Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Fotoanany ny Zava-drehetra

Misy Fotoanany ny Zava-drehetra

Misy Fotoanany ny Zava-drehetra

Hoy ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.” Nilaza koa i Solomona mpanjaka hendry, izay nanoratra an’ireo teny ireo, fa misy fotoana ahaterahana ary misy fotoana ahafatesana, misy fotoana anorenana ary misy fotoana andravana, misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana. Hoy izy avy eo: “Inona no tombony azon’ny olona amin’izay asa mafy ataony?”—Mpitoriteny 3:1-9.

I REO teny ireo no mahatonga ny olona sasany hieritreritra hoe efa voalahatra ny zava-drehetra. Mihevitra izy ireo fa manohana ny fampianarana momba ny lahatra ny Baiboly. Izany tokoa ve no izy? Fantatsika fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo.’ (2 Timoty 3:16) Azo antoka àry fa tokony hifanaraka amin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly ny zavatra resahin’ny andinin-teny iray. Andeha hojerentsika izay lazain’ny andininy hafa.

Azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina

Hoy ihany i Solomona: “Nandinika indray aho ka izao no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ary tsy ny mahery no mandresy, ary tsy ny hendry no manan-kanina, ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka.” Nahoana? “Satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”—Mpitoriteny 9:11.

Tsy nilaza akory i Solomona hoe ny lahatra no mahatonga ny zava-drehetra hitranga. Nohazavainy kosa fa tsy mahazo antoka ny amin’ny ho vokatry ny zavatra ataony ny olona, “satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Matetika no misy zavatra tsara na ratsy miseho eo amin’ny fiainan’ny olona iray, satria fotsiny hoe sendra teo amin’ny toerana nisehoan’izany izy.

Diniho, ohatra, ilay tenin’i Solomona hoe: “Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena.” Nisy zava-niseho nahavariana tamin’ny Lalao Olympika tany Los Angeles, Etazonia tamin’ny 1984. Samy nanantena ny handrombaka meday volamena tamin’ny hazakazaka 3 000 metatra ho an’ny vehivavy, ilay mpihazakazaka avy any Grande-Bretagne sy ilay avy any Etazonia. Nifandona teny am-pandehanana anefa izy ireo, teny antenatenan’ilay hazakazaka. Nianjera ny iray ka nitsoaka an-daharana, fa ny iray kosa kivy be ka nanjary fahafito.

Efa voalahatra ve io fisehoan-javatra io? Mino izany ny olona sasany. Ny fifandonan’izy roa vavy anefa no nahatonga azy ireo tsy hahazo fandresena, ary zava-nitranga tsy nampoizina izany. Efa voalahatra ve hoe hifandona izy ireo? Mino izany koa ny olona sasany. Nilaza anefa ny mpanao gazety hoe nitranga iny loza iny, satria samy niady mafy izy roa vavy mba handresy. Nitovy fahaizana sy hery izy ireo, ka samy tsy nisy te ho voasongona. Marina ny lazain’ny Baiboly hoe: “Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Na miomana tsara toy inona aza ny olona iray, dia mety hisy vokany amin’ny ezaka ataony ny zavatra tsy ampoizina. Tsy misy ifandraisany amin’ny lahatra anefa izany.

Inona àry no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy”? Misy zavatra azontsika atao ve mba hananana hoavy tsara?

Ny fotoana tsara indrindra anaovan-javatra

Niresaka momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny ho vokatr’izany eo amin’ny olombelona i Solomona tamin’io andininy io, fa tsy niresaka momba ny anjaran’ny tsirairay na izay hiafarany. Manaporofo izany ny teny manodidina. Rehefa avy nitanisa zavatra maro samy manana ny ‘fotoanany’ i Solomona, dia nilaza hoe: “Efa hitako ny asa nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona. Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—Mpitoriteny 3:10, 11.

Nomen’Andriamanitra asa maro hatao ny olona, ary nitanisa ny sasany tamin’izany i Solomona. Navelan’Andriamanitra hifidy izay hataontsika koa isika. Samy tokony hatao amin’ny fotoana mampety azy anefa ny asa rehetra, mba hahazoana ny vokatra tsara indrindra. Diniho, ohatra, ny voalazan’ny Mpitoriteny 3:2: “Misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana an’izay nambolena.” Fantatry ny tantsaha fa samy manana ny fotoana fambolena azy ny voly rehetra. Ahoana anefa raha misy tantsaha mamboly zavatra amin’ny fotoana tsy mety? Niasa mafy erỳ izy, nefa tsy nahita vokatra tsara. Ny lahatra ve no nahatonga izany? Tsia. Tsy nety fotsiny ny fotoana namboleny an’ilay izy. Nety ho tsara ny vokatra, raha toa izy ka nanaraka ny lamina efa napetraky ny Mpamorona ho an’ny zavaboary.

Tsy ny anjaran’ny tsirairay na ny ho fiafaran’ny zava-mitranga rehetra àry no nalamin’Andriamanitra mialoha, fa ny toro lalana mifanaraka amin’ny fikasany, ary ireny no mifehy ny asa ataon’ny olona. Raha te hahomby isika, dia mila mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra sy ny lamina efa napetrany, ary hampifanaraka izay ataontsika amin’izany. Ny fikasan’Andriamanitra àry no efa voalahatra sy tsy azo ovana, fa tsy ny anjaran’ny tsirairay. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.”—Isaia 55:11.

Ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona io ‘teny’ nolazainy fa “hahomby” io. Inona izany fikasany izany?

Fantaro ny lamina napetrak’Andriamanitra

Manampy antsika hahalala izany ny tenin’i Solomona. Rehefa avy nilaza izy hoe “tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra”, dia hoy izy: “Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona, mba tsy hahafantaran’izy ireo mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” Mandika an’io andinin-teny io toy izao ny Fandikan-teny Protestanta: “Ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”—Mpitoriteny 3:11.

Maro ny boky efa nanazava an’io andinin-teny io. Ny zava-misy aloha dia izao: Efa samy mba nieritreritra isika rehetra hoe inona no antony iainantsika, ary hanao ahoana no hiafarantsika. Sarotra amin’ny olona ny manaiky hoe tsy misy azo atao eo amin’ny fiainana afa-tsy ny miezaka mafy mamita ny adidy, ary avy eo dia ho faty. Tsy mitovy amin’ny zavamananaina hafa mantsy ny olombelona. Tsy ny anio ihany no eritreretintsika fa ny ampitso koa. Te hiaina mandrakizay mihitsy aza isika. Nahoana? Hoy ny Soratra Masina: “Ny mandrakizay dia efa nataon[’Andriamanitra] tao am-pony.”

Ny fanirian’ny olona hiaina mandrakizay no mahatonga azy hieritreritra raha mbola misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Mihevitra ny olona sasany fa mbola misy zavatra velona ao anatintsika, rehefa maty isika. Ny hafa kosa mino fa teraka indray ao amin’ny vatana hafa isika rehefa maty, ary mitohy foana izany. Misy koa mieritreritra hoe efa voalahatra mialoha ny zava-drehetra miseho eo amin’ny fiainana, ary tsy azo ihodivirana izany. Indrisy anefa, fa tsy misy mahafa-po ny olona ireny fanazavana ireny. Milaza mantsy ny Baiboly fa ‘tsy hahafantatra ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany’ mihitsy ny olombelona, raha amin’ny ezaka ataony manokana.

Efa ela ny olona no naniry hahafantatra momba ny fiainana ankehitriny sy ny hoavy, nefa tsy mety mahita valiny mahafa-po. Mampikorontan-tsaina an’ireo filozofa izany. Koa satria Andriamanitra no nametraka tao am-pontsika an’ilay faniriana hiaina mandrakizay, dia izy ihany no afaka manome fahafaham-po an’io faniriana io. Tokony hangataka fanampiana aminy àry isika. Hoy mantsy ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Manokatra ny tananao ianao, ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.” (Salamo 145:16) Raha mandinika ny Teniny isika, dia hahita fanazavana mahafa-po momba ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fikasany mandrakizay momba ny tany sy ny olombelona.—Efesianina 3:11.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena.”—Mpitoriteny 9:11

[Teny notsongaina, pejy 6]

Raha tsy nambolen’ny tantsaha iray tamin’ny fotoana nety ny voliny, ka tsy nahazo vokatra tsara izy, ny lahatra ve no nahatonga izany?

[Teny notsongaina, pejy 7]

Mieritreritra momba ny fiainana sy ny fahafatesana isika, satria efa nataon’Andriamanitra ‘tao am-pontsika ny mandrakizay’