Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fiovana Vokatry ny hoe Ateraka Indray?

Inona no Fiovana Vokatry ny hoe Ateraka Indray?

Inona no Fiovana Vokatry ny hoe Ateraka Indray?

NAHOANA i Jesosy no nampiasa ilay teny hoe ‘ateraky ny fanahy’ rehefa niresaka momba ny batisa amin’ny fanahy masina? (Jaona 3:5) Fiandohan’ny fiainan’ny olona iray ny fahaterahany. Noho izany, dia milaza fiandohana vaovao ny hoe ateraka indray. Asongadin’ilay teny hoe ‘teraka’ àry, fa misy fiandohana vaovao eo amin’ny fifandraisan’ilay olona amin’Andriamanitra, rehefa vita batisa amin’ny fanahy masina izy. Ahoana no mahatonga izany fiovana lehibe izany?

Misy zavatra ataon’Andriamanitra mba hanomanana an’ireo olona ho mpanjaka any an-danitra. Nampiasa ny zava-mitranga ao amin’ny fianakaviana sasany ny apostoly Paoly mba hanazavana izany. Nilaza tamin’ny Kristianina tamin’ny androny izy fa ‘hanangana azy ireo ho zanaka’ Andriamanitra, ka hitondra azy “toy ny zanaka.” (Galatianina 4:5; Hebreo 12:7) Ho azontsika tsara ny fiovana mitranga amin’ny olona atao batisa amin’ny fanahy masina, rehefa eritreretintsika izay mitranga rehefa misy manangan-janaka. Aleo hiverenantsika kely ilay ohatra tany aloha.

Fiovana vokatry ny fananganan-janaka

Tsy afaka niditra nianatra tao amin’ilay sekoly ilay ankizilahy, satria tsy teratany vahiny. Eritrereto anefa hoe nanangana azy ho zanany ny lehilahy iray vahiny tatỳ aoriana. Nisy fiovana lehibe nitranga vokatr’izany. Lasa mitovy zo amin’ny zanaky ny vahiny izy, satria teratany vahiny no nanangana azy. Manan-jo hiditra hianatra ao amin’ilay sekoly koa àry izy. Miova tanteraka ny zavatra azony atao, noho izy nisy nanangana.

Toy izany no mitranga amin’ireo ateraka indray, saingy mbola lehibe kokoa aza ny vokatr’ilay fiovana. Inona no itovizan’ireo toe-javatra roa ireo? Ho voaray ao amin’ilay sekoly ilay ankizilahy, raha mahafeno fepetra, izany hoe teratany vahiny. Tsy teratany vahiny anefa izy, ary tsy afaka hanova an’izany raha izy samirery. Toy izany koa ny amin’ireo olona sasany ho mpitondra any an-danitra. Tsy ho voaray ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, raha tsy mahafeno fepetra, izany hoe “ateraka indray.” Tsy vitan’izy ireo samirery anefa izany, satria miankina amin’Andriamanitra no mahatonga ny olona hateraka indray.

Ary ahoana no nampiova ny toe-javatra nisy an’ilay ankizilahy? Nisy vahiny nanangana azy. Tsy hoe lasa vahiny tampoka teo anefa ilay ankizy. Mbola ilay ankizilahy teo ihany izy, saingy nisy zavatra niova. Lasa manana zon’ny teratany vahiny izy. Toy ny hoe naterak’ilay vahiny indray àry izy, izany hoe nisy fiandohana vaovao teo amin’ny fiainany. Lasa zanak’ilay vahiny mantsy izy, ka lasa anisan’ny fianakavian’izy io, ary manana zo hiditra hianatra ao amin’ilay sekoly.

Mitovitovy amin’izany no mitranga amin’ireo ho mpitondra any an-danitra. Atsangan’i Jehovah ho zanany ireo olona tsy lavorary ireo. Anisan’izy ireny ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny mpiray finoana taminy: ‘Mahatonga anareo hatsangana ho zanaka ny fanahin’Andriamanitra. Ary io fanahy io no mahatonga antsika hiantso mafy hoe: “Aba, Ray ô!” Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.’ (Romanina 8:15, 16) Lasa anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, na lasa ‘zanany’ àry ireo Kristianina ireo, rehefa natsangany ho zanany.—1 Jaona 3:1; 2 Korintianina 6:18.

Tsy hoe niova tampoka ho olona lavorary akory izy ireo. Mbola tsy lavorary ihany izy. (1 Jaona 1:8) Na izany aza, dia misy fiovana mitranga, araka ny nohazavain’i Paoly tetsy aloha. Lasa zanak’Andriamanitra mantsy izy ireo, rehefa natsangany ho zanany. Nanome antoka azy ireo koa ny fanahin’Andriamanitra, fa hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo. (1 Jaona 3:2) Noho izany, dia lasa hafa tanteraka ny fiheveran’izy ireo ny fiainana. (2 Korintianina 1:21, 22) Nisy fiandohana vaovao teo amin’ny fiainany, ka toy ny hoe nateraka indray izy ireo.

Hoy ny Baiboly momba ny olona atsangan’Andriamanitra ho zanany: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:6) Ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, miaraka amin’i Kristy, izy ireo. Nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Petera, fa hahazo “lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra” izy ireo, ary “voatahiry any an-danitra” izany. (1 Petera 1:3, 4) Lova sarobidy tokoa izany!

Koa satria ho mpanjaka any an-danitra ireo olona nateraka indray, iza no vahoaka hanjakany? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Sary, pejy 10]

Ahoana hoy i Paoly momba ny fananganan-janaka?