Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nianatra Namindra Fo Izy

Nianatra Namindra Fo Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

Nianatra Namindra Fo Izy

NANAM-POTOANA hieritreretana tsara i Jona. Hanao dia lavitra 800 kilaometatra mahery izy, ary haharitra iray volana eo ho eo izany, fara fahakeliny. Tsy maintsy nifidy lalana izy aloha, na ilay manitsy, na ilay lavitra kokoa sy tsy mampidi-doza. Nanomboka ny diany izy taorian’izay, ka namakivaky lohasaha sy tendrombohitra maro. Tsy maintsy nanaraka ny sisin’ny Efitr’i Syria midadasika izy, nita renirano maro toy ny renirano maherin’i Eofrata, ary namakivaky an’i Syria, Mezopotamia, ary Asyria. Tsy maintsy nitady toerana hatoriana tany amin’ireny tanàna ireny izy, tamin’ny alina. Natahotra izy teny an-dalana rehefa nieritreritra izay miandry azy any amin’ilay tanàna halehany, dia i Ninive.

Fantatr’i Jona tsara fa tsy afaka miverin-dalana izy, na mandà an’ilay iraka nampanaovina azy. Efa nandositra mantsy izy teo aloha. Nirahin’i Jehovah hanambara ny didim-pitsarany tany amin’io tanàna asyrianina lehibe io izy, nefa nandeha sambo nankany amin’ny tanàna hafa mifanipaka amin’io. Nampisy tafio-drivotra be narahin’oram-baratra i Jehovah, rehefa teny ambony sambo i Jona. Tsy ela dia takany fa ny fikomiany no nahatonga izany, ary notandindomin-doza ny ain’ny mpandeha rehetra. Nasainy nanipy azy tany an-dranomasina àry ireo tantsambo. Nisalasala izy ireo, nefa nataony ihany izany. Nihevitra i Jona tamin’izay fa tena ho faty. Nandefa trondro ngezabe hitelina azy anefa i Jehovah. Naloan’ilay trondro teny amin’ny tany maina izy, telo andro tatỳ aoriana, nefa tsy naninon-tsy naninona. Gaga noho izay nitranga izy, ary nanjary vonona kokoa ny hankatò. aJona, toko 1, 2.

Rehefa naniraka an’i Jona fanindroany ho any Ninive i Jehovah, dia nankatò izy ka nanao ilay dia niantsinanana. (Jona 3:1-3) Nampiova azy tanteraka ve anefa ny famaizan’i Jehovah azy? Namindra fo taminy i Jehovah, satria namonjy azy tsy ho faty an-drano, tsy nanasazy azy noho ny fikomiany, ary nanome fahafahana azy fanindroany hamita ilay iraka. Mba nianatra namindra fo tamin’ny hafa ve i Jona, taorian’izany rehetra izany? Matetika no sarotra amin’ny olona tsy lavorary ny mamindra fo. Andeha hojerentsika izay azontsika ianarana avy amin’ny ezaka mafy nataon’i Jona.

Tsy nampoizina ny vokatr’ilay hafatra fanamelohana

Tsy nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fomba fijerin’i Jona an’i Ninive. Hoy ny Baiboly: “Tanàna lehibe teo imason’Andriamanitra i Ninive.” (Jona 3:3) Intelo i Jehovah no milaza ao amin’ny bokin’i Jona, fa ‘tanàna lehibe i Ninive.’ (Jona 1:2; 3:2; 4:11) Nahoana no lehibe teo imason’i Jehovah io tanàna io?

Tanàna tranainy i Ninive. Anisan’ireo tanàna voalohany natsangan’i Nimroda taorian’ny Safodrano izy io. Tanàn-dehibe izy io sady nidadasika. Toa nisy tanàna maromaro hafa koa anisany. Nandeha an-tongotra telo andro ny olona vao nahavita namakivaky an’ilay tanàna manontolo. (Genesisy 10:11; Jona 3:3) Nahavariana ny tanànan’i Ninive, satria nisy tempoly tsara tarehy sy manda lehibe ary trano vaventy hafa. Tsy izany anefa no nahatonga an’ilay tanàna ho lehibe teo imason’i Jehovah Andriamanitra. Ny olona tao no tena sarobidy taminy. Be mponina i Ninive tamin’izany. Niahy an’ireo olona ireo i Jehovah, na dia nanao ratsy aza izy ireo. Tia ny olombelona tsirairay izy, ary fantany fa afaka mibebaka sy mianatra ny hanao ny tsara izy ireo.

Tonga tao Ninive i Jona tamin’ny farany. Vao mainka angamba izy natahotra tamin’izay satria nisy mponina 120 000 mahery tao. b Nandeha an-tongotra iray andro maninjitra izy mba hidirana tany afovoan’ilay tanàna. Nitady toerana mety hanombohana ny fitoriana ilay hafatra angamba izy. Ahoana no hampitany an’ilay hafatra amin’ireo vahoaka be ireo? Nianatra ny fiteny asyrianina ve izy? Sa nanao fahagagana i Jehovah mba hahaizany an’ilay fiteny? Tsy fantatsika izany. Mety ho tamin’ny fiteny hebreo no nitenenan’i Jona an’ilay hafatra ary nampiasa mpandika teny izy mba hampita izany tamin’ny mponin’i Ninive. Na ahoana na ahoana, dia tsotra ilay hafatra sady azo inoana fa tsy ho tian’ny olona. Toy izao ilay izy: “Efapolo andro sisa dia horavana i Ninive.” (Jona 3:4) Tsy natahotra namerimberina izany i Jona. Be herim-po sy nanana finoana niavaka tokoa izy! Tena mila manana izany toetra izany koa ny Kristianina ankehitriny.

Nihaino ny hafatra notorin’i Jona ny mponin’i Ninive. Azo antoka fa nieritreritra i Jona hoe hasiaka sy hahery setra aminy ny olona. Tsy izany anefa no nitranga. Nandray am-po an’ilay hafatra izy ireo! Niely haingana ilay izy. Tsy ela dia lasa ambentin-dresaka nanerana an’ilay tanàna ilay loza ho avy. Mitantara ny bokin’i Jona hoe: “Nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive, ka nanao antso avo hoe hisy fifadian-kanina. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.” (Jona 3:5) Nibebaka avokoa na ny manankarena na ny mahantra, na ny matanjaka na ny kely hery, na ny antitra na ny tanora. Tsy ela dia nandre momba izany ny mpanjaka.

Lasa natahotra an’Andriamanitra koa ny mpanjaka. Nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny ary nitafy lamba gony sahala amin’ny vahoaka, sady “nipetraka tamin’ny lavenona.” Namoaka didy mihitsy ny mpanjaka sy ireo “olona ambony” mba hisy fifadian-kanina manerana ilay firenena. Nanome baiko izy mba hitafy lamba gony ny rehetra, eny fa na dia ny biby fiompy aza. c Niaiky tamim-panetren-tena izy fa meloka ny vahoakany satria nanao ratsy sy herisetra. Nanantena koa izy fa hamindra fo Andriamanitra rehefa mahita azy ireo mibebaka. Hoy izy: “Sao mba hiova hevitra ilay tena Andriamanitra, ... ka tsy hirehitra intsony ny fahatezerany, dia tsy ho faty isika.”—Jona 3:6-9.

Misy misalasala raha marina io tantara io. Haingana loatra, hono, ny fibebahan’ny mponin’i Ninive. Nanamarika anefa ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly fa mitombina ilay fitantarana, satria olona minomino foana sy mora miovaova ny mponin’i Ninive fahiny. Nohamafisin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana, fa nibebaka tokoa ny mponin’i Ninive. (Matio 12:41) Nahita an’io zava-nitranga io avy tany an-danitra mantsy izy. (Jaona 8:57, 58) Ahoana anefa no nataon’i Jehovah rehefa nibebaka ny mponin’i Ninive?

Mamindra fo Andriamanitra fa mafy fo ny olona

Hoy i Jona tatỳ aoriana: “Hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo, fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo. Koa nanenenan’Andriamanitra ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.”—Jona 3:10.

Midika ve izany fa diso ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’i Ninive? Tsia. Hoy ny Baiboly momba azy: “Tonga lafatra izay [ataony], fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.” (Deoteronomia 32:4) Rariny raha tezitra tamin’i Ninive i Jehovah tamin’ny voalohany. Tsy tezitra intsony anefa izy, tatỳ aoriana. Hitany mantsy fa niova izy ireo ka tsy mendrika ny hosazina intsony. Namindra fo Andriamanitra tamin’io.

Tsy Andriamanitra mafy fo sy masiaka ary tsy azo ivalozana i Jehovah, na dia toy izany aza matetika no fomba ilazan’ireo mpitondra fivavahana azy. Mahay mandanjalanja sy mahay milefitra ary mamindra fo kosa izy. Rehefa hanasazy ny mpanao ratsy izy, dia maniraka ny solontenany eto an-tany izy aloha mba hanome fampitandremana. Tiany mantsy raha mibebaka sy miova toa an’ireo mponin’i Ninive ny mpanao ratsy. (Ezekiela 33:11) Hoy i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany: “Rehefa manameloka firenena na fanjakana aho, ka mikasa hanongotra sy handrodana ary handrava azy, nefa miala amin’ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena, dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy.”—Jeremia 18:7, 8.

Naminany lainga ve i Jona? Tsia. Ny hampitandrina ny olona no anton’ilay faminaniana, ary tratra izany tanjona izany. Nampitandremana noho ny ratsy nataony ny mponin’i Ninive, ka niala tamin’izany. Raha toa anefa izy ireo ka miverina manao ratsy, dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’izy ireo ihany Andriamanitra. Izany indrindra no nitranga tatỳ aoriana.—Zefania 2:13-15.

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jona rehefa tsy nitranga tamin’ny fotoana nieritreretany azy ilay fandringanana? Hoy ny Baiboly: “Tsy nahafaly an’i Jona mihitsy anefa izany, ka nirehitra ny fahatezerany.” (Jona 4:1) Toy ny hoe nibedy an’Andriamanitra mihitsy izy tao amin’ny vavaka nataony! Nilaza izy fa tokony ho nijanona tany amin’ny taniny. Nihambo koa izy hoe efa fantany hatramin’ny voalohany fa tsy handringana an’i Ninive i Jehovah. Nolazainy mihitsy aza fa izany no antony nandosirany nankany Tarsisy, tamin’ny voalohany. Nangataka ny ho faty izy avy eo, ary nilaza fa aleony maty toy izay velona.—Jona 4:2, 3.

Inona no nahasosotra an’i Jona? Tsy fantatsika daholo izay tao an-tsainy. Ny fantatsika anefa dia hoe naminany loza teo anatrehan’ny mponin’i Ninive izy, ary nino azy ireo olona ireo. Tsy nisy loza nitranga akory anefa avy eo. Natahotra ny hesoina na holazaina fa mpaminany sandoka ve i Jona? Na ahoana na ahoana, dia tsy faly noho ny nibebahan’ilay vahoaka sy ny namindran’i Jehovah fo tamin’izy ireo izy. Vao mainka kosa izy tezitra sy nitsetra tena ary nahatsiaro ho afa-baraka. Toa mbola nahita toetra tsara tao amin’io lehilahy sorena io ihany anefa ilay Andriamanitra mamindra fo. Tsy nanasazy an’i Jona àry izy, fa nalemy fanahy taminy. Nampisaintsaina azy toy izao izy: “Rariny ve raha tezitra mafy toy izao ianao?” (Jona 4:4) Namaly ve i Jona? Tsy mitantara izany ny Baiboly.

Nampianatra an’i Jona i Jehovah

Niala tao Ninive ilay mpaminany, nefa tsy nandeha nody, fa niantsinanana. Nankany amin’ny tendrombohitra ahatazanana an’ilay tanàna izy. Nanamboatra fialofana kely izy, ary nipetraka teo ambaniny sady nijery an’i Ninive. Mbola nanantena ny hahita ny handringanana an’ilay tanàna angamba izy. Ahoana no nampianaran’i Jehovah an’io lehilahy mafy fo io hamindra fo?

Nampaniry voatavomonta i Jehovah, nandritra ny alina. Rehefa nifoha i Jona, dia nahita ilay zavamaniry nandrobona be. Lehibe ny ravin’ilay izy ka nanome alokaloka tsara lavitra noho ilay fialofana kely namboariny. “Nahafaly” an’i Jona tokoa ilay voatavomonta. Nihevitra angamba izy fa porofon’ny fitahian’Andriamanitra sy ny fankasitrahany azy ny nanirian’ilay izy tamin’ny fomba mahagaga. Tsy ny hanome fialokalofana an’i Jona sy ny hampitony ny fahatezerany fotsiny anefa no antony nampanirin’i Jehovah an’ilay voatavomonta. Naniry hanohina ny fon’i Jona izy. Nandefa kankana àry izy mba hamono an’ilay zavamaniry. Nampisy “rivotra mahamay avy any atsinanana” izy taorian’izay, ary saika “safotra” mihitsy i Jona. Tezitra indray i Jona, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba ho faty.—Jona 4:6-8.

Nanontanian’i Jehovah indray i Jona raha ara-drariny ny fahatezerany noho ny amin’ilay voatavomonta. Tsy nibebaka i Jona fa nanamarin-tena, ka nilaza hoe: “Rariny tokoa raha tezitra mafy toy izao aho! Aleoko mihitsy maty.” Tonga àry izao ny fotoana hampianaran’i Jehovah azy.—Jona 4:9.

Nampisaintsaina an’i Jona Andriamanitra. Nilaza izy fa nalahelo i Jona rehefa maty ilay zavamaniry, izay naniry tao anatin’ny indray alina monja sady tsy nisasarany na nampaniriny. Hoy Andriamanitra avy eo: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?”—Jona 4:10, 11. d

Takatrao ve ilay lesona lehibe tian’Andriamanitra hampitaina? Tsy nanao na inona na inona tamin’ilay zavamaniry i Jona. I Jehovah kosa no nanome aina an’ireo mponin’i Ninive sy nikarakara azy ireo, toy ny ataony amin’ny zavaboary hafa. Nahoana no zavamaniry indray no noheverin’i Jona ho sarobidy kokoa noho ny ain’olona 120 000 miaraka amin’ny biby fiompiny rehetra? Tsy ny fitiavan-tenany ve no nahatonga izany? Nalahelo an’ilay zavamaniry izy satria nitondra soa ho azy manokana ilay izy. Tsy ny fitiavan-tenany koa ve no nahatonga azy ho tezitra noho izay nitranga tamin’i Ninive? Te hiseho ho marina sy tsy te ho afa-baraka mantsy izy.

Nampianatra lesona lehibe tokoa i Jehovah! Nandray am-po izany ve i Jona? Mbola tsy voavaly ilay fanontaniana farany napetrak’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Jona. Mety hilaza ny mpanakiana sasany hoe tsy novalian’i Jona mihitsy ilay fanontaniana. Efa namaly an’ilay fanontaniana anefa izy, raha ny marina. Tsy nisy mantsy ilay boky mitondra ny anarany raha tsy izany. Voaporofo fa i Jona no nanoratra an’io boky io. Alaivo sary an-tsaina hoe tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny taniny ilay mpaminany, izay efa be taona kokoa sy hendry kokoa ary nanetry tena kokoa. Eo am-panoratana an’ilay fitantarana izy. Azo inoana fa nanenina aoka izany izy noho ny fahadisoany sy ny fikomiany ary ny tsy fetezany hamindra fo. Tena niana-javatra avy tamin’ny fampianarana tsara avy amin’i Jehovah i Jona. Nianatra namindra fo izy. Ary ahoana ny amintsika?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Nandray Lesona avy Tamin’ny Fahadisoany Izy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2009.

b Araka ny tombantombana, dia 20 000 ka hatramin’ny 30 000 teo ho eo ny mponina tao Samaria, renivohitr’i Israely, tamin’ny andron’i Jona. Avo efatra heny mahery noho izany anefa ny isan’ny mponin’i Ninive. I Ninive angamba no tanàna lehibe indrindra teto an-tany, tamin’ny fotoana nampandroso be azy.

c Mety ho hafahafa izany, nefa efa nisy zava-nitranga toy izany fahiny. Rehefa nodimandry, ohatra, ny jeneraly iray tiam-bahoaka tany Persa fahiny, dia nampandraisina anjara tamin’ireo fombafomba fisaonana ny biby fiompy. Izany no notantarain’i Hérodote, Grika mpahay tantara.

d Nilaza Andriamanitra fa tsy mahalala akory ny havia sy havanany ny mponin’i Ninive. Te hilaza izy fa toy ny zaza tsy mahalala ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 16]

Tian’Andriamanitra raha mibebaka sy miova toa an’ireo mponin’i Ninive ny mpanao ratsy

[Teny notsongaina, pejy 17]

Nampiasa an’ilay voatavomonta Andriamanitra mba hampianarana an’i Jona hamindra fo