Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsapako fa Lahitokana ny Aina

Tsapako fa Lahitokana ny Aina

Tsapako fa Lahitokana ny Aina

NY MARAINAN’NY 16 APRILY 2007 TAMIN’IZAY. Nitampify teo an-joron’ny birao iray, any amin’ny rihana faharoan’ny Tranobe Norris, aho. Ao amin’ny Oniversiten’i Virginie no misy azy io. Tsaroako indray tamin’izay fa sarobidy ny andro tsirairay iainantsika.

Tao amin’ny biraoko aho tamin’io maraina io, ary saika handeha hidina tao amin’ny rihana voalohany haka ny taratasiko. Tonga tao amiko anefa ny mpampianatra iray, ary nasainy nanampy azy tany amin’ny biraony aho satria nisy tsy nety ny ordinaterany. Teo am-pidirana ny biraony izahay no nandre tifitra variraraka tao amin’ny rihana voalohany. Tsy fantatray izay nitranga ka nikoropaka niditra tao amin’ilay birao izahay, nanidy varavarana, ary raiki-tahotra niandry izay hiseho. Nankeo an-joron’ilay efitra aho, nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra, ary nangataka tari-dalana taminy mba hahafahako hiatrika izay hitranga.

Nitamberina tao an-tsaiko, tamin’izay, ny zava-nitranga, tamin’ny 15 taona lasa. Mpanamboatra fiara tao amin’ny garazy iray aho tamin’izany. Nirehitra ny lasantsy tao anaty daba kely teny an-tanan’ny mpiara-miasa tamiko. Taitra be izy ka natsipiny tsy nahy tetỳ amin’ny tarehiko ilay lasantsy nirehitra! May be ny tapany ambony tamin’ny vatako ary voatrokako ilay setroka nahamay. Nentin’ny helikoptera tany amin’ny hopitaly mpikarakara olona may aho, ary nijanona tany telo volana sy tapany. Saika maty aho tamin’izay. Nody ihany aho rehefa avy notsaboina dimy volana, ary faly fa tsy maty fo aman’aina. Hitako tamin’iny fa sarobidy ny andro tsirairay iainantsika. Vavolombelon’i Jehovah aho ka vao mainka tapa-kevitra ny hampiasa ny fotoanako hanompoana an’ilay nanome ahy ny fiainana, dia i Jehovah Andriamanitra.—Salamo 90:12; Isaia 43:10.

Tsy afaka nanamboatra fiara intsony aho vokatr’ilay loza. Nianatra ordinatera àry aho ka niasa tao amin’ny Oniversiten’i Virginie. Izany no nahatonga ahy ho tao amin’ny Tranobe Norris tamin’io maraina io.

Nitohy ihany ny poa-basy. Io no tifitra variraraka nahafaty olona be indrindra teto Etazonia hatramin’izay, ary tao ambanin’ilay rihana nisy anay no nitrangan’izany. Namono olona tsy manan-tsiny 32 ilay lehilahy nitifitra, ary avy eo namono tena. Tokony ho 20 minitra taorian’ny nanombohan’izany rehetra izany, dia renay nandehandeha tany an-dalantsara ny polisy. Nantsoinay izy ireo ka nentiny tany amin’ny toerana azo antoka izahay.

Nianarako tamin’iny zava-nitranga nampahatahotra iny, fa mihelina ihany ny fiainana ary tsy fantatra izay havoakan’ny ampitso. (Jakoba 4:14) Tena zava-dehibe ny hatokisantsika an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome aina antsika, sy ny hitadidiantsika fa fanomezana sarobidy avy aminy ny andro tsirairay iainantsika!—Salamo 23:4; 91:2.

[Sary nahazoan-dalana]

AP Photo/The Roanoke Times, Alan Kim