireo hafa firenena nanana sambo niantsona teo amin’ny seranany.” Nifangaro tao ny Tatsinanana sy ny Tandrefana, izay samy nitondra ny toetra ratsiny. Tanàna tena ratsy fitondran-tena àry i Korinto. Tsy menatra akory izy nampiadan-tena tamin’ny faharatsiana. Izy no tanàna ratsy fitondran-tena indrindra tany Gresy fahiny. Nanjary olona maloto fitondran-tena no tonga ao an-tsaina, raha vao maheno ny hoe ‘toy ny Korintianina.’

Natahorana hanimba ny Kristianina izany fitiavan-karena sy fitondran-tena ratsy izany. Nila nampirisihina àry ny mpanara-dia an’i Jesosy tany Korinto, mba hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra foana. Tena nety ny nataon’i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina izy. Nomelohiny mafy mantsy ny olona manana faniriana tsy mety afa-po sy manao an-keriny ary maloto fitondran-tena. Rehefa mamaky ireo taratasy ireo ianao, dia tena ho takatrao fa niady tamin’ny fitaoman-dratsy nampietry ny Kristianina tany Korinto.—1 Korintianina 5:9, 10; 6:9-11, 18; 2 Korintianina 7:1.

Nisy lafy tsarany ihany ny hoe olona isan-karazany no nivezivezy tao Korinto. Nisy hevi-baovao foana mantsy tonga tao. Nalala-tsaina kokoa ny mponina tao, noho ny tany amin’ny tanàna hafa notsidihin’i Paoly. Nilaza ny mpivaofy teny ara-baiboly fa “nihaona tao amin’io tanàna nisy seranana io, ny Tatsinanana sy ny Tandrefana, ka lasa fantatry ny mponina tao avokoa izay mety ho hevitra sy filozofia ary fivavahana natolotr’ity tontolo ity.” Efa zatra nahita fivavahana samy hafa izy ireo. Nanamora ny fitorian’i Paoly izany.

Nampiroborobo sy nampahalaza an’i Korinto ireo seranan-tsambony, dia i Léchée sy Kenkrea. Tsy mora ho an’ny Kristianina anefa ny niaina tao. Toy izany koa ankehitriny. Atahorana hanimba an’ireo matahotra an’Andriamanitra ny fitaoman-dratsy, toy ny fitiavan-karena sy ny fitondran-tena maloto. Mety àry ny hanarahantsika ny torohevitr’i Paoly, ho an’ny Kristianina tany Korinto.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

 Diolkos, Ilay Lalan-tsambo An-tanety

Tsy raikitra ny fanamboarana lakandrano hamakivaky ny andilan-tanin’i Korinto, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. Nahita hevitra tsara hampitana entana an-tanety anefa i Périandre, mpitondra an’ilay tanàna. Nasiany lalan-kazo nohosorana menaka teo amin’ny lalana iray vita rarivato. Diolkos no anaran’ilay lalana, ary “misintona” no dikan’io teny io. Nampidinina aloha ny entana tao amin’ny sambo niantsona teo an-tseranana, ary natao tao anaty vata misy kodiarana. Avy eo dia nosintonin’ireo andevo nanaraka ilay lalan-kazo izy ireny, mandra-pahatongany tany amin’ilay seranana hafa. Nosintonina teo koa ny sambo kely kokoa. Mbola nisy entana izy ireny indraindray.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

GRESY

Hoalan’i Korinto

Seranan’i Léchée

Korinto Fahiny

Kenkrea

Andilan-tanin’i Korinto

Hoalan’i Sarônika

Péloponnèse

RANOMASINA IONIANINA

Tanjona Malée

RANOMASINA ÉGÉE

[Sary, pejy 25]

Sambo mpitondra entana, mandalo eo amin’ny Lakandranon’i Korinto ankehitriny

[Sary, pejy 26]

Seranan-tsambon’i Léchée

[Sary, pejy 26]

Seranan-tsambon’i Kenkrea

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Todd Bolen/Bible Places.com