Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo Fanampiana ny Tra-boina Tany Myanmar

Nahazo Fanampiana ny Tra-boina Tany Myanmar

Nahazo Fanampiana ny Tra-boina Tany Myanmar

NANDRAVARAVA an’i Myanmar ny Rivo-doza Nargis tamin’ny 2 Mey 2008. Vetivety dia lasa matoam-baovao eran-tany izany. Voalaza fa efa ho 140 000 no maty na tsy hita popòka, satria niakatra be ny rano teny amin’ny manodidina ny vavaranon’i Irrawaddy.

Nahagaga fa tsy nisy naninona ireo Vavolombelon’i Jehovah maro tany amin’iny faritra iny. Nankany amin’ireo Efitrano Fanjakana teo an-toerana mantsy izy ireo, satria mafy orina izy ireny. Nipetraka teo ambony tafon’ny Efitrano Fanjakana nandritra ny adiny sivy, ohatra, ny Vavolombelona 20 sy ny olon-kafa 80 tao amin’ny tanàna iray, rehefa nisondrotra dimy metatra teo ho eo ny rano. Avotra soa aman-tsara izy rehetra ireo. Nampalahelo anefa fa 300 no maty tao amin’ilay tanàna. Ny Efitrano Fanjakana sisa tsy rava, tany amin’ny tanàna maro.

Nandefa ekipa mpitondra fanampiana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Yangon, roa andro taorian’ilay rivo-doza. Nalefa tany amin’ny fiangonan’i Bothingone, eo amin’ilay vavarano, izy ireo, ary nitondra vary, paty, rano, ary labozia. Tonga tany ihany izy ireo rehefa avy namakivaky faritra ravarava, sy nanalavitra an’ireo mpandroba, ary nandalo faty efa ho simba. Izy ireo no ekipa mpitondra fanampiana tonga voalohany tany. Nomena fanampiana ireo Vavolombelona, ary nisy lahateny ara-baiboly natao mba hampaherezana azy ireo. Nomena Baiboly sy boky aman-gazety ara-baiboly koa izy ireo, satria potiky ny rivo-doza izay rehetra nananany.

Tena nahavariana ny toe-tsain’ireo Vavolombelona tra-boina. Hoy ny Vavolombelona iray tany amin’ny faritra rava any Irrawaddy: “Fongana ny fanananay. Rava daholo ny tranonay. Simba daholo ny voly. Tsy nisy rano fisotro madio intsony, noho ny tondra-drano. Tsy be fanahiana toy ny olon-kafa anefa ireo rahalahy sy anabavy, fa natoky an’i Jehovah sy ny fandaminany. Harahinay foana izay toromarika homena anay, na hijanona eto izahay na hifindra any an-toeran-kafa.”

Namoy ny fananany rehetra koa ireo Vavolombelona 30 hafa. Faly erỳ izy ireo nihira ny hiran’ilay Fanjakana, rehefa nandeha adiny folo ho any amin’ny toerana nisy an’ireo ekipa nitondra sakafo sy fitafiana ary tranolay. Ren’izy ireo anefa talohan’ny hahatongavany, fa nisy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo. Nandeha nanatrika an’ilay fivoriambe aloha izy ireo, mba hahazo sakafo ara-panahy sy hiaraka amin’ireo mpiray finoana aminy.

Nanerana ny faritra nandalovan’ilay rivo-doza, dia 35 ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah rava, 125 no nisy simba, ary Efitrano Fanjakana 8 no nisy simba kely. Soa ihany fa tsy voa mafy ny tranon’ny sampana.

Tapaka ny lalana nankany amin’ny biraon’ny sampana noho ireo hazo be nianjera teny amin’ny manodidina. Rehefa nihatony ilay andro ratsy, ora vitsivitsy monja tatỳ aoriana, dia nirotsaka nanala an’ireo hazo ny mpiasa maherin’ny 30 tao amin’ny sampana, na dia tsy nanana fitaovana aza. Gaga be ny olona nahita azy ireo. Nisy vehivavy Vavolombelona maromaro tonga avy eo. Nitondra zava-pisotro mangatsiatsiaka sy voankazo izy ireo, ho an’ireo mpiasa sy ny olon-kafa teo. Tsy nampino an’ireo tsy Vavolombelona ny zavatra hitany. Hoy ny mpanao gazety iray nahita izany: “Iza ireo olona tena mahay miasa ireo?” Rehefa nolazaina taminy, dia hoy izy: “Enga anie ka ho maro ny olona miray hina toy ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanangana komity roa handrindra ny fanampiana tra-boina, tany amin’ny faritra samy hafa. Mpiasa an-tsitrapo an-jatony no nanampy an’ireo ekipa mpitondra fanampiana. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia nisy trano vaovao naorina ho an’ireo Vavolombelona rava trano. Gaga be ny mpiara-monina tamin’ny Vavolombelona iray, rehefa tonga hanao trano vaovao ho azy ny ekipa iray. Hoy ny mpiara-monina iray: “Ny fiangonany no manao trano ho an’io ramatoa Vavolombelona io. Tsy nisy tonga nanampy ahy anefa ny Bodista namako. Tahaka izay aho mba lasa Vavolombelona, tamin’io ramatoa io nitory tamiko!”

Nankany Thanlyn ny mpanao fanorenana sy ny komity mpandrindra ny fanampiana tra-boina, ka nahita fa efa simba be ny trano iray. Hontsa erỳ ny fon’izy ireo rehefa nilaza ireo Vavolombelona nipetraka tao hoe: “Tsy maninona fa mbola afaka mitampify ato izahay. Ny Vavolombelona sasany aza tsy manana trano. Ry zareo aloha ampiana!”

Nankany amin’ny fiangonana iray teo an-toerana ny olona sasany tao amin’ny faritra iray tany Yangon. Nisy nanidy lakile anefa ny varavaram-piangonana, ka tsy azo nidirana. Tezitra be ny olona ka saika hovakiny ilay varavarana. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa nandray olona maro tany amin’ny Efitrano Fanjakana, nandritra ilay rivo-doza. Noraisin’ny mpivady Vavolombelona iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Dala, ohatra, ny olona 20 nandositra ho ao. Ny ampitso maraina, dia tsy nanana trano hodiana ireo fianakaviana namoy fo ireo, sady noana. Nahita mpivaro-bary ilay rahalahy ka nividy vary ampy ho an’ireo olona rehetra ireo.

Samy hafa finoana ny fianakaviana iray tany Yangon: Vavolombelona ny sasany, fa ny hafa kosa nankany amin’ny fivavahana hafa. Nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mianakavy, taorian’ilay rivo-doza. Nahoana? Hoy ny iray taminy: “Nilaza hitsidika anay ny fiangonanay taorian’iny rivo-doza iny, nefa tsy tonga mihitsy. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tonga nitsidika anay. Nomenareo vary sy rano izahay. Hafa mihitsy ny fivavahanareo!” Tena tian’ireo mpianakavy tsy Vavolombelona ny fianarana an’ilay lahatsoratra hoe “Mihaino ny Fitarainantsika i Jehovah”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nanome valin-teny imbetsaka aza izy ireo.

Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ramatoa iray. Tonga nivory izy herinandro taorian’ilay rivo-doza. Novakina tany am-pivoriana ny taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampana, izay niresaka ny fanampiana efa natao sy ny zavatra niainan’ireo tsy maty fo aman’aina. Nirotsaka ny ranomason’ilay ramatoa, rehefa novakina ilay taratasy. Gaga be izy sady faly nandre fa hita daholo ny Vavolombelona ary tsy nisy naninona. Nomena fanampiana izy avy eo, ary nasiana tranolay ho azy teo akaikin’ny tranony. Nilaza izy fa nikarakara tsara azy ny Vavolombelona.

Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Nanantitrantitra koa i Jakoba mpianatra fa ny asa tsara no porofon’ny tena finoana. (Jakoba 2:14-17) Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo teny ireo. Miezaka maneho fitiavana àry izy ireo ka manampy an’ireo mila fanampiana.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Milaza ny Baiboly fa ny asa tsara no porofon’ny tena finoana