Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-kery ny Baiboly na dia Amin’ny Fiteny Tsy Be Mpampiasa Aza

Manan-kery ny Baiboly na dia Amin’ny Fiteny Tsy Be Mpampiasa Aza

Manan-kery ny Baiboly na dia Amin’ny Fiteny Tsy Be Mpampiasa Aza

NY ANTSASAKY ny fiteny nampiasaina taloha izao no tsy ampiasaina intsony, tao anatin’ireo taonjato vitsivitsy lasa. Anisan’ny fiteny tsy be mpampiasa intsony ny teny latinina, na dia mbola ianarana any amin’ny faritra maro aza, sady fiteny ofisialy ao Vatikana.

Amin’ny teny latinina koa ny sasany amin’ireo Fandikan-tenin’ny Baiboly miavaka indrindra. Mbola misy heriny amin’ny olona ve ny Baiboly amin’io fiteny io? Andeha hojerentsika ny tantaran’ireo Baiboly amin’ny teny latinina mba hamaliana izany.

Fandikan-teny latinina tranainy indrindra

Ny teny latinina no fiteny ofisialin’i Roma fahiny. Teny grika anefa no nampiasain’ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma izy. a Nety tsara izany, satria nahay an’ireo fiteny roa ireo ny mponina tao. Mpiavy avy any Azia mantsy ny ankamaroan’ny mponin’i Roma ary nampiasa teny grika, hany ka lasa nahazo vahana tao Roma io fiteny io. Tsy nitovy ny fiteny nampiasaina nanerana ny Fanjakana Romanina. Nihamaro anefa ny olona nampiasa ny teny latinina, rehefa nitatra ilay fanjakana. Nadika tamin’ny teny latinina àry ny Soratra Masina, izay efa nisy tamin’ny teny grika. Toa natomboka tamin’ny taonjato faharoa ilay fandikan-teny, tany Afrika Avaratra.

Nantsoina hoe Vetus Latina, na Dikanteny Latinina Tranainy ireo fandikan-teny. Tsy tody hatratỳ amin’ny androntsika ilay dikanteny latinina tranainy iray manontolo. Hita avy amin’ireo ampahany mbola misy ankehitriny sy ireo teny nalain’ny mpanoratra fahiny avy tao amin’ny Vetus Latina, fa toa tsy boky iray mitambatra izy io. Azo inoana hoe mpandika teny maromaro no nandika azy io, tamin’ny fotoana sy toerana samy hafa. Fitambarana fandikan-teny maromaro àry ilay izy, fa tsy sangan’asa iray manokana.

Betsaka ny olona nandika samirery ampahany tamin’ny Soratra Masina, ary niteraka disadisa izany. Hoy i Augustin, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra: “Izay rehetra nihevi-tena ho nahaihay teny grika sy latinina, ka nanana sora-tanana tamin’ny teny grika, dia samy nandika an’ilay izy” ho amin’ny teny latinina avokoa. Nihevitra ny olona maro, anisan’izany i Augustin, fa be loatra ny fandikan-teny tamin’ny teny latinina niely, ary tsy azo antoka ny fahamarinan’izy ireny.

Dikantenin’i Jérôme

Niezaka namaha an’izany olana izany i Jérôme, izay mpitan-tsoratr’i Damase, evekan’i Roma, tamin’ny taona 382. Nasain’io eveka io nanavao ny teny latinina tao amin’ny Filazantsara izy, ary vitany tao anatin’ny taona vitsivitsy izany. Ireo boky hafa tao amin’ny Baiboly indray no nataony, taorian’izay.

Avy amin’ny loharanon-kevitra maro ny dikantenin’i Jérôme, ary nantsoina hoe Vulgate, tatỳ aoriana. Rehefa nandika ny Salamo, ohatra, izy dia nampiasa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mirakitra ny Soratra Hebreo amin’ny teny grika io fandikan-teny io, ary vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Nanavao ny Filazantsara i Jérôme, sady nandika ampahany lehibe tamin’ny Soratra Hebreo avy amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny latinina. Toa olon-kafa no nanavao ny boky hafa. Nisy ampahany tamin’ny Vetus Latina koa nampidirina tao amin’ny Vulgate, tatỳ aoriana.

Tsy dia tian’ny olona ilay dikantenin’i Jérôme, tamin’ny voalohany. Na i Augustin aza nanakiana azy io. Hita anefa, tatỳ aoriana, fa io no modely tsara indrindra amin’ny Baiboly feno. Natao kopia imbetsaka izy io, ka lasa nisy teny diso tsipelina maro. Niezaka nanitsy izany ny manam-pahaizana toa an’i Alcuin sy Théodulf, tamin’ny taonjato fahavalo sy fahasivy. Ny hafa kosa nanisy toko tao amin’izy io, mba hanamorana ny fitadiavana andinin-teny. Ny dikantenin’i Jérôme no Baiboly natao pirinty voalohany, rehefa niforona ny fanontam-pirinty tamin’ny lohavỳ.

Nomen’ny Eglizy Katolika an’ilay anarana hoe Vulgate ny dikantenin’i Jérôme, tamin’ny Konsilin’i Trente, tamin’ny 1546. Nolazaina tao fa “marina tsara” io fandikan-teny io, ary hampiasaina amin’ny Fivavahana Katolika. Tapaka tao amin’ilay fivoriana koa fa hohavaozina izy io. Hisy komity manokana hanara-maso an’ilay asa. Tian’ny Papa Sixte Faha-5 ho vita haingana anefa ilay izy, sady natoky tena tamin’ny fahaizany koa angamba izy, ka nanapa-kevitra ny hamita azy io samirery. Maty anefa izy tamin’ny 1590, raha vao natomboka ny fanontana an’ilay dikan-teny nohavaozina. Tsy navelan’ireo kardinaly haely intsony ilay fandikan-teny taorian’izay, satria be diso, hono.

Nisy fanavaozana natao indray, ary natonta tamin’ny 1592 ilay fandikan-teny vaovao, tamin’ny fotoana nitondran’ny Papa Clément Faha-8. Nantsoina hoe Vulgate Sixtine-Clémentine ilay izy. Io no fandikan-teny ofisialy nampiasain’ny Eglizy Katolika nandritra ny fotoana kelikely. Izy io koa no nampiasaina rehefa nadika ho amin’ny fiteny hafa ny Baiboly katolika. Nadikan’i Antonio Martini avy amin’izy io, ohatra, ny fandikan-teny italianina iray vita tamin’ny 1781.

Baiboly maoderina amin’ny teny latinina

Nodinihina tamin’ny an-tsipiriany ny Vulgate, tamin’ny taonjato faha-20. Hita tamin’izany fa nila nohavaozina izy io. Natsangan’ny Eglizy Katolika àry ny Vaomieran’ny Vulgate Vaovao, tamin’ny 1965, mba hanavao an’ilay fandikan-teny latinina mifanaraka amin’ny fahalalana azo tatỳ aoriana. Hampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana ataon’ny Katolika amin’ny teny latinina io fandikan-teny vaovao io.

Vita tamin’ny 1969 ny ampahany voalohany tamin’izy io. Neken’ny Papa Jean-Paul II ny hanontana ny Nova Vulgata, tamin’ny 1979. Hita tao amin’ilay fanontana voalohany ny anaran’Andriamanitra hoe Iaveh, tao amin’ny andinin-teny toy ny Eksodosy 3:15 sy ny 6:3. Nihevitra ilay vaomiera fa diso izy ireo nametraka ny anaran’Andriamanitra tao amin’ilay fandikan-teny. Nilaza àry ny solontenan’izy ireo fa “nosoloana hoe Dominus [na Tompo] ny Iaveh rehetra tao”, rehefa natonta fanindroany ny Nova Vulgata, tamin’ny 1986.

Nisy nitsikera indray ny Nova Vulgata, toy ny nataon’ny olona tamin’ny Vulgate ihany. Nanao izany na dia ny manam-pahaizana katolika aza. Noeritreretina hoe Baiboly hampiray ny finoana kristianina rehetra izy io. Maro anefa no nihevitra fa vao mainka aza tsy hampiray saina an’ireo mpandika Baiboly avy amin’ny fivavahana samihafa izy io. Nilaza mantsy ny papa fa izay voalaza ao, hono, no tsy maintsy arahina rehefa hadika amin’ny fiteny hafa ny Baiboly. Niteraka adihevitra be teo amin’ny Protestanta sy ny Katolika tany Alemaina ny Nova Vulgata. Rehefa tapaka mantsy fa nilaina ny nanavao fandikan-teny iray iombonan’ny fivavahana samy hafa, dia nilaza ny Katolika fa tokony hampifanarahina amin’ny Nova Vulgata io fandikan-teny vaovao io.

Vitsy kely izao ny olona mampiasa ny teny latinina. Na izany aza, dia mbola manan-kery amin’ny olona an-tapitrisany ny Baiboly amin’ny teny latinina, na mivantana izany na tsia. Avy amin’izy io ny voambolana ara-pivavahana ampiasaina amin’ny fiteny maro. Manan-kery lehibe foana ny Tenin’Andriamanitra, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona. Olona an-tapitrisany no manova ny fomba fiainany, rehefa miezaka mankatò sy manao zavatra mifanaraka amin’ireo fampianarana sarobidy raketin’izy io.—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manazava bebe kokoa momba ny antony nanoratana ny Soratra Kristianina amin’ny teny grika ilay lahatsoratra hoe “Fantatrao Ve?”, ao amin’ny pejy 13.

[Teny notsongaina, pejy 23]

Neken’ny Papa Jean-Paul II ny hanontana ny Nova Vulgata. Hita tao amin’ilay fanontana voalohany ny anaran’Andriamanitra hoe Iaveh

[Efajoro, pejy 21]

FANDIKAN-TENY TSY LEFY LAZA

Nadika avy tamin’ny teny grika ny Vetus Latina, ary maro amin’ireo teny ampiasaina ao no mbola tsy lefy laza hatramin’izao. Nadikany hoe testamentum na “testamenta”, ohatra, ilay teny grika hoe diateke na “fifanekena.” (2 Korintianina 3:14) Noho izany, dia olona maro no mbola miantso ny Soratra Hebreo hoe Testamenta Taloha, ary ny Soratra Grika hoe Testamenta Vaovao.

[Efajoro, pejy 23]

TOROMARIKA NITERAKA ADIHEVITRA

Namoaka toromarika mahakasika ny fomba itarihana ny fotoam-pivavahana ny Sampan-draharaha Misahana ny Fotoam-pivavahana sy ny Sakramenta ao Vatikana, tamin’ny 2001. Nanakiana be azy io ny manam-pahaizana katolika maro.

Voalaza tao fa ny Nova Vulgata no fandikan-teny ofisialy ampiasain’ny Eglizy. Izy io koa, hono, no tokony hatao modely rehefa adika amin’ny fiteny hafa ny Baiboly, na dia tsy tena mifanaraka amin’ny soratra tany am-boalohany aza ny zavatra sasany raketiny. Raha manaraka izany toromarika izany ihany, hono, ny fandikan-tenin’ny Baiboly iray vao azon’ireo lohandohany ao amin’ny Eglizy ekena. Voalaza tao koa fa “ny anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra amin’ny litera hebreo efatra (YHWH)” dia tokony hadika hoe “Tompo” na Dominus. Io mantsy no ampiasaina ao amin’ilay fanontana faharoa amin’ny Nova Vulgata, na dia nampiasa an’ilay anarana hoe “Iaveh” aza ny fanontana voalohany. b

[Fanamarihana ambany pejy]

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mitady Hanafoana ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra i Vatikana”, ao amin’ny pejy 30.

[Sary, pejy 22]

Baiboly amin’ny teny latinina nadikan’i alcuin, taona 800

[Sary nahazoan-dalana]

From Paléographìe latine, by F. Steffens (www.archivi.beniculturali.it)

[Sary, pejy 22]

Vulgate sixtine-clémentine, 1592

[Sary, pejy 23]

Eksodosy 3:15, Nova Vulgata, 1979

[Sary nahazoan-dalana 23]

© 2008 Libreria Editrice Vaticana