Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady Hanafoana ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra i Vatikana

Mitady Hanafoana ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra i Vatikana

Mitady Hanafoana ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra i Vatikana

MITADY hanafoana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra amin’ny fotoam-pivavahany ireo lohandohany ao amin’ny Eglizy Katolika. Nandefa toromarika momba izany tany amin’ireo fihaonam-ben’ny eveka katolika eran-tany, ny Sampan-draharaha Misahana ny Fotoam-pivavahana sy ny Sakramenta ao Vatikana, tamin’ny taon-dasa. “Avy any amin’ny” papa ilay toromarika.

Voalazan’io taratasy tamin’ny 29 Jona 2008 io, fa na dia efa nampirisihana aza ny tsy hampiasana ny anaran’Andriamanitra, dia “nisoko mangina ihany tato anatin’ny taona vitsivitsy farany ilay fahazarana manonona ny anaran’ny Andriamanitry ny Israely, fantatra amin’ny litera hebreo efatra hoe יהוה, YHWH.” Milaza ilay taratasy fa nadika toy izao ilay anarana: “Yahweh”, “Yahwè”, “Jahweh”, “Jahwè”, “Jave”, “Yehovah”, sy ny sisa. a Milaza anefa ilay toromarika fa tokony hiverina amin’ny efa nahazatra azy ny Eglizy Katolika, ka hosoloana hoe “Tompo” ireo Litera Efatra. Nolazainy koa fa “tsy tokony hampiasaina na hotononina ilay [anaran’Andriamanitra] hoe YHWH” amin’ny fotoam-pivavahana sy ny hira ary ny vavaka.

Miresaka momba ny fanao nahazatra ny Eglizy Katolika hatramin’ny ela ilay taratasy, mba hanohanana ny heviny. Milaza ilay izy fa nadika foana hoe Kyriôs (“Tompo”) ny anaran’Andriamanitra, na dia tao amin’ny Soratra Hebreo Fandikan-tenin’ny Fitopolo talohan’ny andro kristianina aza. Manizingizina àry ilay taratasy fa “tsy nanonona mihitsy an’ireo litera efatra ny Kristianina, hatrany am-boalohany.” Misy porofo mazava anefa fa tsy marina izany. Ny anaran’Andriamanitra hoe יהוה fa tsy ilay hoe Kyriôs no tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo voalohandohany. Nahafantatra sy nanonona ny anaran’Andriamanitra ny mpanara-dia an’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Efa nampahafantariko ... ny anaranao.” (Jaona 17:26) Nampianatra antsika hivavaka toy izao koa izy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”—Matio 6:9.

Tokony haniry ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina. Manala baraka an’i Jehovah ny ezaka ataon’i Vatikana hanafoanana ny fampiasana azy io. Hoy mantsy i Jehovah: “Izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.”—Eksodosy 3:15, Kat.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ilay hoe “Jehovah” no be mpampiasa indrindra amin’ny teny malagasy, nandritra ny taona maro.

[Teny notsongaina, pejy 30]

“Izany no anarako mandrakizay.”—Eksodosy 3:15, Kat.

[Sary, pejy 30]

Ampahany amin’ny “Fandikan-tenin’ny Fitopolo” tamin’ny taonjato voalohany. Voafaritra boribory ny anaran’Andriamanitra amin’ny litera hebreo efatra adika matetika hoe YHWH

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of the Egypt Exploration Society